Flash
Préc Suiv

NS Malagasy

Hevitra mandalo, resaky ny mpitsimpona akotry: fitandroana ny fanajana andriambavilanitra

Kabary ihany raha ny eto an-toerana izany atao hoe tolona ho an’ny fitovian-jon’ny vehivavy amin’ny lehilahy izany, na samy mihevitra aza any am-po any fa izany fisalahana izany no rariny. Tazana amin’ny fihetsiky ny maro fa tsy latsaka anaty ny fifehezan’ny toe-tsaina ny fitondran-tena arak’izay. Fantatra fa mbola maro ny mpamono vady. Ary raha miresaka […]

Tsy ny hasin’ny fahefam-panjakana ihany…

Tsy ny hasin’ny fahefam-panjakana ihany…

Miady mafy amin’izay hamerenana ny hasin’ny fahefam-panjakana ny governemantan’ny marimaritra iraisana amin’izao fotoana izao. Misy ny fitetezam-paritra sy ny fidinana ifotony amin’izany. Vitan’ny fifampidinihana ve ny raharaha? Na ny fanomezana baiko, fanaraha-maso… Ho hita eo! Tsy ny hasin’ny fahefam-panjakana ihany tsinona no very amin’izao fa tsy hita be ihany koa mbamin’ny fitondram-panjakana na ny mpitondra: […]

FJKM Atsimon’Imahamasina: namoy ny ainy ny prezidan’ny AFF, naratra ny mpitandrina

FJKM Atsimon’Imahamasina: namoy ny ainy ny prezidan’ny AFF, naratra ny mpitandrina

  Iray maty, 15 naratra. Io ny vokatry ny lozam-pifamoizoizana nitranga, omaly maraina, tany Ilempona-Antanifotsy. Fiara Sprinter iray, avy any Mahajanga, nianatsimo ho any Fandriana, no nifandona tamina fiara madinika, Mazda3, avy any Morondava. Raha ny sary miparitaka any amin’ny tambajotran-tserasera rehetra any, hita ho mafy ny fifandonan’ireto fiara roa ireto. Potika tanteraka ny lohan’ilay […]

Tsipy kanetibe – “Tompondaka eran-tany 2018”: resin’i Madagasikara ry zareo Frantsay

Tsipy kanetibe – “Tompondaka eran-tany 2018”: resin’i Madagasikara ry zareo Frantsay

Tsara aloha ny vokatra ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, eo amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany 2018, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Fihaonana, tanterahina ao amin’ny tanànan’i Desbiens, ao Kanadà. Raha ho an’ny lalaon’olon-telo miaraka, nampiaiky ny rehetra ny nandresen’ny Malagasy an-dry zareo Frantsay, tamin’ny isa, tery 13 no ho 12, teo amin’ny fihodinana […]

Kitra vehivavy – “cosafa cup 2018”: mbola resy fanindroany ny Barea de Madagascar

Tsy mbola afa-bela, tamin’i Malawi ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny “cosafa cup 2018”, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Lalao natokana, ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Resin’i Malawi, tamin’ny isa, mazava, 2 no ho 0 ny tovovavy malagasy, omaly zoma, teo amin’ny andro faharoa, ho an’ny sokajy “A”. Fihaonana, notanterahina, […]

Axian sy ny EDBM: fifaninanana fandraharahana ara-pambolena

Nampahafantarina, omaly ny fifaninanana mamorona mikasika ny fandraharahana mifandray amin’ny fambolena, fiompiana ary ny jono (agri-business). Fiaraha-miasa eo amin’ny vondrona orinasa Axian sy ny sampandraharaha mampandroso ny fandraharahana eto Madagasikara (EDBM), hanohanana ny famoronana orinasa na tetikasa, indrindra ho an’ny tanora sy ny orinasa tena madinika (TPE). Ifantohan’ny lohahevitra, ny fampiasana ny Teknolojia vaovao ny […]

Foaran’ny fambolena sy fiompiana (FIA): mandray sy mihaino ny mpanjifa rehetra ny BNI

