Flash
Préc Suiv

Edito Taratra

Na sarin’ady na ady sary eo imason’ny vahiny

Na sarin’ady na ady sary eo imason’ny vahiny

Hitrangan-javatra maromaro ity herinandro ity. Eo ny fitsidihana amin’ny fomba ofisialy hataon’ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana (ONU), Ban Ki-moon. Hitondra inona amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Na hanaitra ny mpitondra amin’izay be mila atrehina, tokony himasoana… Eo ny tsy fandriampahalemana: na amin’ny filaminana ankapobeny, ohatra, na ny tsy fahampian-tsakafo,… Ny amin’ny fanajana ny zon’olombelona, na ny amin’ireo […]

Lainga avadika ho bainga voavadika…

Lainga avadika ho bainga voavadika…

« Migorobaka hatrany an-tampon’ny fitondrana any ny lainga« , hoy ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, farany teo. Izay mandainga any am-boalohany amin-javatra iray, voatery mandainga hatrany. Mandra-pivoahan’ny marina izany, na mandra-pahadino na tsy iraharahana azy intsony. Tsy maintsy manana fitadidiana be zary tsianjery ny mpandainga, mila manamarina hatrany ny lainga ataony sy lazainy. Hafa ny marina, tsy mila […]

Taxi-be, mahay maka lesona ?

Taxi-be, mahay maka lesona ?

Niteraka toe-javatra ary fihetsehana mihitsy teto amin’ny tanàna ny loza nateraky ny taxi-be, ny herinandro teo, ireny. Ny fanjakana, izay natoritory hatramin’izay aza, nifoha tamin’ny torimasony, namangy ireo niharam-boina sy tra-pahoriana, namoaka sazy, sns. Izany hoe, raha tsy nisy iny toe-javatra iny, tsy nisy ny fepetra noraisina amin’ny afitsik’ireo fiara fitaterana? Tsy ny fanjakana ihany […]

Fisehoana tsy hita maso

Fisehoana tsy hita maso

 Nomen’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny prefektioran’ny polisy alalana ny hetsika hataon’ny olon-tsotra maromaro hampiharana ny lalàna sy hanatsarana ny fifamoivoizana eto amintsika, rahampitso 5 mey. Efa nahazo alalana toy izany koa ny vondron’ny sendikà ny 1 mey teo teny amin’ny kianjan’Alarobia. Ho an’ny rahampitso, nankatoavina sady nomena alalana ny fiaingana eo Ankorondrano, miafara eny […]

Sima misioka, boka mihinan-kitoza…

Sima misioka, boka mihinan-kitoza…

Raha vao misy tranga miseho, toa miitatra hatrany izany fa tsy mety tapitra. Ho an’ny fanamarihana ny fetin’ny asa, 1 mey, mivily lalana any amin’ny fisamborana olona ny raharaha. Fanahiana korontana sa tahotra amin’ny fihozongozonan’ny seza ? Izay mihetsika, voapaingotra hatrany. Mbola mety hiitatra toa sima misioka ity hetsiky ny Afo sendikaly ity, izay atahorana ho […]

Misy manahy tena, ao ny manantena…

Misy manahy tena, ao ny manantena…

Tonga indray ny volana mey, misantatra izany mandrakariva ny 1 mey: fetin’ny asa, fihetsehan’ny mpiasa. Mampafanafana ratsy ny volana mey izay. Ho an’i Madagasikara manokana, saika mafanafana ratsy hatrany ny volana mey. Nanomboka tamin’ny 13 mey 1972 io. Na ny « Raharaha 1991 » aza, nanomboka ny 1 mey koa, ohatra, na tany amin’ny 8 jona aza […]

Mitrakatraka ny loha, miakatrakatra feo sy ny fo…

Mitrakatraka ny loha, miakatrakatra feo sy ny fo…

Ahoana ihany izy ity? Ny raharaham-pirenena io, indrindra ny fiainam-bahoaka. Tsy hita izay fanovana. Novaina ny praiminisitra sy ny governemanta, vao mainka mihamafy sy mihasarotra noho ny teo aloha izay iainana. Inona no antenaina amin’ny governemanta hoe vaovao? Tsy nahomby ny teo aloha ka novaina. Nefa navadibadika fotsiny ny teo. Raha nahomby izany: nahoana no […]

Volana mey mahamay

Volana mey mahamay

Nanomboka ny taona 72, zary lasa tahotra ho an’ny mpitondra fanjakana ny volana mey. Fitokonan’ny mpianatra ho mpitsabo tetsy Befelatanana, niitatra teny Ankatso, nolalaovin’ny mpanao politika, vava tsy ambina nataon’ny rain’ny Fahaleovantena, Tsiranana Philibert ny hoe “tsakisaky zato arivo”, niafara tamin’ny rà mandriaka sy ny fandorana ny lapan’ny Tanàna etsy Analakely no nandrodana ny Repoblika […]

Tetehina hogejaina ny fampahalalam-baovao

Tetehina hogejaina ny fampahalalam-baovao

Tsy fantatra intsony izay tena maika amin’ny governemanta. Ny ady amin’ny fahantrana hoe atao vaindohan-draharaha sa ny fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny serasera sy fampahalalam-baovao? Hodinihina sy holanina amin’ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena, hanomboka ny 3 mey, izany, raha tsy nampiraika izay ela izay. Kisendrasendra? Na misy antony hafa… Tsy lavina, efa ampolo taona no […]

Fampandrosoana sarintsariny !

