Flash
Préc Suiv

Edito Taratra

Raikitra ary raikitra ny baolina

Raikitra ary raikitra ny baolina

Vaovao lehibe ary nahafaly ny mpankafy eto Madagasikara fa halefa mivatana amin’ny TVM ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa « Euro 2016 ». Hatao any Frantsa ity andiany ity manomboka anio hariva. Ho tazana ao avokoa ny ankamaroan’ireo mpilalao sangany eran-tany hiaro ny voninahi-pireneny sy hampiseho ny talentany. Fialamboly, fanovozana traikefa sy fahaizana, fa fakana torimaso kosa ho […]

Saina sy ny saina…

Saina sy ny saina…

Efa mihofahofa any an-tanànan’i Mahajanga, amin’ny ankamaroan’ny trano sy ny biraom-panjakana, ny sainam-pirenena. Tsy niandry ny toromarika sy ny fanentanana ny any an-toerana fa efa nanomboka izany ny herinandro teo. Efa mivolon’andro fety ny ao an-drenivohitr’i Boeny ao. Ny eto Antananarivo indray, mbola ny biraom-panjakana sasany no ahitana izany, miaraka amin’ny ravaka samihafa… Tsy mbola […]

Volana ho an’ny ankizy

Volana ho an’ny ankizy

… Tsy afaka mivölagna loatra satria mbola kely ! Na izany aza, omen’ny lehibe lanja ao anatin’ny taona ihany ny ankizy malagasy satria nanokanany ny volana jona ho azy. Niainga tamin’ny « Ankizy ankehitrio, mpanangana ny ho avy ». Nandalo ny « Ankizy tompon’ny taona 2000 », sns. Teny filamatra toa nenti-naminavina sahady fa hanana ny hoaviny mamiratra ity Madagasikara […]

Fahoriana, faharesena, fahalemena…

Misaona ny tontolon’ny zavakanto malagasy, nodimandry ny lehiben’ny tarika Ny Ainga, Rabesaiky Guillaume, fantatry ny maro amin’ny hoe Om-Gui. Misaona torak’izany koa ny tontolon’ny fanatanjahantena noho ny faharesen’ny Barea de Madagascar tamin’ny isa mavesatra, 6 noho 1, nanoloana ny RD Congo tamin’ny fifanintsanan’ny Can 2017, tany Mahajanga. Resy an-taniny i Madagasikara. Tsy mahagaga, resy an-taniny […]

Raha masa-bomanga etsy, Ramasabomanga eroa…

Raha masa-bomanga etsy, Ramasabomanga eroa…

Vomanga masaka ihany. Izay ny an-dRamasabomanga, fa tsy mieritreritra na mahita zavatra hafa. Anton’izay, tsy fananana hazondamosina, fanarahana ambokony… Fa any amin’izay vomanga masaka ihany. Eo amin’ny fiainana, na fiarahamonina, na fiainam-pirenena, samy mety manana izay vomanga masaka aminy ny tsirairay. Izay heveriny ho zava-dehibe izay, mahamaika azy, mahajamba, tsy ananana hazondamosina. Na vola aman-karena […]

Mikorontana fa mikoro tantana…

Mikorontana fa mikoro tantana…

Niavian’ny teny hoe korontana ny koro tantana: mikorontana rehefa mikoro ny tantana, fa tsy mijoro. Mby aiza amin’izany ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao? Na ny fitondram-panjakana… Tenenin-dava tato ho ato ny hoe misy fanakorontanana, fanonganam-panjakana. Tsy fantatra intsony izay marina na tsia. Ny fitenenan-dava no mampisy korontana sa ny fisian’ny korontana no mampiteny lava? Raha […]

Resaka, fihetsika, asa… misy fotony

Resaka, fihetsika,  asa… misy fotony

Inona marina ny olana amin’izao fotoana izao? Fahantram-bahoaka lalina sy maharitra, tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-pianana, tsy fisian’ny asa, delestazy… Eo koa ny fitaka sy fampanantenana lava iandrasan’ny vahoaka vasoka, ny tsy firaharahana na tsy misy mpihaino… Tsy vitan’izany, eo ny fanaovan’ny sasany tantely afa-drakotra sy ampihimamba ny harem-pirenena, ny kolikoly sy ny kiantranoantrano, ny fanaovana […]

Leon-kabary…

Leon-kabary…

« Iray volan’ny teny malagasy »… Koa misy fotoana tsara indrindra noho izany moa, hireharehana mikasika ny hakanton’ny tenindrazana ? Fa tsy ampy sady mankaleo anefa ny kabary tsara lahatra. Faheno foana koa ilay tenin-dRahaingoson Henri na i Di, hampiasain’izay te hanaingo ny fanohanan-keviny… Efa faheno matetika ireny… « Lasan-ko vavany toa harontabebaka », hoy ny mpanao gazety, Hary Razafindrakoto […]