Mandray anjara amin’ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena sy ny fiompiana (FIA) ny BNI Madagascar, nanomboka ny 13 hatramin’ny rahampitso 16 septambra eny amin’ny Forello Tanjombato. Fanintelony izao izany fandraisana anjara izany. Mitondra vahaolana ho an’ny rehetra tsy an-kanavaka ny andraikitry ny banky. « Manome lanja izao fotoana izao ny BNI ho fandraisany anjara feno amin’ny […]

100.000 ha isan-taona ny ala potika: tetikasa roa ny ataon’ny USAID : Mikajy sy Hay Tao

Potika hatrany ny tontolo iainana  manerana ny  Nosy : ala rava ary ripaka, manaraka izany koa ireo zavaboahary sy ny biby, jono tafahoatra. Etsy andaniny anefa, tsy mitsaha-mitombo ny mponina. Manolona izany, mitondra ny tetikasany ny vahoaka amerikanina amin’ny alalan’ny USAID : Mikajy sy Hay Tao. Efa loza mihatra amin’ny vahoaka malagasy ny faharavan’ny tontolo […]

Boriborintany IV: nalamina ny tsena Namontana

Boriborintany IV: nalamina ny tsena Namontana

Nesorina avokoa ireo mpivarotra amoron-dalana teo ivelan’ny tsena eny Namonta, omaly. “Mikorontana sy maloto loatra ny tsena ka natao izany fandaminana izany” hoy ny tompon’andraikitry ny tanànan’Antananarivo. Nifarimbona ny ekipan’ny boriborintany fahefatra sy ny avy ao amin’ny fiadidiana ny lapan’ny Tanàna. Nesorina avokoa ireo mpivarotra ivelan’ny tsena, tokony hiala amin’ny fito maraina, isan’andro. Marihina fa iandraiketan’ny […]

Tsy tokony hampidirana politika ny fanabeazana: nivondrona amin’ny sendikà vaovao SeiM ny mpanabe

Tsy tokony hampidirana politika ny fanabeazana: nivondrona amin’ny sendikà vaovao SeiM ny mpanabe

Nivondrona ho iray ny sendikàn’ny mpanabe, nahatsapa fa tsy nety ny fomba fanaovan’ny sendikà sasany amin’ny fitakiana ny fanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana. Avy amin’ny fikambanana sy ny sendikà samihafa izy ireo ary nametraka ny Sendikà Ivondronan’ny mpanabe eto Madagasikara (SeiM). « Lasa nirona tamin’ny fanaovana politika ny mpitarika sendikà ka potika ny tolona fitakiana ny fanavaozana […]

Toamasina I: 40,46% ny taham-pahafana BEPC

Natao omaly tetsy amin’ny CEG Ambodimanga ny « délibération » ho an’ny fanadinana BEPC, nataon’ny mpampianatra nisahana ny fanadinana ao Toamasina. Nifantohan’ny adihevitra nandritra ny « délibération » ny famerana ny naoty farany ambany noho ny tsy fahampian’ny fotoana nianaran’ny mpianatra, indrindra ny sekolim-panjakana. Tapaka taorian’ny adihevitra mafana ary voafidin’ny maro an’isa fa 09/20 ny naoty farany ambany ahafahana […]

Fantina  sy fintina

Hitohy isaky ny alakamisy ny fivorian’ny Ceni  amin’ny endriny vaovao, ahitana ny solontenan’ireo kandida filoha miisa  26 amin’izao  fotoana  izao. Na  izany aza, mbola miantso  ireo kandidà 10  hafa  tsy mbola nandefa solontena ny eo anivon’ity  rafitra mikarakara ny fifidianana ity mba handefa izany, hahatongavana amin’ny fifidianana eken’ny rehetra  sy mangarahara. Hihaona amin’ny vahoakan’Ivato ny […]

Mpiasan’ny minisitera: nianatra ny fiompiana trondro

Mitohy ny fanofanana ireo mpiasan’ny sekreteram-panjakana misahana ny ranomasina,  eo anivon’ny minisiteran’ny harena anaty rano sy ny jono. Nidina ifotony teny Ambatolampy Tsimahafontsy izy ireo, omaly, nianatra ny fiompiana trondro. Nambaran’ny tompon’andraikitry ny mpiasa  eo anivon’ny minisitera, i Niry Nancy Vanina, fa  tohin’ny fampiofanana izao. « Omena izany izy satria vao haingana ny niditra ho mpiasam-panjakana. […]

