Flash
Préc Suiv

Edito Taratra

Vita ihany

Vita ihany

Isan’ny volana manahirana ny janoary. Toa lasa lava noho ny hafa izy io noho ny fandaniana natao nandritra ny fetin’ny faran’ny taona. Matetika koa, ratsy ny andro ka mahatonga ny fiakaran’ny rano, manaraka koa ny vidin-javatra. Tamin’ny taon-dasa, ohatra, sarotra ny nahita  saribao ary nirehitra mihitsy ny vidiny. Soa fa tsy niverina ny orambe tsy […]

Mihatra ny loza

Mihatra ny loza

Loza iray, loza roa, loza tsy mety voafehy fa mamely isan-taona. « Tora-bato avy any an-danitra io », hoy ireo tsy te hisaina lavitra. Ekena fa loza voajanahary tokoa ity mamely mafy ny mponina any avaratry ny Nosy ity. Tsy ny any avaratra ihany fa hatrany atsimo koa, saingy ny fisehony no tsy mitovy. Ny voalohany tondradrano, ny […]

Ny hamisavisana ny soa, hialan’ny ratsy… 

Ny hamisavisana ny soa, hialan’ny ratsy… 

Ny hamisavisana ny ratsy, hiavian’ny soa. Mahazatra izay, mampahazo vahana ny fanahiana aza. Raha ny toe-draharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka ankehitriny, maso miara-mahita: be lavitra noho ny tsara ny ratsy, tsy hita hotanisaina? Ny fandio iray siny, hono, tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka. Vao mainka izay fandio iray tandroka hahaleo ny fandoto iray siny, raha […]

Alahelon’ny vahoaka, ala olan’ny mpitondra…  

Alahelon’ny vahoaka, ala olan’ny mpitondra…  

Alahelon’ny vahoaka eto Antananarivo Renivohitra, am-bodivilany feno arina sady Renivohitr’i Madagasikara, ny fako sy loto. Ekena, na eo aza ny hoe fanadiovana sy fandaminana ny moron-dalana mbamin’ny fifamoivoizana. Mbola izay talaky maso ihany no ihetsehana. Hafa ny any anaty tanàna: loto tsy loto, fako tsy fako, fofon-dratsy tsy fofon-dratsy… Tsy vitan’izany, tsy rivotra iainana ihany […]

Miaiky aho izay !!!

Miaiky aho izay !!!

Vaovao lehibe, tany Frantsa afakomaly, ny fametraham-pialan’ny minisitry ny Fitsarana, Christiane Taubira. Toy ny vara-datsaka, teo amin’ny ankamaroan’ny mpanara-baovao, izao fanapahan-keviny izao, noho ity ramatoa ity manana ny lazany sy ny toerany (anisan’ny andrarezin’ny hery ankavia, tao amin’ny antoko sosialista), tsy tao anatin’ny governemantan’ny praiminisitra Manuel Valls sy ny fitondran’i François Hollande  ihany fa eo […]

Bedy lava

Bedy lava

Mety hoe fanaitairana ny fitondrana no nitondran’ny masoivoho amerikanina ny kabariny, saingy rehefa dinihina tsara, fibedesana indray izany. Bedy satria miraviravy tanana amin’ny resaka kolikoly. Bedy satria mitazam-potsiny ny mpanondrana andramena. Izay aloha no tena nisongadina, saingy tsy izay ihany no efa nibedesan’ireo firenena matanjaka ny mpitondra malagasy. Fa nahoana moa izy ireo no mibedy? […]

Tsy sahy milaza ny marina

Tsy sahy milaza ny marina

Asa na mitady ho tapitra, na iniana taperina ny « série » kidnapping momba an’i Toamasina fa hita ho mifanilikilika, manafinafina tsy sahy milaza ny marina ireo tompon’andraikitra samihafa mandray an-tanana ity raharaha ity. Samy manana ny filazany rehetra rehefa mamory ny mpanao gazety, ary ferana ihany ny zavatra tokony holazaina. Nanao ny azy ny mpitsara, ny […]

Samy miaina amin’ny toerany ny rehetra

Samy miaina amin’ny toerany ny rehetra

Ny itsitokotokoan’ny loha, ny hevitra tsy mitovy! Samy manana ny fandraisany ny zava-miseho eto amin’ny firenena, ankehitriny, ny rehetra. Naharay fitarainana maro mikasika ny fifidianana loholona farany teo, ohatra, ny HCC, saingy nopasopasohina ny fanazavana ka navoaka ofisialy ihany ny voka-pifidianana. Tsy nisy niova ireo lany tamin’ny vokatra vonjimaika. Novonjivonjena maimaika mba hialana amin’ny adihevitra […]

