Par Taratra sur 06/06/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Vomanga masaka ihany. Izay ny an-dRamasabomanga, fa tsy mieritreritra na mahita zavatra hafa. Anton’izay, tsy fananana hazondamosina, fanarahana ambokony… Fa any amin’izay vomanga masaka ihany. Eo amin’ny fiainana, na fiarahamonina, na fiainam-pirenena, samy mety manana izay vomanga masaka aminy ny tsirairay. Izay heveriny ho zava-dehibe izay, mahamaika azy, mahajamba, tsy ananana hazondamosina. Na vola aman-karena […]
Par Taratra sur 04/06/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Niavian’ny teny hoe korontana ny koro tantana: mikorontana rehefa mikoro ny tantana, fa tsy mijoro. Mby aiza amin’izany ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao? Na ny fitondram-panjakana… Tenenin-dava tato ho ato ny hoe misy fanakorontanana, fanonganam-panjakana. Tsy fantatra intsony izay marina na tsia. Ny fitenenan-dava no mampisy korontana sa ny fisian’ny korontana no mampiteny lava? Raha […]
Par Taratra sur 03/06/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Inona marina ny olana amin’izao fotoana izao? Fahantram-bahoaka lalina sy maharitra, tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-pianana, tsy fisian’ny asa, delestazy… Eo koa ny fitaka sy fampanantenana lava iandrasan’ny vahoaka vasoka, ny tsy firaharahana na tsy misy mpihaino… Tsy vitan’izany, eo ny fanaovan’ny sasany tantely afa-drakotra sy ampihimamba ny harem-pirenena, ny kolikoly sy ny kiantranoantrano, ny fanaovana […]
Par Taratra sur 02/06/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

« Iray volan’ny teny malagasy »… Koa misy fotoana tsara indrindra noho izany moa, hireharehana mikasika ny hakanton’ny tenindrazana ? Fa tsy ampy sady mankaleo anefa ny kabary tsara lahatra. Faheno foana koa ilay tenin-dRahaingoson Henri na i Di, hampiasain’izay te hanaingo ny fanohanan-keviny… Efa faheno matetika ireny… « Lasan-ko vavany toa harontabebaka », hoy ny mpanao gazety, Hary Razafindrakoto […]
Par Taratra sur 01/06/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Tapitra iny ny volana mey, tsy maintsy diavina ny jona. Fanambin’ny governemanta ny “hiady”. Manaraka izany paikadiny izany koa ny fotoana, sa ny fotoana no manaraka ny paikady. Mifanindran-dalana amin’ny mpanatanteraka koa anefa, sady tsy afa-miala amin’ny maha tompon’andraikitry ny firenena azy ny antenimiera roa tonta, ny solombavambahoaka sy ny loholona. Indroa isan-taona ny fivoriambe […]
Par Taratra sur 31/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Tompon-trano mihono ny vahoaka. Tsy misy hevitra raha hanarontsaron-javatra, mamilivily resaka ity fitondrana ity. Inona, ohatra, izao no vokatry ny fanadihadiana tamin’ireny fisavana trano teto an-dRenivohitra, nanaovan’ny andiana mpitandro filaminana nirongo fiadiana fihetsiketsehana be, ireny ? Tsy misy, tsy hita izay akony, mandraka ity ny androany, efa ho herinandro izay. Toa vao mainka koa aza miitatra […]