Fampandrosoana sarintsariny !

Mipoitra etsy, miseho eroa. Miresaka fitiavan-tanindrazana. Miventy fampandrosoana. Ireo rehetra ireo, handamoka raha mbola tsy miainga any amin’ny fototra ny fametrahana azy. Rafi-piarahamonin’ny Malagasy hatrany ambadik’Imanareza io fa tsy vao notefitefena taty aoriana. Tena sarotiny amin’ny momba azy rehetra (taniny, teniny, fombany, taranany…) ny Malagasy fahiny, saingy tsy tazana firy intsony izany noho ny fanaovana […]

Fampandrosoana sarintsariny !

Fampandrosoana sarintsariny !

Mipoitra etsy, miseho eroa. Miresaka fitiavan-tanindrazana. Miventy fampandrosoana. Ireo rehetra ireo, handamoka raha mbola tsy miainga any amin’ny fototra ny fametrahana azy. Rafi-piarahamonin’ny Malagasy hatrany ambadik’Imanareza io fa tsy vao notefitefena taty aoriana. Tena sarotiny amin’ny momba azy rehetra (taniny, teniny, fombany, taranany…) ny Malagasy fahiny, saingy tsy tazana firy intsony izany noho ny fanaovana […]

Mbola ho ela e !!!

Ny fitokonana, na koa ny fandrahonana hanao fitokonana. Izay indray izao no malaza tato ho ato. Omaly izao, nitokona sy nanao fihetsiketsehana an-dalambe ireo mpitatitra amin’ny taxibe, avy amin’ny koperativa maromaro, miasa amin’iny faritra Atsimondrano iny. Voalaza fa hoe noho ny «fanorana» sy ny antsojay lava ataon’ny polisy azy ireo no anton’ny fitokonana. Ny ankilany […]

Sarinady…

Sarinady…

Zary lasa ambetin-teny sy anaty kabary indray, tato ho ato, ity hoe governemanta vonon-kiady… Raha tena vonon-kiady tokoa fa tsy hanao sarinady, ivereno iadiana sy jereo ireo tranga niseho teo aloha. Ampahany amin’ireny raha eo amin’ny tsy fandriampahalemana sy tsy filaminana ny momba ny fiparitahan’ny basy, tokony ho eny an-tananan’ny mpitandro filaminana nefa hita sy […]

Mafy ady, miady mafy… hilaminana

Mafy ady, miady mafy… hilaminana

Ady amin’ny fahantrana, ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ady amin’ny kolikoly… Ady izany amin’izao fotoana izao. Ady inona koa? Ady amin’ny fisian’ny tsimatimanota, ady amin’ny fandrobana harem-pirenena, ady amin’ny fanamparam-pahefana… Mbola maro noho izany ny ady, fa tsy milamina ny tany: ady amin’ny kiantranoantrano na ny raharaham-pirenena ananan-kavana, ady amin’ny hoe lehibe tsy meloka, ady amin’ny […]

Aleo halan’andriana…

Aleo halan’andriana…

Tsy mahagaga. Hatramin’izao, izany hoe, hatramin’ny nijoroan’ny Repoblika fahefatra ka nitondran’ny filoha Rajaonarimampianina Hery ny firenena, tsy mbola nahazo sitraka tamin’ny sarambabem-bahoaka ny fitondram-panjakana. Tsy misy izay toerana lalovana ka tsy hahenoana tsikera, miharo fankahalàna mihitsy aza indraindray. Inona avokoa no anton’izany rehetra izany sy mampitaraina ireo vahoaka ankehitriny? “Ny hitsikitsika tsy mandihy foana” ary […]

Isika rehetra, samy mitaintaina

Isika rehetra, samy mitaintaina

Mampanonofy am-pitsanganana ny fampanantenan’ireo minisitra vaovao, namindrana fahefana, nanomboka tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Raha ireny no tanteraka, tsy lainga fa ho sambatra tokoa ity Madagasikara ity. Mety kokoa ho antsika valalabemandry anefa ny tsy mijanona ao anatin’izany nofinofy izany. Hafa tanteraka ny zava-misy tsy maintsy hatrehintsika, mandra-pahatanterak’ireny velirano ireny, raha tsy misy ny tsy nampoizina, […]

Tsy vita mora ny kajy…

Tsy vita mora ny kajy…

Raha mbola mpianatra koa, mety hisy ihany vitsivitsy, saika sahirana raha vao taranja kajy (matematika) no resahina. Anisan’ny mampiova sokajy ireo mpianatra sasany izany rehefa tonga eo amin’ny kilasy famaranana. Lasa fitenin-jatovo aza izany taty aoriana amin’ilay hoe “sarotra ny kajy” rehefa tojo fahasahiranana izay. Tsy vitan’ny mora kivy sy tsy mahazaka dona tokoa aloha […]

« Sosialim-bahoaka » hoe ?

