Flash
Préc Suiv

NS Malagasy

Fiovan’ny toetr’andro: mitaky ezaka ny fiarovana ny sosona ozona

Fiovan’ny toetr’andro: mitaky ezaka ny fiarovana ny sosona ozona

« Tokony hotohizana ny fiarovana ny sosona ozona na efa hita aza fa nihena ny fahasimban’izany noho ny ezaka niarahana nanao”, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, Rabemananjara Rivo, tetsy Andavamamba ny herinandro teo. Nomarihina ny 16 septambra ny Andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny sosona ozona. Anisan’ny singa iray any amin’ny tontolo tsy taka-maso […]

Andro ho an’ny fanadiovana: maloto loatra ny eto Antananarivo

Andro ho an’ny fanadiovana: maloto loatra ny eto Antananarivo

  Voatery mandray andraikitra ny olon-tsotra sy ny fikambanana manao asa an-tsitrapo rehefa mahatsapa fa maro ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy. Anisan’izany ny fahadiovana, toy ny eto an-dRenivohitra, nahatonga ny fikambanana JCI nanome ohatra ny hafa. Maloto loatra izao tontolo izao ary misy fiantraikany ratsy mivantana eo amin’ny toekarena sy ny […]

FTAR: horaisina eny ifotony ny olana  

FTAR: horaisina eny ifotony ny olana   

  Mila raisina eny ifotony ny andraikitra handaminana ny tanàna ary tafiditra amin’izany ny  fitantanana ny fitaovam-pifamoivoizana eto Antananarivo. Taorian’ny fivoriambe nataon’ny mpitondra taxi eto Antananarivo teny Ankorondrano ny alakamisy lasa teo, tapaka fa hirotsaka handray andraikitra eny ifotony amin’ny famahana ny olana mianjady amin’izy ireo ny filohan’ny FTAR. Efa nandroso soso-kevitra matetika teny amin’ny […]

Mpiara-miasa amin’ny STAR: nodiovina ny teny Anosy sy ny manodidina

Mpiara-miasa amin’ny STAR: nodiovina ny teny Anosy sy ny manodidina

  Nandray anjara mavitrika tamin’ny Andron’ny fanadiovana ny mpiara-miasa amin’ny orinasa Star, ny faran’ny herinandro teto Antananarivo. 150 ny olona mpiray ombon’antoka nifanome tanana nanadio teny Anosy sy ny manodidina rehetra. Amin’ny maha orinasa tomponandraikitra azy, nitondra ny anjara birikiny koa ny orinasa Star niaraka amin’ny fitaovana ilaina : kifafa, harona… “Fanaporofoana fa vonona hiaro ny […]

Rugby – “Amboaran’ny filoha”: lasan’ny FTM Manjakaray ny 5 tapitrisa Ar

Rugby – “Amboaran’ny filoha”: lasan’ny FTM Manjakaray ny 5 tapitrisa Ar

   Mbola noporofoin’ny FTM Manjakaray indray fa andrarezin’ny taranja rugby izy ireo. Nomeny lesona indray mantsy ny STM (Savony), teo amin’ny famaranana, niadiana ny “Amboaran’ny filoha”. Mbola voatazon’ny FTM Manjakaray (Dakar) ny “Amboaran’ny filoha”, taranja rugby. Fihaonana, notanterahina, omaly tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Resin’izy ireo, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 48 no ho 40, ny […]

Tsipy kanetibe – Tompondaka eran-tany 2018: resin’i Alemaina teo amin’ny ampahavalon-dalana i Madagasikara

Tsipy kanetibe – Tompondaka eran-tany 2018: resin’i Alemaina teo amin’ny ampahavalon-dalana i Madagasikara

   Niala teo am-pelatanan’ny Malagasy ny anaram-boninahitra, tompondaka eran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Noravan’i Alemaina ny nofinofin’i Madagasikara mbola hitazona izany, tamin’ity. Nifarana teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana ny lalan’ny Malagasy, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Fihaonana, notanterahina, omaly, tany Desbiens, faritra avaratr’i Kanadà. Nosakanan’i Alemaina ny lalan’ny […]

Rugby – Lalao iraisam-pirenena: lavon’ny Makis ny Oxford University

Rugby – Lalao iraisam-pirenena: lavon’ny Makis ny Oxford University

  Tsara fipoitra ny Makis de Madagascar, teo amin’ny lalao iraisam-pirenena, nisedrana ireo mpilalao vaovao, nantsoina hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 39 no ho 35, mantsy ny ekipan’ny Oxford University, avy any Angletera, omaly alahady. Fihaonana, notontosaina tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Efa tany amin’ny 80 mn, niafaran’ny lalao, vao tafavoaka mpandresy ny […]

Kitra – «Poule des As 2018»: resin’ny Elgeco Plus tao amin’ny kianjany ny Fosa Jr

Kitra – «Poule des As 2018»: resin’ny Elgeco Plus tao amin’ny kianjany ny Fosa Jr