RRI-n’ny Antenimiera roa

RRI-n’ny Antenimiera roa

Tapitra iny ny volana mey, tsy maintsy diavina ny jona. Fanambin’ny governemanta ny “hiady”. Manaraka izany paikadiny izany koa ny fotoana, sa ny fotoana no manaraka ny paikady. Mifanindran-dalana amin’ny mpanatanteraka koa anefa, sady tsy afa-miala amin’ny maha tompon’andraikitry ny firenena azy ny antenimiera roa tonta, ny solombavambahoaka sy ny loholona. Indroa isan-taona ny fivoriambe […]

Vovon’alika, tsy hery fa tahotra

Vovon’alika, tsy hery fa tahotra

Tompon-trano mihono ny vahoaka. Tsy misy hevitra raha hanarontsaron-javatra, mamilivily resaka ity fitondrana ity. Inona, ohatra, izao no vokatry ny fanadihadiana tamin’ireny fisavana trano teto an-dRenivohitra, nanaovan’ny andiana mpitandro filaminana nirongo fiadiana fihetsiketsehana be, ireny ? Tsy misy, tsy hita izay akony, mandraka ity ny androany, efa ho herinandro izay. Toa vao mainka koa aza miitatra […]

Ny hery ihany no halemena…

Ny hery ihany no halemena…

Izay tia vola, hono, jamba sy malemy avy hatrany, raha vao maso mahita vola na tampin’ny vola ny masony. Miseho ny halemeny. Raha vao abontsina na dokafana ny adalam-boninahitra, mohaka sy modaka. Miharihary ny fahalemeny. Eny, raha vao voatohintohina aza ny haja amam-boninahitra, misondrovaka. Mbola halemena koa izay… Tsy mifankaiza amin’izany ny eo amin’ny politika: […]

Saro-tahotra, saro-toerana…

Saro-tahotra, saro-toerana…

Voaloham-pahendrena ny tahotra. Tahotra mampanatona io: an’Andriamanitra, ohatra; eny, na ny vahoaka aza. Inona na iza no mampatahotra? Misy koa ny tahotra mampandositra amin’izay fantatra izao fa loza, ohatra. Na mampanatona izany ny tahotra, na mampandositra fotsiny izao. Nefa misy ny tahotra tsy hita be ihany: sarin-tahotry ny saro-tahotra? Tsy fantatra hoe inona na iza […]

Tonga indray ny volan’ny ankizy

Tonga indray ny volan’ny ankizy

Tapitra ihany ny volana mey. Nahamay tokoa teo amin’ny lafiny politika. Lasa resaka be ny hoe misy mikasa hanongam-panjakana, voizin’ireo gazety manohana ny fitondrana. Manaraka ho azy ny fisamborana sy ny antsojay samihafa. Ny mahafinaritra, ho faranana amin’ny  fanamarihana ny fetin’ny reny ity volana nampatahotra ity. Iza tokoa no tsy mba hahatsiaro ilay nitondra biby […]

Izay manenjika ny osa, enjehin’ny mahery…

Izay manenjika ny osa, enjehin’ny mahery…

Tsy milamina be ihany ny tany sy ny fanjakana: tsy marin-toerana, tsy tony. Ratsy izao fiainana izao? Na ny toe-draharaha… Tsy fantatra intsony izay marina sy diso amin’izay re sy  voalaza etsy sy eroa: lainga, tsaho, fandrebirebena… Tsy hita na tsy misy izay tena to teny? Inoana izay lazaina, tanteraka na tanterahiny. Na izay lazain’ny […]

Tanàna maty… maty momoka

Tanàna maty… maty momoka

Niezinezina ny fanambarana sy ny fiantsoana ny vahoaka, ny alatsinainy teo, fa hatao tanàna maty Antananarivo. Tonga ny maraina, revo amin’ny asa aman-draharahany ny rehetra ary tsy nisy nihevitra sy nanaraka ilay fanambarana akory. Velona ny antsoantson’ny mpivarotra sy ny reseveran’ny taxi-be hiakatra ny Renivohitra. Nisokatra avokoa ny tsena rehetra sy ny sampandraharaha isan-karazany. Dia […]

Injato maty ny kanosa… kitahorina

Injato maty ny kanosa… kitahorina

Fanakorontanana, fanonganam-panjakana… Efa ho lava, saika isaky ny mihetsika: impolo kely, injato… Tena misy? Na marina… Misy tsy taitra intsony na tsy miraharaha, ao ny manontany tena. Ahoana ihany ny fifandraisan’ny vahoaka sy ny mpitondra: mifampitoky? Na efa maina ny ravi-nihinanana, raha niara-nihinana. Kibo mitsara tena ny tsirairay, na tsaraina amin’ny kibony. Tena lohalaharana sy […]

Fanasana atidoha… hanadiovan-tena

Fanasana atidoha… hanadiovan-tena

Tato ho ato, sesimontotra ny karazana fanasana atidoha afitsoky ny sasany. Fomba fiady? Na hany mbola azo atao aloha izao… Samy apatrapatraka avokoa ny hoe fitiavan-tanindrazana, fiaraha-miasa, fanarenam-pirenena, fiantsorohana andraikitra, fahatsiarovan-tena, filana fitoniana… Efa zary tsianjery, na misy ny tsy mijery. Aiza ho aiza tokoa ny tena iainana? Izay hita sy mazava, tsy mila aseho […]

Tsy ampy fanabeazana… ?