Par Taratra sur 30/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Izay tia vola, hono, jamba sy malemy avy hatrany, raha vao maso mahita vola na tampin’ny vola ny masony. Miseho ny halemeny. Raha vao abontsina na dokafana ny adalam-boninahitra, mohaka sy modaka. Miharihary ny fahalemeny. Eny, raha vao voatohintohina aza ny haja amam-boninahitra, misondrovaka. Mbola halemena koa izay… Tsy mifankaiza amin’izany ny eo amin’ny politika: […]
Par Taratra sur 28/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Voaloham-pahendrena ny tahotra. Tahotra mampanatona io: an’Andriamanitra, ohatra; eny, na ny vahoaka aza. Inona na iza no mampatahotra? Misy koa ny tahotra mampandositra amin’izay fantatra izao fa loza, ohatra. Na mampanatona izany ny tahotra, na mampandositra fotsiny izao. Nefa misy ny tahotra tsy hita be ihany: sarin-tahotry ny saro-tahotra? Tsy fantatra hoe inona na iza […]
Par Taratra sur 27/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Tapitra ihany ny volana mey. Nahamay tokoa teo amin’ny lafiny politika. Lasa resaka be ny hoe misy mikasa hanongam-panjakana, voizin’ireo gazety manohana ny fitondrana. Manaraka ho azy ny fisamborana sy ny antsojay samihafa. Ny mahafinaritra, ho faranana amin’ny fanamarihana ny fetin’ny reny ity volana nampatahotra ity. Iza tokoa no tsy mba hahatsiaro ilay nitondra biby […]
Par Taratra sur 26/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Tsy milamina be ihany ny tany sy ny fanjakana: tsy marin-toerana, tsy tony. Ratsy izao fiainana izao? Na ny toe-draharaha… Tsy fantatra intsony izay marina sy diso amin’izay re sy voalaza etsy sy eroa: lainga, tsaho, fandrebirebena… Tsy hita na tsy misy izay tena to teny? Inoana izay lazaina, tanteraka na tanterahiny. Na izay lazain’ny […]
Par Taratra sur 25/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Niezinezina ny fanambarana sy ny fiantsoana ny vahoaka, ny alatsinainy teo, fa hatao tanàna maty Antananarivo. Tonga ny maraina, revo amin’ny asa aman-draharahany ny rehetra ary tsy nisy nihevitra sy nanaraka ilay fanambarana akory. Velona ny antsoantson’ny mpivarotra sy ny reseveran’ny taxi-be hiakatra ny Renivohitra. Nisokatra avokoa ny tsena rehetra sy ny sampandraharaha isan-karazany. Dia […]
Par Taratra sur 23/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Fanakorontanana, fanonganam-panjakana… Efa ho lava, saika isaky ny mihetsika: impolo kely, injato… Tena misy? Na marina… Misy tsy taitra intsony na tsy miraharaha, ao ny manontany tena. Ahoana ihany ny fifandraisan’ny vahoaka sy ny mpitondra: mifampitoky? Na efa maina ny ravi-nihinanana, raha niara-nihinana. Kibo mitsara tena ny tsirairay, na tsaraina amin’ny kibony. Tena lohalaharana sy […]
Par Taratra sur 21/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Tato ho ato, sesimontotra ny karazana fanasana atidoha afitsoky ny sasany. Fomba fiady? Na hany mbola azo atao aloha izao… Samy apatrapatraka avokoa ny hoe fitiavan-tanindrazana, fiaraha-miasa, fanarenam-pirenena, fiantsorohana andraikitra, fahatsiarovan-tena, filana fitoniana… Efa zary tsianjery, na misy ny tsy mijery. Aiza ho aiza tokoa ny tena iainana? Izay hita sy mazava, tsy mila aseho […]
Par Taratra sur 19/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