GDPEM: « Azo hahena ny volan’ny faktioran-jiro »

GDPEM: « Azo hahena ny volan’ny faktioran-jiro »

Nitondra vahaolana. « Azo  atao ny mampihena ny vola mivoaka amin’ny faktioran-jiro. Tsy misy halatra izany fa misy teknika sy teknolojia afahana manao izany. Hihena  hatrany amin’ny 40% izany vidin-jiro  izany”, hoy ny filohan’ny  Vondron’ny  mpandraharaha matihanina momba ny angovo (GDPEM),  Rakotomalala Sahondrarison tetsy  Andrefan’Ambohijanahary, omaly. Nanteriny  fa  anisan’ny ahafahana mampihena ny vidin-jiro ny fahaizana mandrindra […]

Fifidianana: manohana ny kandidà Rajoelina ny Cram

Fifidianana: manohana ny kandidà Rajoelina ny Cram

Manao  ranolava.  Namoaka fanambarana  koa ny eo anivon’ ny Cram amin’izao hiatrehana ny  fifidianana izao.  Resy lahatra amin’ny mpanorina  ny IEM izy ireo. « Manohana tsy misy fepetra ny kandidà Andry Nirina Rajoelina, mitondra ny laharana faha-13 ao amin’ny biletà tokana amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika, ny 7 novambra 2018, ny « Cercle de réflexion pour […]

Jean-Claude Bardu: nampiofana mpandihy 15 mianadahy

Mpanao soradihy, manana ny mampiavaka azy, avy any Goadelopy, i Jean-Claude Bardu. Efa mpandalo matetika eto amintsika izy ary mizara hatrany ny traikefany. Tontosa tetsy amin’ny Cemdlac Analakely, ny famaranana ny atrikasa, notanterahiny teto an-dRenivohitra. 15 ny mpandihy nisitraka izany. Araka ny fanazavan’i Nirina, avy amin’ny kaompania Dinirina, samy manana ny lentam-pahaizana, ny mpiofana tsirairay. […]

“Poesam 2018”: fantatra ireo tetikasa telo hisolo tena an’i Madagasikara

“Poesam 2018”: fantatra ireo tetikasa telo hisolo tena an’i Madagasikara

“Madabooky”, tetikasa iray mifototra amin’ny fampianarana amin’ny alalan’ny “internet”; natao ifanakalozan’ny mpampianatra sy ny mpianatra ary misy fampianarana maromaro maimaim-poana. “Takalo”, tetikasa natao handefasam-bola eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny internet. “Dokeo”, “application” iray mahakasika ny fampianarana ary natao mba hifanaraka amin’ny rafitra eto Madagasikara. Ireo tetikasa telo ireo no voasafidy tao anatin’ny tetikasa 10, […]

FJKM Ambohimamory 150 taona: hanolotra seho lehibe ny Ampifitia

FJKM Ambohimamory 150 taona: hanolotra seho lehibe ny Ampifitia

Ambohimamory, vohitra mirakitra tantara eto Madagasikara. Iray amin’ireny ny fananany ny fiangonana FJKM Ambohimamory Malala Orimbato izay mandia ny faha-150 taona. Vanim-potoana tsy ho lalovam-potsiny… Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-150 taon’ny fiangonana FJKM Ambohimamory Malala Orimbato, hanatanteraka seho goavana, ao amin’ny Kianja mitafon’Imahamasina, ny alahady 30 septambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany […]

Famelabelaran-kevitra tany  Frantsa: nanome lesona momba ny demokrasia Rajoelina

Famelabelaran-kevitra tany  Frantsa: nanome lesona momba ny demokrasia Rajoelina

Nitondra ny traiekafany.“Afaka hampandrosoana ny firenena izany demokrasia izany. Iharan’ny didy jadona ny firenena iray tsy mampanjaka izany”, hoy ny kandidà Rajoelina tany  Frantsa.  Nitondra famelabelaran-kevitra tao Paris ny tenany, ny alarobia alina  teo. Niarahana tamin’ny “Association sciences Po pour l’Afrique (Aspa) izany. Lohahevitra novoizina ny momba ny demokrasia aty amin’ny tany afrikanina sy ny […]