Fahamarinan-toeran’ny fiainam-bahoaka amin’izay

Fahamarinan-toeran’ny fiainam-bahoaka amin’izay

Isa, roa… Roa taona katroka izao ny fitondrana. Mby aiza? Tsy nitsahatra niady sy nitady fahamarinan-toerana sy fitoniana politika ny fitondram-panjakana. Izay no hoe antoka amin’ny fanarenam-pirenena sy fampandrosoana. Tsy afa-manoatra amin’izay fanarenam-pirenena sy fampandrosoana izay, fa hoe tsy misy ny fahamarinan-toerana sy fitoniana hahazoana miasa? Na sanatria ny tsy fiasana no fototra sy fositra […]

Ny marina, ary ny marina ihany…

Ny marina, ary ny marina ihany…

Andrasana ny marina momba ny raharaha fakana an-keriny sy fanaovana takalon’aina ireo ankizy roa, efa maty ny iray, tany Toamasina. Naiditra am-ponja vonjimaika ilay mpitsara hoe anisan’ny voarohirohy amin’izany. Tena azo antoka tanteraka fa hamita hatramin’ny farany izao raharaha izao ny mpitondra na ny fahefana mpanatanteraka? Na misy aza ny fitsabahana toy ny fampiakarana aty […]

Mamely ny anatiny sy ivelany

Mamely ny anatiny sy ivelany

Tsy niomana? Saro-pantarina ny hamantarana ny avoaky ny ampitso. Misy koa anefa ny fiteny hoe “mila mahay miomana rehefa mitantana”. Mety hisy ny hiteny hoe “tsy mora ny mitantana”, mainka fa hoe raharaham-pirenena, fa aoka tsy hohadinoina fa andraikitra nekena izany. Amin’ny zava-drehetra, tsy maintsy misy ny mamy sy ny mangidy, ny soa sy ny […]

Mianoka amin’ny tsy fahaizana…

Mianoka amin’ny tsy fahaizana…

Eo amin’ny fanatanjahantena. Tsy mazava ary mbola manjavozavo amin’ny besinimaro ny fomba fitantanana sy ny politikam-pampandrosoana eo amin’ny fanatanjahantena malagasy amin’ny ankapobeny. Tsy hita soritra mihitsy aloha, hatreto, izany fampandrosoana izany. Tsy hay intsony koa na mahafehy ny asany amin’ny maha mpitantana sy mpiahy ary mpifehy izany fanatanjahantena eto Madagasikara izany ireo olona napetraka eo […]

Ampahantrao hanjakana !

Ampahantrao hanjakana !

Manan-karena, hono, i Madagasikara. Reharehan’ny mpitondra ny miventy izany fa toy ny eso, kosa, ho an’ny vahoaka malagasy, izay tompon’ity Nosy ity. Mipoapoaka ao an-tsofiny fotsiny ny vola amina miliara, hetra sy ampaham-bolam-panjakana avy amin’ny fitrandrahana ireo harena ireo fa tsy mihatra mivantana sy mivaingana amin’ny fiainany. Mateti-pitranga koa, lasan’ny vahiny, tsy misy fanazavana na […]

Efa voa vao mihilana…

Efa voa vao mihilana…

Ny loza tsy mampandre raha ho avy ! Saingy raha ny eto Madagasikara, tsy dika fa mamely isan-taona ny oram-pahavaratra, loza voajanahary isan-karazany toy ny rivodoza miteraka tondra-drano. Tsy manampoka intsony ny loza fa efa mandindona mandavantaona. Ny mahavariana anefa, efa antomotra ny fotoam-pahavaratra, mba tsy hilazana hoe efa miantefa, vao mikoropaka mitady izay vahaolana  hiatrehana […]

Minia mikipy sa tsy te hahalala ?

Minia mikipy sa tsy te hahalala ?

Manahy ny tompon’andraikitry ny Jirama any Fianarantsoa fa hai-trano niniana natao no nahamay ireo birao anankiroa any an-toerana, ny herinandro lasa teo. Voalaza fa efa mandeha izao ny fanadihadiana mikasika izany ka ho hita eo ny fizotrany. Fa raha dinihina ny zava-misy amin’ny ankapobeny, tsy mahagaga mihitsy raha hitombina ny ahiahin’izy ireo. Mandraka ity mantsy […]

Ny tsinay, homana aty; ny tompony, mangataka atiny… 

Ny tsinay, homana aty; ny tompony, mangataka atiny… 

Ahoana ihany izy ity? Na ny fiainam-pirenena io, na fiainam-bahoaka. Tsy hita be ihany! Ny tompony, mangataka atiny. Tsy iza fa ny vahoaka: « Ny mpitondra no mitondra, ny vahoaka », hoy i Ombalahibemaso izay. Avy amin’ny vahoaka ny fahefana izay ampindraminy ny mpitondra. Na efa namidin’ny tompony aza ny omby na ondry, mendrika homena azy ny […]

Te hoderaina ka mideradera… 

Te hoderaina ka mideradera… 

Mahomby amin’ny asany, araka izay andrasana sy takin’ny vahoaka aminy, ve izao fitondrana izao? Eo ny tsirairay hitsara, raha miova ho amin’ny fahatsarana sy fahamorana kokoa noho ny teo aloha ny fiainana andavanandro. Ny mahavariana sy mahavalalanina, mihamaro sy mivandravandra ny fisian’ny mpisolelaka na mila ranondranony tato ho ato. Fitondrana mahomby sy mahavita zavatra izany […]