« Valala iray aza ifanapahana », hoy ny ohabolan’ny ntaolo. Mariky ny fifampitsinjovana izany. Fahendrena noho ny fandinihana ny tontolon’ny fiarahamonina io. Ao anatin’izany avokoa na fahaizana na fahalalana na fanabeazana. Mby aiza izany ankehitriny ? Toa tsy hita taratra eo anivon’ny fiarahamonina malagasy intsony. Fianakaviana samy maka ho azy sisa mandrafitra ny fiaraha-miaina eto Madagasikara. Noho ny […]
Par Taratra sur 18/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Nafampana ny toe-draharam-pirenena tamin’iny herinandro lasa iny. Raha, sanatria, mbola nanjavozavo tamin’ny mpitondra ny fahantrana lalim-paka iainan’ny vahoaka, nataon’ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana, Ban Ki-moon, nibaribary izany, nandritra ny fandalovany teto. Na tsy ho hitan’ny masontsika aza, inoana fa mba nanongo tena ihany ireto voatsindrontsindrona… Soa fa nisy iny fetin’ny Pentekosta iny, nisentoana kely. Miserana […]
Par Taratra sur 17/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

« Fa ataon’ialahy ho kilalao angaha izao, tsy aina va re ity no ihomehezan’ialahy isany? » hoy Rainimanonja 16 Vtra, kentsonkentsona fa namboarin’ny dokotera vazaha orona. Tsy nahita avaly tamin’ny fakana am-bavany azy teo Analakely izy, ka zary fihomehezana. Raikitra ny hoe: « Aina ity, hoy Rainimanonja« , nony nirava ny vahoaka. Anisan’ireo manambonahitra 20 mahery nikomy na nanangana […]
Par Taratra sur 14/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Pentekosta izao, fahatsiarovana ny firotsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny mpianatry ny Tompo, araka ny finoana kristianina. Mby aiza ny tsirairay? Na ny tena… Ao ve? « Efa nandray ny Fanahy Masina ve ianareo fony vao nino? » hoy ny Apostoly Paoly tamin’ny mpianatra tany Efesosy. « Dia novalian’ireo hoe: Tsy renay akory aza fa misy ny Fanahy Masina. » (Asa […]
Par Taratra sur 13/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Tandremo, sao tsy mifankahazo ny resaka. Tsy mitovy fa tena mifanao atsimo sy avaratra ny ny hoe tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny tombontsoa ambony noho ny firenena. Hatramin’izay, saika resaka fotsiny ny hoe tombontsoa ambonin’ny firenena, fa manjaka hatrany ny tombontsoa ambony noho ny firenena. Mbola mibahan-toerana ihany ny tombontsoa ambony noho ny firenena amin’izay […]
Par Taratra sur 11/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Hatramin’izay ka hatramin’izao, nahazo ny haja sahaza azy avokoa ny vahiny nitsidika an’i Madagasikara. Tsy toetra vao noforonina taty aoriana io fa efa nananan’ny razambe tany aloha. Tantara efa niseho teto amin’ity firenena ity ny fitsenana makotrokotroka ireo vahiny hizarazara an’i Madagasikara sy hambabo ny fananany ary hamotika ny fiandrianam-pirenena malagasy… Satria izay ilay mahay […]
Par Taratra sur 10/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Mafampana indray ny toe-draharaha eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Mananontanona indray mantsy ny mety hisian’ny savoritaka ara-politika. Efa nanambara ren-tany ren-danitra mantsy ny mpifanandrina amin’ny fitondrana fa ho avy tsy ho ela, ary haka ny fitondrana. Tsy ho vita mora nefa izany fa tsy maintsy hiaro ny fanjakana sy ny fahefana eo am-pelatanany ny tomponandraikitra […]
Par Taratra sur 09/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Hitrangan-javatra maromaro ity herinandro ity. Eo ny fitsidihana amin’ny fomba ofisialy hataon’ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana (ONU), Ban Ki-moon. Hitondra inona amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Na hanaitra ny mpitondra amin’izay be mila atrehina, tokony himasoana… Eo ny tsy fandriampahalemana: na amin’ny filaminana ankapobeny, ohatra, na ny tsy fahampian-tsakafo,… Ny amin’ny fanajana ny zon’olombelona, na ny amin’ireo […]
Par Taratra sur 07/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

« Migorobaka hatrany an-tampon’ny fitondrana any ny lainga« , hoy ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, farany teo. Izay mandainga any am-boalohany amin-javatra iray, voatery mandainga hatrany. Mandra-pivoahan’ny marina izany, na mandra-pahadino na tsy iraharahana azy intsony. Tsy maintsy manana fitadidiana be zary tsianjery ny mpandainga, mila manamarina hatrany ny lainga ataony sy lazainy. Hafa ny marina, tsy mila […]
Par Taratra sur 06/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Niteraka toe-javatra ary fihetsehana mihitsy teto amin’ny tanàna ny loza nateraky ny taxi-be, ny herinandro teo, ireny. Ny fanjakana, izay natoritory hatramin’izay aza, nifoha tamin’ny torimasony, namangy ireo niharam-boina sy tra-pahoriana, namoaka sazy, sns. Izany hoe, raha tsy nisy iny toe-javatra iny, tsy nisy ny fepetra noraisina amin’ny afitsik’ireo fiara fitaterana? Tsy ny fanjakana ihany […]
Par Taratra sur 04/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Nomen’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny prefektioran’ny polisy alalana ny hetsika hataon’ny olon-tsotra maromaro hampiharana ny lalàna sy hanatsarana ny fifamoivoizana eto amintsika, rahampitso 5 mey. Efa nahazo alalana toy izany koa ny vondron’ny sendikà ny 1 mey teo teny amin’ny kianjan’Alarobia. Ho an’ny rahampitso, nankatoavina sady nomena alalana ny fiaingana eo Ankorondrano, miafara eny […]
Par Taratra sur 03/05/2016
Edito Taratra, NS Malagasy

Raha vao misy tranga miseho, toa miitatra hatrany izany fa tsy mety tapitra. Ho an’ny fanamarihana ny fetin’ny asa, 1 mey, mivily lalana any amin’ny fisamborana olona ny raharaha. Fanahiana korontana sa tahotra amin’ny fihozongozonan’ny seza ? Izay mihetsika, voapaingotra hatrany. Mbola mety hiitatra toa sima misioka ity hetsiky ny Afo sendikaly ity, izay atahorana ho […]