Flash
Préc Suiv

NS Malagasy

Rajoelina nihaona amin’ny « Diaspora »: « Hofehezina ny harena ho an’ny fampandrosoana »

Rajoelina nihaona amin’ny « Diaspora »: « Hofehezina ny harena ho an’ny fampandrosoana »

Tsy eto an-toerana  ihany  fa hatrany ivelany. Nifampidinika amin’ireo  zanaka  am-pielezan’i  Madagasikara (Diaspora) any Frantsa,  ny  mpanorina  ny IEM, ny kandidà Rajoelina, ny  asabotsy teo. “Tanjona ny hifehezana ny harentsika ahafahana mampandroso  ny firenena…  Havotana ao anatin’ny fotoana fohy ny  fahataran’i  Madagasikara. Hotanterahina ao anatin’ny dimy  taona  ny fampandrosoana tsy  hitantsika hatramin’ny Fahaleovantena”, hoy izy  […]

Fampandrosoana anaty fotoana  fohy: asa avy hatrany  ny IEM tao  Tsiroanomandidy

Fampandrosoana anaty fotoana  fohy: asa avy hatrany  ny IEM tao  Tsiroanomandidy

Nivaly sahady. Telo herinandro taorian’ny nandalovan’ny kandidà  Rajoelina tany Tsiroanomandidy,  tanteraka ny  fampanantenana  natao. Nahazo  tohana  niainga  amin’ny IEM ny mponina any an-toerana. Notoloran’ny  mpiara-miasa amin’ny kandidà Rajoelina milina fanjairana miisa 10 ny fikambanam-behivavy ary moto miisa iray  kosa  ny ben’ny Tànana any an-toerana, ny faran’ny herinandro  teo. « Fanombohana ihany izao natao izao.  Efa misy […]

Toetr’andro: misy andro ratsy mananontanona

Ao anatin’ny vanim-potoana manasara-taona i Madagasikara, amin’izao fotoana. Ahitana faritra andro ratsy sahady ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Any amin’ny 1.800km atsinanan’i Madagasikara ny foibeny, omaly. Nanome toky anefa ny mpamantatra ny toetry ny andro fa tsy misy atahorana ny mety hitomboany hery na hivadihany ho rivodoza. Tsy hahakasika ny toetry ny andro eto Madagasikara ihany […]

Bakalorea: tsy nisy olana ny fizotry ny andro voalohany

Bakalorea: tsy nisy olana ny fizotry ny andro voalohany

Nanomboka omaly tamin’ny taranja filozofia ny fanadinana bakalorea, ho an’ny sampana teknika, afaka nisafidy tamin’ny laza adina telo ny mpiadina:  ny siansa sy ny teknika, ny moraly sy ny politika ary ny filozofia sy ny fahamarinana. Niompana tamin’ny siansa sy ny teknika avokoa ny safidin’ny maro tamin’ireo mpiadina. Ho an’ny sokajy A sy ny C […]

Ambalavao: olona iray ahina ho matin’ny pesta

Mampatahotra ny olona any Ambalavao ny nahafatesana olona iray heverina ho matin’ny pesta. Raha ny tatitry ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka anefa dia tsy mbola voamarina, na pesta na aretina hafa no nahafaty ity olona ity. Mbola manao ny fanadihadiana ny sampan-draharahan’ny fahasalamana any Ambalavao ary tsy mbola tonga any amin’ny minisitera ny […]

Mpanakanto tanora: hivoy hira evanjelika i Vanessi

Mpanakanto tanora: hivoy hira evanjelika i Vanessi

Rasolofo Arizaka Tsiriniaina Vanessi, io no anarana feno ho an’ity mpanakanto tanora manana ny maha izy azy ity. Maro ny gaga sy talanjona raha nahalala fa nisafidy ny hivoy ny hira evanjelika i Vanessi. Nomarihiny nandritra ny tafa nifanaovana taminy fa ny hitondra ainga sy endrika vaovao ahafahana mampiakatra avoavo kokoa ny lentan’ny hira evanjelika […]

Mivoatra hatrany: andiany faha-26 ny « Manala azy Vita Bac »

Mivoatra hatrany: andiany faha-26 ny « Manala azy Vita Bac »

Anisan’ireo hetsika kolontsaina maro mpitia tokoa ny « Manala azy Vita Bac ». Efa zary filana ho an’ny mpanala fanadinana bakalorea rahateo ny fisiany. Nomen’ny mpikarakara lanja izany ka misy hatrany ny fiovana… Ny 20 septambra izao, manomboka amin’ny 6 ora hariva, etsy Antsahamanitra no hanatanterahana ilay fampisehoana an-tsehatra lehibe « Manala azy Vita Bac » andiany faha-26. Araka […]

Ceni: « Mbola tsy ampy iray tapitrisa dolara ny fanatanterahana ny fifidianana »

Ceni: « Mbola tsy ampy iray tapitrisa dolara ny fanatanterahana ny fifidianana »

« Mbola misy kely ihany ny tsy ampy. Nefa tsy mahasakana antsika handroso izay zavatra izay. Eo amin’ny iray tapitrisa dolara eo, angamba, no mety hoe tsy ho ampy ao anatin’izay fanatanterahana ny fifidianana izay. Nefa mandroso isika. Ho vita ny fifidianana, fa aza manana fanahiana isika. » Io ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Rakotomanana Hery, teny Nanisana, […]

Tselatra

Any Mahajanga, hita tao anaty harona, tany amin’ny bazary Mahabibo, omaly maraina, ilay zaza nisy nangalatra tao amin’ny hopitaly, ny alarobia 12 septambra teo. Velona soa aman-tsara izy ary efa any am-pelatanan’ny ray aman-dreniny. Efa voamarina ny maha azy ireo ity zazakely vao teraka ity. Olona maromaro no atao famotorana, nanomboka omaly, mahakasika ilay fandorana […]

Faratsiho: notafihin’ny dahalo hatramin’ny laza adina

Notafihin’ny dahalo ny fiara nitondra ny laza adina bakalorea ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) Faratsiho, ny alin’ny asabotsy teo. Tao Antsapanimahazo, lalam-pirenena faha-43, no nitrangan’izany. Soa fa niaraka tamin’ny lehiben’ny foibem-panadinana, izay nitondra ireto laza adina ireto, ny zandary. Tsy nanaiky lembenana ireo mpitandro filaminana fa namaly avy hatrany. Nisy ny fifandonana tamin’ny alalan’ny tora-bato sy […]

Ankadimbahoaka: tratra ilay mpamaky trano

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Boriborintany fahadimy, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady faha 16 septambra 2018 teny amin’ny faritra La reunion kely iny noho ny resaka vakitrano.Tokony ho tamin’ny 01 ora maraina dia tokantrano iray no notafihin’ny jiolahy miisa telo mirongo sabatra teny amin’ny faritra Ankadimbahoaka. Mbola teo am-pitaomana ny entana […]

Halatra moto quad: lehilahy miisa 8 voasambotra

Halatra moto quad: lehilahy miisa 8 voasambotra

  Lehilahy miisa valo no indray voasambotry ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahatelo Anosy, ny zoma sy asabotsy teo teny Ankazomanga, resaka halatra « moto quad ». Raha tsiahivina, ny 06 jolay 2018, nisy rangahy nanana “moto quad” nampanamboatra izany tamina mpanamboatra moto iray eto an-drenivohitra. Nilaza ilay tompony fa tokony hosoloina […]

“Opération Fandio » – Toamasina: saron’ny zandary ireo jiolahy mpanafika ao Canada

“Opération Fandio » – Toamasina: saron’ny zandary ireo jiolahy mpanafika ao Canada

Tsy ankiato ny fanafihana sy ny halatra, amin’ny fomba samihafa, ao Toamasina. Mihatanora hatrany ireo tompon’antoka amin’izany, toy ny mpitranga tao amin’ny kartie Canada. Manao izay hoafany ny mpitandro filaminana amin’ny fisamborana ireo olon-dratsy. Efa jiolahy mpamerin-keloka ry Rakotosalama Hasimbola (18 taona), Kevin Franco (18 taona) ary Rakotonandrasana Christophe (19 taona). Hatry ny ela ny […]

