Flash
Préc Suiv

Edito Taratra

Indraim-bava: ”Tsy navela hiasa an-kalalahana”, hono…  

Indraim-bava: ”Tsy navela hiasa an-kalalahana”, hono…  

Tsy navela hiasa an-kalalahana, hono, ny mpitondra nandritra izay fe-potoam-piasany izay. Marina ve izany? Na fohy fijery sy kely fitadidiana… Tsy lany andro tamin’ny fitadiavana fahamarinan-toerana politika sy fitoniana politika ve? Ratsy fiandohana tsinona fa tsy nanana fototra mazava niaingana. Efa nahazo fahefam-panjakana vao nanangana antoko politika fa tsy niomana mialoha tsinona. Kisendrasendra ratsy sy […]

Indraim-bava: Izay afeniny no maha izy azy ny olona…

Indraim-bava: Izay afeniny no maha izy azy ny olona…

Fotoam-pifidianana izao. Mandeha ny fampahafantaran’ny kandidà ny tenany fa anisan’ny mirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika izy. Miara-dalana amin’izany ny fanazavany ny foto-keviny, ny vinam-piarahamonina, ny fandaharanasany… Amin’izany, mirangaranga avokoa izao karazana fampanantenana izao, ary mirangorango tokoa ny maro. Toy ny hoe hisy fahagagana iny. Tsy vitan’izany, toa hafa sy tsara avokoa izay lazaina, izay aseho, izay […]

Indraim-bava : raikitra ihany

Indraim-bava : raikitra ihany

Vita ihany ny fanadinana CEPE. Maro ny ankizy mpianatra sy ny ray aman-dreny no efa nanahy fa tsy ho tanteraka izy ity noho ny fitokonan’ny mpampianatra tetsy sy teroa. Nisy ihany ny fahatongavan-tsaina, teo amin’ny fotoana farany fa tsy tokony hatao takalon’aina ny mpanala fanadinana. Indrindra moa fa ireo sekoly tsy miankina nanohy tsy tapaka […]

Indraim-bava: toy ny bokotr’akanjo e…

Indraim-bava: toy ny bokotr’akanjo e…

Mihamitombo tsikelikely ny isan’ireo kandidà, nanambara ofisialy ny firotsahan-kofidiny, nametraka ireo antontan-taratasy mifandraika amin’izany, eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Hatramin’ny datin’ny omaly, 12 izy ireo no nahavita izany. Mbola manana enina andro eo izany ny sisa. Asa, inona ny andrasana ? Manararaotra faramparany mitsapa ny halalin’ny rano amin’ny alalan’ny fitsidiham-paritra sy fitokanan-javatra […]

Famotrahan-tena ny faminganana ny hafa…

Famotrahan-tena ny faminganana ny hafa…

Tsy fanaovana kajikajy politika intsony, hono, izao fa efa fiatrehana fifidianana. Ny eo anivon’ny fitondrana no misy mahita sy milaza izany. Raha mba izay tokoa moa? Saingy tsy  arakaraka izay lazaina ny zava-misy sy ny atao. Amin’izao aza, vao tena mandeha ny kajikajy sy paipaika politika. Tsy fahatokisan-tena amin’ny fifidianana? Ny zava-doza, tsy izay mahametimety […]

Fanadinana… politika

Fanadinana… politika

Ho raikitra ihany ny fanadinana ho an’ireo katitakely , rahampitso rehefa nifanenjana nandritra ny telo volana ny mpanabe sy ny fanjakana. Ny an-tanan-dehibe aloha izany no fantatra fa hiroso amin’izany adina izany, ireo ankizy ireo. Tsy hay ny miseho any amin’ny tany lavitra andriana any… Nisafotofoto ny fanomanana.  Hatao tsy hatao  ny  fanadinana. Nitaintaina ny […]

Tsy fandriampahalemana, tsy fandraisana andraikitra…

Tsy fandriampahalemana, tsy fandraisana andraikitra…

Mirongatra indray ny fitsaram-bahoaka sy ny fakana an-keriny. Nahoana loatra? Misy mahita sy milaza fa noho ny fifidianana antomotra io: fanakorontanana, fitadiavam-bola enti-mihetsika amin’ny fifidianana aza, hono. Atao hoe hono, fa tsy hita tsinona izay anamarinana sy anaporofoana azy. Ny amin’izay indrindra, tsy maintsy itadiavana antony hafa anamarin-tena ve ny tsy fandriampahalemana? Na fahantrana izay, […]

Mba tsy ho voafidy tsy nahy na kisendrasendra intsony…

Mba tsy ho voafidy tsy nahy na kisendrasendra intsony…

Hanao ahoana ihany izao fifidianana izao? Miseholany sahady ny kajikajy sy paipaika politika. Raha vitan’izay moa ka haninona? Misy, ohatra, ny lany henatra ka mandainga sy manamarin-tena imasom-bahoaka: tsy hirotsa-kofidina indray, hono, fa tsy mahafeno fepetra. Manao kitsapatsapa izany? Na te hiseho sy te hoderaina… Tsy mba nojerena ahay aloha ny fepetra vao mitonon-tena fa […]

Miandry inona ny sasany ?