Tsy ampy fanabeazana… ?

« Valala  iray aza ifanapahana », hoy ny ohabolan’ny ntaolo. Mariky ny fifampitsinjovana izany. Fahendrena noho ny fandinihana ny tontolon’ny fiarahamonina io. Ao anatin’izany avokoa na fahaizana na fahalalana na fanabeazana. Mby aiza izany ankehitriny ? Toa tsy hita taratra eo anivon’ny fiarahamonina malagasy  intsony. Fianakaviana samy maka ho azy sisa mandrafitra ny fiaraha-miaina eto Madagasikara. Noho ny […]

Tsy vahaolana…

Tsy vahaolana…

Nafampana ny toe-draharam-pirenena tamin’iny herinandro lasa iny. Raha, sanatria, mbola nanjavozavo tamin’ny mpitondra ny fahantrana lalim-paka iainan’ny vahoaka, nataon’ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana, Ban Ki-moon, nibaribary izany, nandritra ny fandalovany teto. Na tsy ho hitan’ny masontsika aza, inoana fa mba nanongo tena ihany ireto voatsindrontsindrona… Soa fa nisy iny fetin’ny Pentekosta iny, nisentoana kely. Miserana […]

Aina ity, hoy Rainimanonja… nanongana mpitondra

Aina ity, hoy Rainimanonja… nanongana mpitondra

« Fa ataon’ialahy ho kilalao angaha izao, tsy aina va re ity no ihomehezan’ialahy isany? » hoy Rainimanonja 16 Vtra, kentsonkentsona fa namboarin’ny dokotera vazaha orona. Tsy nahita avaly tamin’ny fakana am-bavany azy teo Analakely izy, ka zary fihomehezana. Raikitra ny hoe: « Aina ity, hoy Rainimanonja« , nony nirava ny vahoaka. Anisan’ireo manambonahitra 20 mahery nikomy na nanangana […]

Mba ho tonga saina sy fanahy amin’izay…

Mba ho tonga saina sy fanahy amin’izay…

Pentekosta izao, fahatsiarovana ny firotsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny mpianatry ny Tompo, araka ny finoana kristianina. Mby aiza ny tsirairay? Na ny tena… Ao ve? « Efa nandray ny Fanahy Masina ve ianareo fony vao nino? » hoy ny Apostoly Paoly tamin’ny mpianatra tany Efesosy. « Dia novalian’ireo hoe: Tsy renay akory aza fa misy ny Fanahy Masina. » (Asa […]

Tombontsoa ambony noho ny firenena

Tombontsoa ambony noho ny firenena

Tandremo, sao tsy mifankahazo ny resaka. Tsy mitovy fa tena mifanao atsimo sy avaratra ny ny hoe tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny tombontsoa ambony noho ny firenena. Hatramin’izay, saika resaka fotsiny ny hoe tombontsoa ambonin’ny firenena, fa manjaka hatrany ny tombontsoa ambony noho ny firenena. Mbola mibahan-toerana ihany ny tombontsoa ambony noho ny firenena amin’izay […]

Mahay mandray vahiny ny Malagasy !

Mahay mandray vahiny ny Malagasy !

Hatramin’izay ka hatramin’izao, nahazo ny haja sahaza azy avokoa ny vahiny nitsidika an’i Madagasikara. Tsy toetra vao noforonina taty aoriana io fa efa nananan’ny razambe tany aloha. Tantara efa niseho teto amin’ity firenena ity ny fitsenana makotrokotroka ireo vahiny hizarazara an’i Madagasikara sy hambabo ny fananany ary hamotika ny fiandrianam-pirenena malagasy… Satria izay ilay mahay […]

Mananontanona

Mananontanona

Mafampana indray ny toe-draharaha eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Mananontanona indray mantsy ny mety hisian’ny savoritaka ara-politika. Efa nanambara ren-tany ren-danitra mantsy ny mpifanandrina amin’ny fitondrana fa ho avy tsy ho ela, ary haka ny fitondrana. Tsy ho vita mora nefa izany fa tsy maintsy hiaro ny fanjakana sy ny fahefana eo am-pelatanany ny tomponandraikitra […]

Na sarin’ady na ady sary eo imason’ny vahiny

Na sarin’ady na ady sary eo imason’ny vahiny

Hitrangan-javatra maromaro ity herinandro ity. Eo ny fitsidihana amin’ny fomba ofisialy hataon’ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana (ONU), Ban Ki-moon. Hitondra inona amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Na hanaitra ny mpitondra amin’izay be mila atrehina, tokony himasoana… Eo ny tsy fandriampahalemana: na amin’ny filaminana ankapobeny, ohatra, na ny tsy fahampian-tsakafo,… Ny amin’ny fanajana ny zon’olombelona, na ny amin’ireo […]