Miandrandra fararano…

Miandrandra fararano…

Ny rano aloha dia misy, ary mbola ho lavitra izay ho farany… Miakatra manaraka ny ranon’i Sisaony sy Ikopa ny vidin-javatra rehetra eny an-tsena. Ny rehetra mihitsy! Ny hena, taloha aza tsy taka-bidy, mainka ny amin’izao fotoana izao. Ny vary, efa mahazatra ny fisondro-bidiny rehefa fahavaratra. Na ny anana filaofan’ny sahirana aza, simban’ny orana sy […]

Nanonofy izy

Nanonofy izy

Miditra amin’ny herinandro fahatelo amin’ny volana voalohan’ny taona 2016 sahady isika. Mihazakazaka ny fandehan’ny andro, tsy hitahita akory, efa hisasaka sahady izy ity. Tao anatin’izany firimorimon’ny fiainana izany, resin-tory ity vahiny iray ka nanonofy. Hafahafa ilay izy, satria nanonofy nahita firenena kely iray mitokana, voahodidin’ny ranomasina. Tsara tarehy ny tanàna, ary miaina am-pilaminana ny mponina […]

Intelo taom-baovao ?

Intelo taom-baovao ?

Tsy vazivazy io fa tena marina ! Intelo manamarika ny taom-baovao ny Malagasy. Ny iray, ilay 1 janoary itambarana amin’ireo manaraka ny kalandrie gregoriana. Na io anarany io fotsiny aza efa ampy hanekena fa tsy an’ny Malagasy ny 1 janoary. Ny faharoa sy fahatelo, ireo « hono » no tena an’ny Malagasy. Tsy mariky ny filazana zavatra tsy […]

Aleo mifanena amin’ny mpamosavy

Aleo mifanena amin’ny mpamosavy

Aleo, hono, mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga. Zava-doza ny lainga: mora atentina, fa sarotra ialana. Toy ny vary aloha: mahafatra-po fa tsy mahavita taona. Toy ny salaka, ny tompony ihany no afatony. Hehezin’ny akoho tokana anaka ny lainga marivo tototra. Inona no itanisana izany eto? Mampandainga ny zava-misy: sanatria, zary rivotra fohina […]

Manantena ny vahoaka, manahy tena ny mpitondra…

Manantena ny vahoaka, manahy tena ny mpitondra…

Faran’ny omby, hena; faran’ny teny, ifanatrehana. Kabary, zato; teny, arivo. Iray ihany ny marina: iaraha-mahita ny asa vita. Mby aiza? Manantena ny vahoaka, fa be izay fanamby izay: hanorina an’itsy, hanarina an’iroa. Tsy misy fandaharanasa ratsy, fa ny tsy fanatanterahana azy… Mahavelona ny fampanantenana sy ny fanantenana, saingy mandreraka sy mamono rehefa efa ho lava […]

Rabefika etsy, Rabefika eroa…  

Rabefika etsy, Rabefika eroa…  

Rabefika… Tsy iza fa Rabefikasana. Be loatra ny fikasana hanorina an’itsy, hanarina an’iroa. Very anarana hoe Rabefika amin’izany izy, fa tsy firy na tsy misy tanteraka izay fikasana… lainga sy fitaka, fampandriana adrisa. Tanàna tsy ilaozan’adala, hoy ny fitenenana. Tsy ilaozan-dRabefika koa ny tanàna, ny tany sy ny fanjakana. Tsy vitan’ny hoe be fikasana Rabefika […]

Miandry kabary

Miandry kabary

Fako sy fihinanambe. Ireo lohahevitra roa mifangarika kanefa mifameno ireo indray izao no malaza sy be mpiresaka indrindra. Hotontosaina rahampitso tokoa mantsy ilay lanonam-panjakana, ho fifampiarahabana noho ny taona vaovao, eny Iavoloha. Andro vitsivitsy izay, nandeha ny fifanentanana anatin’ireny tambajotra sosialy ireny, mba hanaovana hetsika hanafoanana izany. “Mandatsa ny vahoaka, miaina anaty fako sy milomano […]

Mbola mitoetra ny fakompakony

Mbola mitoetra ny fakompakony

Efa tapitra ny fe-potoana napetraky ny tomponandraikitra hanesorana ny fako eto an-dRenivohitra. Ny zava-misy anefa, mbola misavovona saika manerana ny tanàna ny fako. Mantsina ny rivotra iainana, ny orana rahateo mbola mitohy mirotsaka. Variana amin’ny inona ny tomponandraikitra ? Mbola mitoetra ary iainana ny fakon’ny taona 2015. Mijanona ho ambony latabatra hatrany aloha, hatreto, ny fitsinjovana […]