Madagascar Airlines : angatahana hanohana ara-bola ny Banky iraisam-pirenena

Misedra olana tanteraka ny kaompania Madagascar Airlines. Anisan’ny vahaolana hitan’ny fanjakana ny hindram-bola any amin’ny Banky iraisam-pirenena, hanatanterahana ny drafi- panarenana.

Nandefa taratasy tany amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola (MEF) ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), tamin’ ity herinandro ity. Vontoatiny ny hangatahana any amin’ny Banky iraisam-pirenena, ha­no­hana ara-bola ny kaompania Madagascar Airlines. Efa nisy ny fihaonana teo amin’ny MTM sy ny solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena ny 3 novambra teo, nitohy tamin’ny fihaonana tamin’ny MEF.

Tanjona ny fangatahana famatsiam-bola izany ny hiantohana ny hiveloman’ny Ma­dagascar Airlines maharitra sy ahafahana manatanteraka ny drafi-panarenana azy. Ao anatin’izany ny fepetra iatrehana ny ambana, amin’ny lafiny ara-bola, ka andraisana fanapahan-kevitra goavana. Tafiditra ao anatin’ireo ny fampiatoana ny fanofana fiaramanidina miantoka ny zotra iraisam-pirenena, ny fikojakojana, ny fandaniana samihafa mifandraika amin’izany (ACMI). Eo koa, ny fanendrena vaovao ny rafitra mpitantana, toy ny fanoloana ny filohan’ny filankevi-pitantanana.
Fatiantoka 2,8 tapitrisa dolara isam-bolana
Misedra olana ara-bola tokoa ny orinasa Madagascar Airlines, ankehitriny. Efa nandritra ny nitondrany ny anarana Air Madagascar. Tsy nahavaha ny olana ny nanovana azy ho Madagascar Arilines, nanomboka ny taona 2022. Anisan’ny tena mamono antoka azy ny fanofana fiaramanidina, miantoka ny zotra iraisam-pirenena. Efa nambaran’ ny tale jeneraly, Thierry de Bailleul, fa mahatratra 2,8 tapitrisa dolara isam-bolana ny fatiantok’ity orinasa ity, manome 25 tapitrisa dolara isan-taona.
Ny zotra anatiny sisa no hataon’ny Madagascar Air­lines, amin’ny alalan’ny Tsa­ra­dia. Hiantoka ny fitaterana ny mpandehan’ny Mada­gascar Airlines mankany Frantsa sy La Réunion, ny kaompania Corsair.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: