Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

NS Malagasy

Rugby – «Can 1B» : fanambin’ny Makis ny ho tompondakan’i Afrika

Rugby – «Can 1B»  : fanambin’ny Makis  ny ho tompondakan’i Afrika

 Hifantoka etsy amin’ny kianjaben’i  Mahamasina avokoa ny sain’ny mpitia baolina lavalava, rahampitso. Hiditra an-tsehatra hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny sokajy 1B, mantsy ny Makis de Madagascar.   Vonona tanteraka ny Makis de Madagascar, hiatrika ny Zambianina, rahampitso alahady eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can), sokajy 1B, taranja rugby. Lalao […]

Kitra – «Euro 2016 » : lalao telo no hatao anio

Miditra amin’ny andro faharoa  sahady ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, amin’ny taranja baolina kitra, amin’ity anio asabotsy ity. Araka ny fandaharam-potoana, ny sokajy “A” sy ny “B” no hiditra an-tsehatra. Hifampitady ao amin’ny kianja Lens, ry zareo Albania sy Soisa. Fihaonana hanomboka amin’ny 4 ora tolakandro, eto Madagasikara. Fihaonana roa kosa no indray atao […]

Hampiato ny fampianarana indray … : manome herinandro ny MFB ny Sendikàn’ny fanabeazana

Hampiato ny fampianarana indray …  : manome herinandro ny MFB ny Sendikàn’ny fanabeazana

 Tsy milamina indray ny tontolon’ny fanabeazam-pirenena, tsy mbola nahazoam-baliny ny fitakiana miankina amin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola. Mandrahona ny hampiato ny fampianarana indray ny sendikàn’ny fanabeazana raha tsy misy ny vaovao avy amin’ny fitantanam-bola, afaka herinandro.   Tsy mbola nivaly ny fitakian’ny mpampianatra Fram sy ny mpiasam-panjakana momba ny indemnité samihafa ho an’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fanabeazana. Tapaky ny […]

Fenitra momba ny sakafo : andrasana ny lalàna miaro ny mpanjifa

Andraikitry ny komitim-pirenena misahana ny codex alimentarus eto Madagasikara (CNCA), ny  mametraka ny fenitra momba ny sakafo sy fambolena ary ny fiompiana iarovana ny fahasalaman’ny mpanjifa nandritra ny 10 taona nisiany teto amintsika. Mpikambana ao anatin’ny komitim-pirenena ny orinasa mpanodina vokatra ho sakafo fihinana, ny minisitera voakasika, ny sendikàn’ny mpanjifa, sehatra tsy miankina, laboratoara mpitily…  […]

Fisamborana ny loholona Lylison : miezaka handravona ny raharaha ny Antenimierandoholona

Fisamborana ny loholona Lylison : miezaka handravona ny raharaha ny Antenimierandoholona

 Aiza ho aiza ny Raharaha loholona Lylison René de Roland? Miezaka handravona ny raharaha ny Antenimierandoholona…    « Ny mahatsara zavatra, haravona io olana io ho amin’ny tombontsoan’ny firenena. Amin’ny maha olon-kendry ny loholona, miezaka mandravona ny olana izahay. Tsy hanimba zavatra izahay ao amin’ny Antenimierandoholona. » Io no nambaran’ny kestiora eo anivon’ny Antenimierandoholona, Abdirassoul Mohamed Mourad, teny […]

Nandamina ny tanàna ny Emmo Reg

Nandamina ny tanàna ny Emmo Reg

Nitohy nanomboka omaly tamin’ny 5 ora maraina ny asa fanadiovana sy fandaminana ny araben’ny fahaleovantena sy ny faritra manodidina azy. Teny Soarano, Behoririka, Tsiazotafo, Petite Vitesse, Arcade Analakely ary Pochard no nanatanterahana izany. Tanjona ny hanomezana endrika mahafinaritra ny Renivohitra sy ny fanalalahana ny fifamoivoizana amin’izao ankatoky ny asaramanitra izao. Nampiavaka ny hetsika ny nanatevenan’ny […]