« Sosialim-bahoaka » hoe ?

Hanao ahoana indray ity lazaina hoe «governemanta vaovao» vao tafatsangana ny faran’ny herinandro teo ity ? Asa aloha fa io izy, io hiaraha-mahita io ny endrika sy firafiny,… Toa mahabe resaka sahady iky ! Fa ahoana ? Tsy ilàna fandalinana be manao ahoana akory. Matoa narodana, noravana ny teo aloha, misy antony tao. Tsy namokatra, tsy nahavita azy, […]

Tsy sakaizan’ny mpandresy ny vahoaka… resy

Tsy sakaizan’ny mpandresy ny vahoaka… resy

Efa zary fomba fiteny hafahafa ankehitriny ny hoe « sakaizan’ny mpandresy », ilazana ireo mpanao politika mpisolelaka, mpivadika palitao, mpitady seza… Na iza na iza eo amin’ny fitondrana, manao izay hidirana sy hanjakana amin’izany hatrany izy ireo. Lany henatra, lany fotoana, lany vola… Tsy mahagaga raha mirongatra tato ho ato ny fanambarana sy fanohanana ataon’izao karazana fikambanana […]

Sary tsy mihetsika zary tsy ihetsehana…

Sary tsy mihetsika zary tsy ihetsehana…

Mbola resabe etsy, adihevitra eroa… Izay ny amin’ny fametraham-pialan’ny praiminisitra teo aloha. Toy izany koa ny fombafomba nanoloran’ireo vondrona parlemantera ny anaran’izay ho praiminisitra, na ny nanendrena ny praiminisitra vaovao aza. Misy milaza fa saika tsy araka ny lalàna loatra izay miseho sy atao amin’izany. Tsy hanova inona amin’ny efa fanao sy mahazatra? Na iza […]

Miandry vokatra

Miandry vokatra

Fanohizana ny raharaham-panjakana! Maromaro ny asa miandry ity governemanta vaovao tarihin’ny praiminisitra vaovao ity. Eo ny olana tsy manitsy vahana, ny tanjona tsy tratran’ny teo aloha, miampy ny asa andavanandro amin’ny maha fitantanan-draharaham-panjakana azy. Efa notaterina teto, fa azo adika ho anisan’ny antony tsy nanovana ny governemanta na ny mpikambana ao anatiny, taorian’ny fahavitan’ny fifidianana […]

Izay ataonareo eo ê !

Izay ataonareo eo ê !

 Hatao anio, raha tsy misy ny fiovana ny fifamindram-pahefana eo amin’ny praiminisitra teo aloha sy ny vaovao. Ho fantatra amin’ity herinandro ity ihany koa ny anaran’ireo minisitra handrafitra ny governemantan’ingahy, Mahafaly Olivier. Samy miandry izany, na ireo minisitra teo aloha maniry ny ho voatazona na ireo izay nametraka ny taratasy fahavononany hiasa ho an’ny tanindrazana, […]

Raharahan-kavana ananana firenena…

Raharahan-kavana ananana firenena…

Maninona no mbola toy izao hatrany ny firenena? Manankarena i Madagasikara, fa ny vahoaka mahantra; midadasika ny tany, fa tsy ampy sakafo ny ankamaroan’ny mponina… Tsy vitan’izay, mihamitombo ny elanelana eo amin’ny vahoaka sy ny tomponandraiki-panjakana, ny mpitondra… Aiza ho aiza amin’izay ny fampandrosoana? Na ny fitantanana ho amin’ny fanarenana ny fiainam-bahoaka ifotony… Fanambin’ny mpitondra […]

Mikiry izy… mikrizy…

Inona ny marina? Ny amin’ny fifandraisan’ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra io. Mandeha ny fombafomba sy ny resaka politika… Na ahoana na ahoana, mila jerena sy omen-danja ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Misy farany ny zava-drehetra, na iza mikiry… Hanao ahoana? Raha mikiry izy, na iza na iza mikiry amin’ny tsy antony: mikrizy ny andrimpanjakana raha […]

Ny isavorovoroan-kikatsoana… hilantoana

Ny isavorovoroan-kikatsoana… hilantoana

Resabe mampifanditra ny amin’ny fifandraisan’ny samy fahefana mpanatanteraka: ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra. Manga ny lanitra? Izao iaraha-mahita izao ny tohiny: nametra-pialana ny praiminisitra, araka ny fanambaran’ny fiadidiana ny Repoblika. Nilaza ny praiminisitra fa hanao izany amin’ny fotoana mahamety azy. Na ahoana na ahoana, saro-toerana ny hoe fahamarinan-toerana sy fitoniana politika. Mandra-pahoviana ny toy […]