Miandry inona ny sasany ?

Rajoelina Andry, Ravelonarivo Jean, i Mailhol André Christian ary i Ernaivo Fanirisoa. Ireo aloha, hatreto, ny kandidà vonona sy efa nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina etsy amin’ny HCC Ambohidahy. Na inona na inona resahina, efa zava-dehibe izany, satria midika ho fahavononana hiatrika ity raharaham-pirenena ity. Mba aiza kosa ny sasany ? Efa ampolony mahery ireo nanao fanambarana […]

Vay an-kandrina…

Vay an-kandrina…

Mpangalatra dokotra, matin’ny fitsaram-bahoaka. Mpangalatra lavanila maitso, matin’ny fitsaram-bahoaka. Mpanao sinto-mahery, matin’ny fitsaram-bahoaka. Dahalo mpangalatra omby, matin’ny fitsaram-bahoaka. Mpangalatra vilany misy laoka nitaingina ambony fatana, matin’ny fitsaram-bahoaka. Mpamily fiarakodia nanao lozam-pifamoivoizana ka nitsoaka, matin’ny fitsaram-bahoaka. Raim-pianakaviana nanolana zaza tsy ampy taona, matin’ny fitsaram-bahoaka… Lava ny lisitra. Tena mirongatra andro aman’alina ity resaka fitsaram-bahoaka ity. Tsy […]

Fanovana ho amin’ny tena fampandrosoana…    

Fanovana ho amin’ny tena fampandrosoana…    

Miverimberina ny hoe krizy politika. Hatramin’izao, tsy mahafa-bela… Ny vao mainka loza, miharatsy andro aman’alina ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena. Mila porofo? Samy miaiky ny rehetra fa ratsy lavitra no ho ny Repoblika I, ohatra, ny Repobika II, vao mainka loza no ho ny Repoblika II ny Repoblika III, ary tsy hita holazaina intsony izao […]

Fanovana ho amin’ny tena fampandrosoana…     

Fanovana ho amin’ny tena fampandrosoana…     

Miverimberina ny hoe krizy politika. Hatramin’izao, tsy mahafa-bela… Ny vao mainka loza, miharatsy andro aman’alina ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena. Mila porofo? Samy miaiky ny rehetra fa ratsy lavitra no ho ny Repoblika I, ohatra, ny Repobika II, vao mainka loza no ho ny Repoblika II ny Repoblika III, ary tsy hita holazaina intsony izao […]

Be ny zava-bita ratsy no ho ny tsara

Be ny zava-bita ratsy no ho ny tsara

  Simba efa ho enina andro sa enim-bolana ny tongo-tsezan’ity tokantrano iray. Tonga ny raim-pianakaviana ela tsy hita, nanao fiavian’ny tafara: aviavy nanamboatra. Koa seza fihinanany tsinona… Avy eo, nievotrevotra teo ambonin’izany sy niedinedina eran’ny trano hatrany an-tokotany izy fa tsy misy mahavita ny vitany, hono. Tsy toy inona ny nanamboarany izay tsy vita tao […]

Politika avokoa izay mihetsika sy ihetsehana rehetra…

Politika avokoa izay mihetsika sy ihetsehana rehetra…

Hatramin’izao, tsy hita izay tena vahaolana amin’ny fitakiana sendikaly etsy sy eroa. Na ialana fotsiny amin’ny hoe efa fitakiana politika… Avadika ho politika hatrany izay mihetsika rehetra, indrindra rehefa tsy hita izay tena vahaolana. Tsy mahalala afa-tsy politika? Na izay no antom-pisian’ny sasany… Tsy inona fa fiarovan-toerana, fampiasana ny fahefam-panjakana ho amin’ny tombontsoan’ny tena manokana? […]

Vary, tsiparifary…

Vary, tsiparifary…

  Mbola tsy fanombohan’ny fampielezan-kevitra fa fanombohan’ny fametrahana ny antontan-taratasim-pilatsahan-kofidin’ireo kandidà ho amin’ny fifidianana filoham-pirenena, eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), ny omaly. Mety hisy ve ny hihintsana avy hatrany ? Ho hita eo fa raha ny fanambarana nataon’ny HCC, miainga avy amin’ny lisitry ny antoko politika miorina ara-dalàna, nampitain’ny minisiteran’ny Atitany, ny 30 […]

Roso toy tsa mipody koa…

Roso toy tsa mipody koa…

Manitsaka ny volana aogositra isika. Hanamarika izany ny fisokafan’ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina etsy Ambohidahy ho an’ireo mpilalao vonona amin’izany. Mazava ny fepetra sy ny fitsipi-dalao ary koa ny sarany ao anatin’izany fifaninanana izany. Efa misy ny maka bahana sy nanao fanazarantena mialoha ny lalao. Ao ireo miantso ny hiakaran’ny mpilalao izatsy na izaroa, hiatrika […]

Mandroso, mihemotra, miankavia, miankavanana ! 

Mandroso, mihemotra, miankavia, miankavanana ! 