Educmad : naneho fanandramana siantifika ny mpianatra

Nomena lanja ny mpianatra, omaly, amin’ny fampirantiana siantifika nomanin’izy ireo teny amin’ny lycée Rabearivelo Analakely. Niainga avy amin’ny lesona any an-dakilasy izy ireo nampiseho ny tranga siantifika miseho amin’ny fiainana andavanandro toy ny famoronana herinaratra avy amin’ny ovy. Sekoly mampihatra ny tetikasa Educmad no mandray anjara amin’ny fampirantiana siantifika ka nahitana ny lycée JJ Raberarivelo, […]

Fiainana antoko : tsy mety milamina ny disadisan’ny Leader Fanilo

« Izahay no tena izy, satria voasoratra any amin’ny minisiteran’ny Atitany izahay. Tsy fantatro ny anaovan-dry zareo hoe tsy araka ny satan’ny antoko, fa samy mahay mamaky teny ange izahay. » Io  ny valin-tenin’ny avy amin’ny andaniny miara-dia amin-dRakotomamonjy Jean-Max eo anivon’ny Leader Fanilo, Toto Alphonse, teny Alarobia, afakomaly, manoloana ny filazan’ny ankilany hoe fa hanao filankevi-pirenena […]

Fantina sy fintina

Hodinihin’ny Sadc any Soazilandy tsy ho ela ny momba ny Magro, araka ny nambaran’ny filoha mpanorina ny Tiko, Ravalomanana Marc, omaly teny Faravohitra. Nambarany fa tsy hipetra-potsiny ny tenany.  « Haka mpisolovava iraisam-pirenena isika hiaro ny orinasa », hoy izy. Nambarany koa fa ilaina ny fitoniana raha te hampandroso ny firenena. Nankasitrahan’ny ny FMI nandalo teto. « Ekena […]

Tselatra

 Voararan’ny lalàna ny fanapoahana tsipoapoaka indrindra amin’ny faritra be olona mpivezivezy, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Emmo/Nat. Toeram-pivarotana maromaro no efa nidinan’ny mpitandro filaminana ka voatery noraofina ny entana namidin’izy ireo. Maro rahateo ireo olona taitra tampoka maheno ny fipohan’izy ireny ka ahina hisy fiantraikany eo amin’ny fahasalamana. Olona miisa enina indray naiditra am-ponja […]

Toamasina : didim-pitsarana ilay miaramila namono ny vadiny

Toamasina : didim-pitsarana ilay miaramila namono ny vadiny

Hivoaka ny talata ho avy izao ny didim-pitsarana anenjehana ilay miaramila Serzà namono ny vadiny. Feno hipoka ny lapan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina nandritra ny fotoam-pitsarana azy, ny talata lasa teo. Tamin’ny 6 ora sy 45 mn hariva kosa vao vita ny fotoam-pitsarana azy, araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Miaramila miasa eo […]

Ambohimanarina : trano iray nirehitra, nilatsahan’ny taribin-jiron’ny Jirama

Ambohimanarina  : trano iray nirehitra, nilatsahan’ny taribin-jiron’ny Jirama

 Nitrangana haintrano indray teny Ambohimanarina, omaly antoandro. Taribin-jiron’ny Jirama nilatsaka tampoka no voalaza fa nahatonga ny loza ka nahatonga ny fahamaizana…   Trano fivarotana ity kilan’ny afo ity. Araka ny fanazavan’ireo niharam-boina, nilatsaka tampoka ny taribin-jiron’ny Jirama ary nikasoka tamin’ny tafon-trano ka nampirehitra avy hatrany ilay trano. Nitselatselatra tsy nisy toy izany ilay taribin-jiro nilatsaka […]

Sekoly katolika : nampahafantarina ny fiahiana ara-tsosialy tany Miarinarivo

Sekoly katolika  : nampahafantarina ny fiahiana ara-tsosialy tany Miarinarivo

Nanofana ireo inspektera sy talen-tsekoly 65 mianadahy ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana katolika Miarinarivo ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps), ny 7 hatramin’ny omaly 10 jona. Tanjona ny ahazoan’ny mpampianatra sy ny mpanabe ny zo sy fiahiana ara-tsosialy amin’ny Cnaps, toy ny any amin’ny orinasa tsy miankina rehetra. Nitarika ny fanofanana ny lehiben’ny sampandraharaha ara-tsosialy sy […]

