Flash
Préc Suiv

Edito Taratra

Raikipohy tsotra tsy takatry ny be diplaoma

Raikipohy tsotra tsy takatry ny be diplaoma

Tontolo roa goavana indrindra sady anisan’ireo antoka ahafahana mampandroso firenena iray ny kolontsaina sy ny fanabeazana. Ho an’ny mpanjanatany, tsy misy zavatra hafa eo alohan’ireo. Ho an’ny tany zanahina na voazanaka kosa, ialohavana toekarena sy politika ny resaka kolontsaina sy fanabezana. Tsy takatry ny be diplaoma, hono, io raikipohy mifamadika io, ka izay no mahatonga […]

Vahoaka tsy matoky mpitandro filaminana sy fitsarana 

Vahoaka tsy matoky mpitandro filaminana sy fitsarana 

Tany sy fanjakana tan-dalàna. Fanambin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao io. Mby aiza? Hatramin’izao, mampahatsiahy izany hatrany ireo mpamatsy vola. Anisan’ny fepetra takiny ny hoe tany sy fanjakana tan-dalàna. Nefa anisan’ny tsy manaja izany voalohany ny mpampihatra lalàna. Vao nampahatsiahy ny afitsoky ny mpitandro filaminana eto Madagasikara ny Amnesty International, araka ny tatitra taona 2016/15, tamin’ny […]

Na manahy olona, na ahiahin’ny olona…

Na manahy olona, na ahiahin’ny olona…

Mifarana indray ny volana. Mby aiza? Na ny raharaham-pirenena, ny fiainam-bahoaka… Tsy hita be ihany. Akondro mahia misy masaka, saro-dazaina amin-kavana. Na boka mihalo-poza izay mihetsika amin’izao, manosika azy hiverina. Tena mitondra fahamarinan-toerana politika ve ny fijoroan’ny Antenimierandoholona? Tsy hita fiafara ny fifanarahana andraikitra eo amin’ny Antenimierampirenena sy ny filohan’ny Repoblika. Mbola amin’izany ihany ve […]

Tsy mahalala maty sy velona  

Tsy mahalala maty sy velona  

Tsy fahampian-tsakafo, kere, mosary… Malaza izany, na nangingina aza taorian’ny atrikasa tany atsimon’ny Nosy, herinandro lasa. Tsy any ihany… Lasa resaka any amin’ny faritra hafa ny fahasahiranan’ny vahoaka ifotony… mahafaobe. Ny any atsimo, miverimberina noho ny tsy fahampian’ny orana sy ny rano ho an’ny olona, biby fiompy, fambolena. Ny amin’ny faritra hafa, mitohy sy mandavantaona […]

Hazo poak’aty fotsiny

Hazo poak’aty fotsiny

Nafotaka tato ho ato ny fambolena zana-kazo. Ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny ala aza nanao hetsika niavaka mihitsy. Zana-kazo andramena no natsatony niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy. Toa fomba nentina nanakonana ihany ny fanisana ny bolabola etsy sy eroa izay ela vao vita na teo aza ny fanampian’ny Banky iraisam-pirenena, ara-bola, hanaovana ny asa. […]

Tsy lefy, tsy resy…

Tsy lefy, tsy resy…

Mbola ho ela angamba. Tsy tena mbola tafarina ary mbola miaina tanteraka anaty fahantrana ny firenena malagasy ankehitriny. Eny, fa na efa tafajoro nandritra ny roa taona aza ny Repoblika fahefatra. Inona marina lehiretsy no mampihisatra ny fampandrosoana eto amin’ity Madagasikara malalantsika ity a? Raha ny hita maso sy ny azo tsapain-tanana aloha, tsy mbola […]

Tsy misy takona izay tsy hiseho

Tsy misy takona izay tsy hiseho

Asakasaky ny mpanao ratsy e ! Hoy mantsy ny fitenenana manao hoe : « tsy misy miafina izay tsy hitranga, na takona izay tsy hiseho». Voasambotry ny mpitandro filaminana ihany, na nisitrika sy niafina, nandritra ny iray volana teo ho eo aza izay, ilay vehivavy nalaza ratsy, voarohirohy amin’ireny « Raharaha fakana an-keriny » zaza mianadahy, tany Toamasina, ireny.  Nahabe […]

Mba tsy ho kobaka am-bava fotsiny

Mba tsy ho kobaka am-bava fotsiny

Natao ny fihetsiketsehana rehetra tany atsimon’ny Nosy, nitadiavana vahaolana hanafoanana ny krizy. Nanao be midina ny mpikambana ao amin’ny governemanta nampiseho fa miara-misalahy amin’ny famahana ny krizy any an-toerana. Tsy tany kosa, ny filoham-pirenena na ny praiminisitra nanisy lanjany iny hetsika nolazaina fa fihaonambe iny. Nipoapoaka ny tatitra nilaza fa samy nandray izay tandrify azy […]

Mosary… moa sarin’ady?  

Mosary… moa sarin’ady?  