« Ny Mpikambana mahefa nanatanteraka fivoriana tsy ara-potoana androany talata 24 jolay 2018 teto amin’ny lapan’ny Akademia malagasy, Tsimbazaza, dia nanapaka, araka ny maha fahefana faratampony sady mpametraka fenitra azy eo anivon’ny Akademia Malagasy, fa : momba ny fomba fanisana amin’ny teny malagasy, ny fandaharana ny sokajin’isa dia atomboka amin’ny sokajin’isa lehibe indrindra, midina miandalana ary miafara […]

Tsy inona sy tsy inoana izay hoe zava-bita…

Tsy inona sy tsy inoana izay hoe zava-bita…

Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, fandrobana tany etsy sy eroa… Tsy misy tsy mikaikaika ny amin’izany. Nefa tsy hita mazava izay tena vahaolana afitsoky ny fitondrana. Manginy fotsiny ny kolikoly avo lenta, ny fisian’ny tsimatimanota, ny kiantranoantrano, ny raharaham-pirenena ananan-kavana… Amin’izany, mampitsamboaboatra sy itompoana teny fantatra ny hoe zava-bita. Misy amin’ireo efa nesorina amin’ny toerany aza, […]

Mipaka any ifotony ny fahalovana…

Mipaka any ifotony ny fahalovana…

Hanao ahoana ihany izy ity? Tsy inona fa ny raharaham-pirenena, ny fiainam-bahoaka… Tsy hita be ihany? Toa arakaraka ny maha antomotra ny fifidianana, vao miseholany avokoa io zava-manahirana sy hafahafa be ihany io. Anisan’ny mahabe adihevitra ny amin’izany, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, indrindra ny amin’ny fakana an-keriny. Amin’izao, na ny teratany malagasy sy ny any […]

Matanjaka sy mitanjaka indrindra…

Matanjaka sy mitanjaka indrindra…

Tonga ny farany? Tsy inona fa izao fitondrana izao. Efa ho tapitra rahateo ny fe-potoam-piasana. Raha ny marina, ny vahoaka no herin’ny fitondrana. Ny mpitondra no mahazo fahefana, ny vahoaka no antony. Raha tsy izany, ny antoko politika (t)amin’ny asa ataony: manana foto-kevitra sy vinam-piarahamonina maharesy lahatra, mandresy lahatra mpifidy amin’izany… Eo koa ny hoe […]

Resa-papago tsa ho lany !

Resa-papago tsa ho lany !

Samy maneho ny heviny ! Eny an-dalambe, ankalamanjana, any amin’ny televiziona, any amin’ny radio… Ao ireo mametaka petadrindrina na manoratsoratra eny rehetra eny. Samy te haneho ny maha papangolahy anaty katsaka azy avokoa ry zareo mpanao politika. Samy te hanasongadina fa mahavita sy vonona hanasoa ny vahoaka. « Papango lahy anaty katsaka: izay mivoaka, babany avokoa », hoy […]

Mamohehitra ny ataon’ny mpitatitra

Mamohehitra ny ataon’ny mpitatitra

  Ho ratsy fanombohana ny volana aogositra mitsidika io. Misy taxi-be vitsivitsy hampiakatra ny saran-dalany ho 500 Ar raha 400 Ar izany ankehitriny. Mba hevero ary fa raha misy olona efatra tsy maintsy handeha mandroso sy miverina ao amin’ny fianakaviana iray, voatery  mitady 800 Ar amboniny isan’andro izany izy ireo. Raha atao hoe 20 andro […]

Mpihatsaravelatsihy

Mpihatsaravelatsihy

Samy manao izao ihany kanefa miraradraraka ery ny fiampangana ny sasany ho manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Tsy tahotra tsy henatra fa mamelively mafy ery ny ekipan’ny antoko Hery vaovaon’i Madagasikara miampanga ny hafa. Tsy takona afenina fa miharihary toy ny masoandrobe lohataona ny hetsika etsy sy eroa, fitsidiham-paritany hisehosehoana, hitokanana zava-bita, na fitsidihana fotodrafitrasa […]

Famorehana… ifotony

Famorehana… ifotony

Mahabe resaka ny amin’ny fanorenana ifotony. Na hatao alohan’ny fifidianana io, na any aoriana. Mbola adihevitra ny amin’izay. Politika! Ho hita eo… Mandra-pitrangan’izay hitranga, mila jerena akaiky sy dinihina lalina ity hoe fanorenana ifotony. Fanovana rafitra, lalàna, fomba fiasa… Araka ny maha Malagasy io fa tsy alain-tahaka fahatany amin’ny any ivelany. Mbola adihevitra koa ny […]

Avadika ho politika ny tsy fahombiazana…

Avadika ho politika ny tsy fahombiazana…

Efa misy ve ny fiovana amin’izao governemantan’ny marimaritra iraisana izao? Na tombanana sy heverina ho misy aza izany, tsy takona afenina sy manaratsy endrika azy ny fitakiana sendikaly etsy sy eroa: fifanenjanana. Tena mahavaha olana ve ny mpitondra fanjakana? Ho hita eo… Ny mampanahy sy mahakely finoana: vitan’ny teny midina na fampitandremana ve ny raharaha? […]