ClayM : sady mitsabo no manoro hevitra

Anisan’ireo toeram-pitsaboana mandray anjara amin’ny fanentanana ny olona hisoroka ny aretina mety hitranga ny centre medical ClayM, etsy Ambavahaditokana Itaosy. Ankoatra ny fitsaboana ireo marary tonga ao aminy, manome torohevitra ho fisorohana koa izy ireo. Anisan’ny teny famerimberin’ny Dr ClayM ny hoe: “Aleo misoroka toy izay mitsabo”. Tsy mijanona amin’ny sehatry ny fitsaboana ity toeram-pitsaboana […]

Ivonketra Alasora : iray volana niasana, nampiditra 434 tapitra Ar

Ivonketra Alasora  : iray volana niasana, nampiditra 434 tapitra Ar

Notokanan’ny filoha Rajaonarimampianina Hery sy ny minisitry ny Vola, Rakotoarimanana Gervais, omaly, ny ivonketra vaovao ao Alasora, iraisana amin’ny kaominina Ambohimanambola, Masindray ary Ankadinandriana. Hetra tambatra (impôts synthétiques) no tena mampidi-bola betsaka amin’ireny toerana ireny ka ny 47,5 % azo avy amin’izany, mijanona ho an’ny kaominina. Mitohy amin’izao fahavitan’ny birao vaovao izao ny fanapariahana ny […]

Izay mahay manana, manan-droa

Izay mahay manana, manan-droa

Izay mahay manana, manan-droa; izay tsy mahay manana, votso-droa. Tsy izay ananana no zava-dehibe, fa ny fahaiza-manana. Rehefa tsy ananana, hono, izay tiana, izay ananana no tiavina. Tano ny azo fa sarotra ny mila. Inona avokoa izany? Zava-dehibe izay ananana, indrindra ny fahaiza-manana azy. Na izany aza, aleo tsy manana toy izay manan-dratsy. Sarotra ny […]

Nivoaka amin’ny fanginany… :tsy manaiky ny hisamborana an’i Lylison ny Mapar

 « Manameloka ny tsy fanarahan-dalàna amin’izao didy fampisamborana ny loholona Lylison izao izahay ary tsy hanaiky izany fisamborana izany », hoy ny fanambaran’ny Mapar, novakin’ny mpitondra teny, Pierre Houlder, tetsy Ambodivona, omaly. Notsiahiviny avy eo fa hiara-dia amin’izy ireo amin’izany ny vahoaka,  hijoro ho vavolombelona. Samy nanitrikitrika izany tsy fanarahan-dalàna izany na ny minisitry ny Fitsarana teo […]

Jery taratra… herinandro : izay mivoaka: vavany avokoa…

Nanazava ny fangatahan’ny minisiteran’ny Atitany ny Afo sendikaly ny amin’ny hoe misandoka ho mpitarika ny sendikàn’ny administratera sivily, nanome 72 ora ny fandravana ny governemanta, nanala baraka ny vadin’ny filoham-pirenena… Mitohy ny fitakiana iadiana amin’ny kolikoly. Tsy mbola misy ny fangatahana ny fanalana ny zo tsy azo enjehina ny loholona Lylison René de Roland, raha […]

Raharaha kidnapping sy fikambanan-jiolahy… : nitolo-batana i Vololona, tafaporitsaka Rabokona

Raharaha kidnapping sy fikambanan-jiolahy…  : nitolo-batana i Vololona, tafaporitsaka Rabokona

 Nitolo-batana teny amin’ny Brigade Criminelle Anosy, ny alarobia teo ary efa naiditra am-ponja, omaly, Raharimanantsoa Vololona (fa tsy Ravaka, araka ny nilazana azy tany am-boalohany), vadin-dRakotomamonjy Lalaina Richard, fantatra amin’ny anaram-bositra hoe Rabokona, na Léone. Ity farany, izay tafaporitsaka teny Soavina, ka mbola karohin’ny polisy.   Noho ny raharaha fakana an-keriny, fikambanan-jiolahy, fanafihana mitam-piadiana, namoahan’ny […]