Tsy fahampian-tsakafo sa mosary na kere ny any atsimo? Tsy any loatra ny olana na adihevitra. Inona ny vahaolana? Na maika io, na maharitra. Mila jerena akaiky izay, tanterahina, tohizana. Tsy fisehoana hoe mijery sy manao zavatra izany, tsy vonjy tavanandro, tsy fialana bala. Fa tena fahatapahan-kevitra, fahasahiana, finiavana, fahavononana: asa haingana sy mivaingana. Moa […]

Mifaningo-paka ny tany, ny teny, ny tena…

Mifaningo-paka ny tany, ny teny, ny tena…

21 febroary rahampitso. Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny na tenindrazana indray… Ny nahatonga izay Andro iraisam-pirenena izay? Ho fahatsiarovana ireo mpianatra maty notifirin’ny polisy tany Dacca, Renivohitr’i Bangladesh ankehitriny. Nitaky ny fampiasana ny tenindrazany, ny bengali, izay nambara ho tenim-pirenena faharoa tany Pakistan ireo mpianatra tany an-toerana. Fitiavan-tanindrazana ny ady ho an’ny tenindrazana, mila isiana […]

Miatrika fanadinana ny mpitondra

Miatrika fanadinana ny mpitondra

Hadiva ho tapitra ny telo volana faharoa ho an’ny fampianarana. Hanomboka amin’ny volana marsa ny fanadinana, hitsapana ny ezaka vitan’ny tsirairay. Tsy afa-miala amin’izany koa ny fanjakana fa hotsapain’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena aorian’ny volana marsa ho avy io. Nanomboka tamin’ny volana oktobra ny fanomezana ny lesona tsy maintsy ianarana. Raha ny kabary sy fahaiza–miresaka aloha, mahay […]

Andriamanitra miangatra ?

Andriamanitra miangatra ?

Miangatra Andriamanitra… Dibo-drano ny tany avaratra, avaratra andrefana ary eto afovoan-tany. Any amin’ny tapany atsimo kosa, maina ny tany, mihantona ny orana, tsy misy ny sakafo… mba toy ny ahoana aza ity Madagasikara ity raha jerena avy eny an-danitra? Sao milentika anaty rano ny tendrony avaratra ary miakatra manakaiky masoandro kosa ny tendrony atsimo? Ny […]

Madagasikara, ho an’ny Malagasy ?

Madagasikara, ho an’ny Malagasy ?

Izay mihitsy ! Mampihetsi-po sy mamelombelona ny fitiavan-tanindrazana tokoa io hiran’i Naly Rakotofiringa io : … Madagasikara, ho an’ny malagasy… Azo sary an-tsaina ny firedaredan’ny faniriana tao amin’ny mpanoratra, tamin’ny fotoana nanoratany azy. Faniriana lalina ny hahatafita soa ny Malagasy : hiadana sy ho finaritra eo amin’ny tany efa nomen’Andriamanitra azy. Indrisy anefa… Zary lasa fanontaniana io firariana […]

Samy manana ny adiny…

Samy manana ny adiny…

« Ady ny fiainana », hoy ny lohatenin-kiran’i Voahangy izay. Izay tokoa amin’ny lafiny maro. Voambolana toa zary mahazatra ny sofina ity hoe « ady » ity. Ady fiadin’ny mpanao politika ny fitadiavana tombontsoa ho an’ny tenany aloha. Ampiasaina amin’izany ny anaran’ny vahoaka izay tsy mahafantatra akory izay tena fomba fiadin-dry zalahy. Miahiahy adim-poko, ohatra, ny Sakalava, raha naneho […]

Lamoka lamokany ny vahoaka

Lamoka lamokany ny vahoaka

Aleo hazava sao tsy mifankahazo ny resaka: leo sy tofoka ny hoe lamoka, ary izay tsy foy sy tsy tanteraka hatramin’ny farany ny lamokany: lamokan’atody, lamokan’olona, lamokam-paty izay mamo tsy mahatsiaro tena, lamokan-torimaso izay torimaso tsy vanona na fohy loatra… Inona no itanisana izany eto? Lasa adihevitra be ny amin’ny hoe « Manotrika atody lamokany » navoakan’ny […]

Ny vahoaka aloha vao vahiny… 

Ny vahoaka aloha vao vahiny… 

Hisy amin’izay ny hoe fahamarinan-toerana politika? Efa hitsangana avokoa izao ny andrimpanjakana rehetra, fa mandamin-javatra betsaka ny amin’izany ny fijoroan’ny Antenimierandoholona. Na izany aza, eo ihany ny ahiahy tsy ihavanana: tena hampiorina fitoniana ve izany? Mila fampihavanana ny raharaha. Lazain’ny mpitondra rahateo fa fototry ny fampandrosoana ny fihavanam-pirenena. Sanatria, mbola hifandroritana indray ny amin’izay hoe […]

Asa fampihorohoroana !

Asa fampihorohoroana !