Fitsarana tsy mazava, mampiahiahy: notaire iray mitaky 3,1 tapitrisa dolara amin’Ambatovy

Mampiahiahy ny ataon’ny fitsarana any Toamasina amin’ny orinasa Tetikasa Ambatovy. Taorian’ny fanadihadiana natao, fantatra fa nomen’ny fitsarana any an-toerana rariny ny fangatahan’ny notaire iray any Toamasina, onitra amin’ity orinasa ity, hanafoana fifanarahana antoka tany (hypothèque) nataon’Ambatovy, efa tamin’ny 10 taona lasa, ny taona 2008. Tsy mazava sady mampiahiahy ity raharaha ity satria tsy tompon’ny tany […]

Tselatra

Lasan’ny dahalo nandritra ny fanafihana ny talen’ny Ceg sy ny Daf Cisco Antsalova, afakomaly ny valim-panadinana BEPC 2018. Araka ny fampitam-baovao, teo Antsalova lalana mihazo an’i Bekopaka, 20 km miala an’i Bekopaka no nitrangan’ny fanafihana. Naratra ireto mpiasam-panjakana ireto noho ny herisetran’ireo malaso ka lasan’izy ireo tamin’izany ny valim-panadinana BEPC niaraka tamin’ireo telefaonina finday sy […]

EGNA: 5 taona am-ponja ilay Lietnà nanolana mpianatra ho zandary

Dimy taona an-tranomaizina sazy mihatra ny sazin’ilay Lietnà nanolana vehivavy mpianatra ho zandary tao amin’ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena any Ambositra, ny asabotsy alina teo. Voalaza fa nentin’ny hamamoana ity manamboninahitra mpampiofana ao amin’ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena Ambositra (EGNA) ity, tamin’io fotoana ka tsy tompon’ny tenany ka izao nahavita fihetsika mamoafady tamin’ity tovovavy mpianatra ho zandary ity. Nosamborina […]

Satroboninahitra: mbola tsy hita ilay hoy ny minisitra

Nitondra fanamarihana ary nanamafy hatrany ny minisitry ny kolontsaina sy ny vakoka,  i Eléonore Johasy fa mbola tsy hita ilay satroboninahitra nisy nangalatra tao amin’ny lapan’Andafiavaratra ny taona 2011. Tsy mbola nisy resaka famarotana ity satroky ny mpanjakavavy ity koa tany Paris fa tsy araka ny resabe miely any anaty tambajotran-tserasera, raha ny nambaran’ity minisitra […]

Zaza telo volana namidy 8 hetsy Ar: tambajotrana mpangala-jaza saron’ny polisy

Zaza telo volana namidy 8 hetsy Ar: tambajotrana mpangala-jaza saron’ny polisy

Voasambotry ny polisy misahana ny vehivavy sy ny zaza tsy ampy taona, ny 6 septambra 2018 lasa teo, ireo tambajotrana mpangala-jaza (lehilahy iray sy vehivavy roa) tompon’antoka tamin’ny fangalarana zazakely vao telo volana monja teny amin’ny Petite Vitesse. Araka ny fanazavan’ny polisy, vehivavy roa no nametsifetsy ny renin-jaza nahazoan’ireo mpangala-jaza ity zazakely ity. Nilaza ireo […]

Tany misy fanjakana, hono…

Tany misy fanjakana, hono…

Tany misy fanjakana eto, raha ny nambaran’ny mpitondra mpisolo toerana. Tampohin-javatra? Fahefana raha ny marina… Na tahotra sy tsy fahatokisan-tena, ka ny an’ny tena no atao tonga aloha: fampitandremana, fampitahorana aza. Tsy nisy fanjakana, angaha, teto hatramin’izay, raha tsy hiteny afa-tsy izao Repoblika IV izao? Iaraha-mahita, iaraha-miaina… Manao ahoana? Fanjakana tsy tan-dalàna; amin’izao farany izao […]