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: fiomanana amin’ny fiovan’ny toetr’andro

Any amin’ny faritra aziatika, ao Amerika, mahery setra tsy misy toy izany ny hetraketraky ny rivo-doza sy ny loza voajanahary isan-karazany. Asa raha mbola misy ihany ny olona tsy resy lahatra ny amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Araky ny filazan’ny manam-pahaizana izay nandalina ny fandinihana ny toetry ny andro dia tsy hihalefaka fa vao mainka hivatravatra ny […]

Tsy fandriampahalemana… tsy zaka intsony

Tsy fandriampahalemana… tsy zaka intsony

Tsy andro tsy alina, tsy an-tanàn-dehibe tsy any ambanivohitra, tsy an-dalam-pirenena… Izay ny tsy fandriampahalemana mampikaikaika ny maro amin’izao. Tsy lahy tsy vavy, samy manao ny ataony, misy mpitandro filaminana aza. Arakaraka ny fahantomoran’ny fifidianana no mahamafy sy mampitombo izay? Mampiteny ny moana, mampitampim-bava izay afa-miteny… Ao ny mandika na mamadika izany ho misy ambadika […]

Kaominina Sakaomadinika -Tsaratanana: ireo miaramila indray no mampihorohoro

Kaominina Sakaomadinika -Tsaratanana: ireo miaramila indray no mampihorohoro

Mikorontana tanteraka ny fiahiana ny fandriampahalemana any Sakaomadinika-Tsaratanàna. Tsy fantatra intsony izay tena mpanao ratsy sy mpiaro ny vahoaka. Mijoro vavolombelona ny lehilahy iray fa mamoa-doza ny miaramila any an-toerana.  Teo aloha, nampandositra ny sefo fokontany ao Tsinjorana, kaominina Sakaomadinika disitrikan’ i Tsaratanana faritra Betsiboka, ny fampihorohoroan’ny dahalo sy ny zandary. Amin’izao fotoana izao kosa, […]

Fidangan’ny vidin-tsolika: 600 Ar ny saran-dalan’ny taxi-be 114

  Nampiakatra ny saran-dalana avokoa ny taxi-be fa tsy niandry “izany 15 andro” lazain’ny ATT fa fepetra tsy maintsy arahina, fotoana ampandrenesana mialoha ny mpandeha.  Hanamarinana izany, tonga dia nampiharin’ny kaoperativa Miorina, taxi-be 154 (Amboditsiry-Tanjombato), ny saran-dalana 500 Ar, nanomboka ny tapak’andro maraina na mbola 400 Ar aza ny vao maraimbe. Tsy nisy ny fampilazana […]

Fiovan’ny toetr’andro: mitaky ezaka ny fiarovana ny sosona ozona

Fiovan’ny toetr’andro: mitaky ezaka ny fiarovana ny sosona ozona

« Tokony hotohizana ny fiarovana ny sosona ozona na efa hita aza fa nihena ny fahasimban’izany noho ny ezaka niarahana nanao”, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, Rabemananjara Rivo, tetsy Andavamamba ny herinandro teo. Nomarihina ny 16 septambra ny Andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny sosona ozona. Anisan’ny singa iray any amin’ny tontolo tsy taka-maso […]

Andro ho an’ny fanadiovana: maloto loatra ny eto Antananarivo

Andro ho an’ny fanadiovana: maloto loatra ny eto Antananarivo

  Voatery mandray andraikitra ny olon-tsotra sy ny fikambanana manao asa an-tsitrapo rehefa mahatsapa fa maro ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy. Anisan’izany ny fahadiovana, toy ny eto an-dRenivohitra, nahatonga ny fikambanana JCI nanome ohatra ny hafa. Maloto loatra izao tontolo izao ary misy fiantraikany ratsy mivantana eo amin’ny toekarena sy ny […]

FTAR: horaisina eny ifotony ny olana  

FTAR: horaisina eny ifotony ny olana   

  Mila raisina eny ifotony ny andraikitra handaminana ny tanàna ary tafiditra amin’izany ny  fitantanana ny fitaovam-pifamoivoizana eto Antananarivo. Taorian’ny fivoriambe nataon’ny mpitondra taxi eto Antananarivo teny Ankorondrano ny alakamisy lasa teo, tapaka fa hirotsaka handray andraikitra eny ifotony amin’ny famahana ny olana mianjady amin’izy ireo ny filohan’ny FTAR. Efa nandroso soso-kevitra matetika teny amin’ny […]

Mpiara-miasa amin’ny STAR: nodiovina ny teny Anosy sy ny manodidina

Mpiara-miasa amin’ny STAR: nodiovina ny teny Anosy sy ny manodidina

  Nandray anjara mavitrika tamin’ny Andron’ny fanadiovana ny mpiara-miasa amin’ny orinasa Star, ny faran’ny herinandro teto Antananarivo. 150 ny olona mpiray ombon’antoka nifanome tanana nanadio teny Anosy sy ny manodidina rehetra. Amin’ny maha orinasa tomponandraikitra azy, nitondra ny anjara birikiny koa ny orinasa Star niaraka amin’ny fitaovana ilaina : kifafa, harona… “Fanaporofoana fa vonona hiaro ny […]

Rugby – “Amboaran’ny filoha”: lasan’ny FTM Manjakaray ny 5 tapitrisa Ar

Rugby – “Amboaran’ny filoha”: lasan’ny FTM Manjakaray ny 5 tapitrisa Ar

   Mbola noporofoin’ny FTM Manjakaray indray fa andrarezin’ny taranja rugby izy ireo. Nomeny lesona indray mantsy ny STM (Savony), teo amin’ny famaranana, niadiana ny “Amboaran’ny filoha”. Mbola voatazon’ny FTM Manjakaray (Dakar) ny “Amboaran’ny filoha”, taranja rugby. Fihaonana, notanterahina, omaly tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Resin’izy ireo, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 48 no ho 40, ny […]

Tsipy kanetibe – Tompondaka eran-tany 2018: resin’i Alemaina teo amin’ny ampahavalon-dalana i Madagasikara

Tsipy kanetibe – Tompondaka eran-tany 2018: resin’i Alemaina teo amin’ny ampahavalon-dalana i Madagasikara

   Niala teo am-pelatanan’ny Malagasy ny anaram-boninahitra, tompondaka eran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Noravan’i Alemaina ny nofinofin’i Madagasikara mbola hitazona izany, tamin’ity. Nifarana teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana ny lalan’ny Malagasy, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Fihaonana, notanterahina, omaly, tany Desbiens, faritra avaratr’i Kanadà. Nosakanan’i Alemaina ny lalan’ny […]

Rugby – Lalao iraisam-pirenena: lavon’ny Makis ny Oxford University

Rugby – Lalao iraisam-pirenena: lavon’ny Makis ny Oxford University

  Tsara fipoitra ny Makis de Madagascar, teo amin’ny lalao iraisam-pirenena, nisedrana ireo mpilalao vaovao, nantsoina hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 39 no ho 35, mantsy ny ekipan’ny Oxford University, avy any Angletera, omaly alahady. Fihaonana, notontosaina tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Efa tany amin’ny 80 mn, niafaran’ny lalao, vao tafavoaka mpandresy ny […]

Kitra – «Poule des As 2018»: resin’ny Elgeco Plus tao amin’ny kianjany ny Fosa Jr

Kitra – «Poule des As 2018»: resin’ny Elgeco Plus tao amin’ny kianjany ny Fosa Jr

  Tontosa, omaly alahady, ny andro fahadimy eo amin’ny lalao miverina amin’ny “Poule des As”,  hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Nitranga ny tsy nampoizina satria resin’ny Elgeco Plus Analamanga, tamin’ny isa tery 3 no ho 2, tao amin’ny kianja filalaovany, tao Rabemananjara, ny Fosa Jr Boeny. Fihaonana, tsy noeritreretin’ny Fosa Jr mihitsy. […]