Asa fampihorohoroana tsy tahaka ireny fahita any ivelany ireny, toy ny niseho tany Frantsa, na Etazonia, na ny fahita amin’ny televiziona any amin’ireo firenena arabo, ny miseho eto amintsika, fa asa fampihorohoroana hafa kely. Hafa kely satria ny jiolahy no mampihorohoro, kanefa mety misy koa ny mpaniraka hampihorohoro? Raha zohiana aloha ireny zavatra niseho tany Toamasina […]

Ny lasa, (tsy) fanadino

Ny lasa, (tsy) fanadino

Hotsarovana amin’ity anio ity ny faha-41 taona nahafatesan’ny Jjneraly Ratsimandrava Richard, filoham-pirenena malagasy, tamin’izany fotoana izany. Raha tsiahivina fohy, herinandro ny nitondrany ny firenena dia lavo izy. Notifirin’ny fahavalom-pirenena, teny Ambohijatovo, rehefa iny hamonjy ny trano fonenany iny. Ny lasa, tsy fanadino satria nanamarika ny tantaram-pirenena izany. Izy mantsy no filoham-pirenena, voalohany nisy namono teto […]

Vitsy mikitrana irery…

Vitsy mikitrana irery…

Fiteny mahazatra ny hoe: ny vy, tsy mikitrana irery. Ilazana ny ady, misy antony fa tsy tongatonga ho azy na mandeha irery io: matoa misy ady, misy ankolafiny roa mifanohitra sy mifanandrina ao. Fa mety misy ny hoe vitsy mikitrana irery: miady irery, mitabataba irery… Amin’izany, mety misy mpihaino na tsia. Tsy karazan’ny vitsy mikitrana […]

Tsy mahagaga ry zareo raha mandroso

Tsy mahagaga ry zareo raha mandroso

Nanamarika ny taom-baovaony ry zareo Sinoa. Tsy tao Sina ihany fa naneran-tany mihitsy, raha mbola toerana nahitana Sinoa, nahitana totorebika avokoa. 9 amin’ny Sinoa 10 latsaky ny 25 taona, mahay momba ny tontolon’ny kung-fu avokoa. Izay toerana malalaka rehetra ao amin’ny tanàna iray any Sina, saika natokana hanaovana qi Gong avokoa. Tafiditra anisan’ny taranja ampianarina […]

Mba tsy hampisy fitoniana ny fahasahiranam-bahoaka…

Mba tsy hampisy fitoniana ny fahasahiranam-bahoaka…

Haintany sy kere any atsimo, tondra-drano any avaratra… Inona koa? Tsy fandriampahalemana: tsy an-tanàn-dehibe, tsy ambanivohitra. Eo koa ny tsy fisian’ny asa, ny saritaka lava eto an-tampon-tanàn’ny Renivohitr’i Madagasikara amin’ny fandaminana sy fanadiovana: fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana, fivangongoan’ny fako… Manampy trotraka ny ady tany etsy sy eroa. Inona no itanisana izany? Tsy misy zava-baovao. Ny […]

Minia jamba mijabajaba an-jambany…

Minia jamba mijabajaba an-jambany…

5 febroary omaly, 7 febroary rahampitso. Tantara avokoa izany, raha itodihana ny omaly ary banjinina ny rahampitso. Faha-41 taon’ny nandraisan’ny kolonely Ratsimandrava fahefana tamin’ny jeneraly Ramanantsoa, ny 5 febroray 1975, omaly; ary  fahafito taon’ny nisian’ny fitifirana mpanao fihetsiketsehana teo anoloan’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra, ny 7 febroary 2009, rahampitso. Tena misy ve izay hoe fitodihana ny lasa […]

Tsy hiamboho adidy…

Tsy hiamboho adidy…

« Tsy hiamboho adidy aho, mon général.» Tenin’ny kolonely Ratsimandrava Richard izany tamin’ny nanendren’ny filoham-panjakana sady lehiben’ny governemanta, Ramanantsoa Gabriel, azy hitondra ny tany sy ny fanjakana. 41 taona katroka anio 5 febroary io fifanolorana fahefana teo amin’ny roa tonta io. Tenim-pahendrena izany, ary feno fahatokisana sy fahavononana eo amin’ny andraikitra natolotra. Nampiavaka ity kolonely sady […]

« Miala ilany »…

« Miala ilany »…

Asa, inona ihany ny mbola andrasan’ny fitondrana tsy hanamboatra ny governemanta na hanolo ireo minisitra tsy mahavita azy amin’izao fotoana izao. Teo aloha teo, nandeha be ny resaka amin’ny hoe tsy maintsy hirosoana ny fanamboarana ny governemanta. Efa tafajoro rahateo koa io ny Antenimierandoholona. Io mantsy ny hoe nandrasana. Izao ka hoe mbola mpisolo toerana […]

Vita ihany

Vita ihany

Isan’ny volana manahirana ny janoary. Toa lasa lava noho ny hafa izy io noho ny fandaniana natao nandritra ny fetin’ny faran’ny taona. Matetika koa, ratsy ny andro ka mahatonga ny fiakaran’ny rano, manaraka koa ny vidin-javatra. Tamin’ny taon-dasa, ohatra, sarotra ny nahita  saribao ary nirehitra mihitsy ny vidiny. Soa fa tsy niverina ny orambe tsy […]