Resaky ny mpitsimpona akotry : mbola miandry ny mafimafy kokoa

Mahatantesa fery hoy ny fitenenana, tsy misy tsy mikiakiaka ny mpandeha fiara rehetra, na ireo manana ny tômôbiliny manokana na ny vahoaka maro mpitaingina taksibe. Mitohana, mikatso tsy hay intsony izay ilazana azy ny fisehon’ny fihisatry ny fifamoivoizana eto Iarivo. Maro ireo miteny fa mazàna hono no mitranga ny fandaozan’ny mpandeha an-tongotra ny fiara voageja […]

Sport-études : nitondra fanampiana ny Faritra Analamanga

Sport-études  : nitondra fanampiana ny Faritra Analamanga

Ho fampiroboroboana ny fanatanjahantena malagasy, nitondra ny anjara birikiny ny faritra Analamanga tarihin’ny lehibeny, Rakotonanahary Ndranto. Araka izany, nosafidin’izy ireo manokana ny fanampiana ireo atleta manaraka fiofanana Sport-études etsy amin’ny ANS Ampefiloha. Nanolotra fanamiana mitovy, « survêtements » miisa 90 ny faritra Analamanga, omaly, teny amin’ny ANS Ampefiloha. Ho fampirisihana ireo ankizy hanaraka tsara ny fiofanana ny […]

Kitra – «Euro 2016» : hampiasa ny 4-3-3 i Frantsa manoloana an’i Romania

Kitra – «Euro 2016»  : hampiasa ny 4-3-3 i Frantsa manoloana an’i Romania

Hifantoka any Frantsa avokoa ny sain’ny rehetra, indrindra fa ny mpankafy ny baolina kitra manomboka androany. Hanomboka amin’ity zoma ity, tokoa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Euro 2016». Hitodika ao amin’ny Stade de France, avokoa ny mason’ny rehetra amin’ity  anio ity. Hanomboka amin’ny fomba ofisialy mantsy ny «Euro 2016», taranja baolina kitra. Hanokatra izany, […]

«Show your team spirit» : amboara 20 no ho zaraina eny Ankatso

Hotontosaina, eny amin’ny kianja Ankatso, ny 11 sy 12 jona izao, ny andiany fahatelo amin’ny “show your team spirit”. Lalao ara-panatanjahantena natokana ho an’ireo mpiasa amina orinasa. Hiavaka ity andiany ity satria amboara 20 be izao, no indray ho zarain’ny Pro Active.com, ho an’ireo mpandray anjara. Hahazo amboara avokoa ireo telo voalohany isaky ny taranja. […]

Mpanjifa 034 : fiara iray ho an’ny tombola Telma

Hankasitrahana ny mpanjifa tsy miala amin’ny orinasa Telma, hisy tombola goavana ahazoana fiara iray, hosarihina amin’ny faran’ity taona 2016 ity. Voakasik’izany avokoa ny mpanjifa tsy ankanavaka, amin’ny fampiasany ny laharana 034. Misy koa ny fanomezana mari-pahalalana ny mpanjifa azo atao eny amin’ny toeram-pivarotan’ny rehetra ahitana Telma shop, Telma kioska, hanamafisana ny karatra sim. Toraka izany […]

Madagasikara-Sina : sarihina ho avy eto ireo mpizahatany sinoa

Hatramin’izao ireo Sinoa mpandraharaha ihany no fantatra fa maro eto Madagasikara.  Manomboka izao indray, namaritra politika vaovao ny ao amin’ny minisiteran’ny Fizahantany, hisarihana mpizahatany sinoa ho tonga marobe hijery an’izany Madagasikara izany, ny fomba fiainan’ny Malagasy, ny tontolo iainana sy ireo zavaboahary isan-karazany malaza ato aminy. Mialoha izany anefa, hisy mpanao gazety sinoa ho avy […]