  Tontosa, omaly alahady, ny andro fahadimy eo amin’ny lalao miverina amin’ny “Poule des As”,  hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Nitranga ny tsy nampoizina satria resin’ny Elgeco Plus Analamanga, tamin’ny isa tery 3 no ho 2, tao amin’ny kianja filalaovany, tao Rabemananjara, ny Fosa Jr Boeny. Fihaonana, tsy noeritreretin’ny Fosa Jr mihitsy. […]

Kitra vehivavy – «Cosafa 2018»: hidona i Botsoana sy ny Barea

Kitra vehivavy – «Cosafa 2018»: hidona i Botsoana sy ny Barea

  Hiatrika ny lalao farany, hiadiana ny “Cosafa cup 2018”, taranja baolina kitra sokajy vehivavy, anio, ny Barea de Madagascar. Fihaonana, tanterahina anio alatsinainy atsy Afrika Atsimo, natokana ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Fifanintsanana ho an’ny sokajy “A”. Hidona amin’i Botsoana ny Barea amin’ity. Ekipa efa samy tsy tafakatra intsony, na ny […]

HCDDED: « Mba tsy hohararaotinareo kandidà ny fahantram-bahoaka… »

HCDDED: « Mba tsy hohararaotinareo kandidà ny fahantram-bahoaka… »

   Tsy nandalo fotsiny ny andro iraisam-pirenena ho an’ny  demokrasia. Nanao fanambarana nanamarihana  sy nankalazana izany ny eo anivon’ny HCDDED.  « Amin’izao ankatoky ny vanim-potoan’ny fifidianana izao, manentana ireo kandidà tsirairay avy sy ireo mpanohana azy ny HCDDED mba tsy hanararaotra ny fahantran’ny vahoaka, ary hanaja hatrany ny fitsipi-dalaon’ny tany tan-dalàna. » Io ny fanambaran’ny Filankevitra ambony […]

Radanoara Julien: « Miankina amin’ny iraisam-pirenena ny fifidianana »

  « Manana anjara toerana eto ny iraisam-pirenena amin’ny fandehanan’ny fifidianana na tsia. Izy ireo no afa-miteny. Miforitra avokoa ireo mpanao politika, raha vao teneny, na mandeha rehefa ampirisihany. » hoy ny mpahay fifandraisana iraisam-pirenena, Radanoara Julien. Miankina amin’ny fiombonambe iraisam-pirenena io fifidianana io, araka ny fanazavany. Ny Malagasy no tokony hahay mifandefitra, hahay miresaka. Talohan’izao, efa […]

Bianco Mahajanga: “Mampahantra ny kolikoly”

Bianco Mahajanga: “Mampahantra ny kolikoly”

“Tsy voafehy ny kolikoly matoa mahantra ny firenena iray” hoy ny talem-paritra vaovao eo anivon’ny Bianco Mahajanga, RatsimbazafyAndrianirina Olivier.  Nandray  izany toerana izany ny  tenany,  nanomboka  ny  alarobia teo  tany an-toerana,  nisolo an-dRehemana Edmond, lasa nisotro ronono. Nanteriny  fa anisan’ny  tsy mahafoana  ny kolikoly ny tsy fahafantarana ny lalàna, ny tsy fanajana azy ary ny […]

Fampitaovana: harenina ny Cnapmad

Fampitaovana: harenina ny Cnapmad

  Nisedra olana sy nikororosy fahana teo aloha. “Hanomboka ny fampiofanana ireo teknisianina arahin’ny fanatsarana ny milina hoentina mamokatra ireo fitaovana ampiasaina amin ny sehatry ny fampianarana”, hoy ny  talen’ny Cnapmad, Rajaonarivelo Brysola. Nambarany fa vonona hanohana sy hanampy azy ireo ny mpiara-miombona antoka, toy ny Unicef, ny Pnud, ireo orinasa miankina sy tsy miankina […]

“Manonoke fanahy”: tantara mampihavana ny olombelona amin’ny zavaboahary

“Manonoke fanahy”: tantara mampihavana ny olombelona amin’ny zavaboahary

   Niavaka raha samy teatra ny nolalaovin’ny kaompania Landy Volafotsy sy ny Lolita Monga, tetsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely ny asabotsy tolakandro teo. Nofohazina ny angano taloha nanehoana ny zava-misy ankehitriny. Tsy inona io zava-misy ankehitriny io fa ny fahapotehan’ny zavaboahary (biby sy zavamaniry) noho ny afitsoky ny olombelona. “Nikomy ny biby […]

Cisco Antananarivo Renivohitra: niakatra 48,81% ny taham-pahafahana BEPC

Cisco Antananarivo Renivohitra: niakatra 48,81% ny taham-pahafahana BEPC

  Niakatra ho 48,81% ny taham-pahafahana BEPC eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra raha 48,04% izany ny taon-dasa, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, i Malazanomena Harivony, ny asabotsy lasa teo, fotoana nivoahan’ny valim-panadinana teny amin’ny foibe rehetra. Manodidina ny 12 000 mahery teo ho eo ny isan’ny afaka ary tsy niova loatra ny taham-pahafahana eto Antananarivo Renivohitra. […]

Fanadinana bakalorea: misy « assistant » ny mpiadina manana fahasembanana

Fanadinana bakalorea: misy « assistant » ny mpiadina manana fahasembanana

  15 ny isan’ny mpiadina manana fahasembanana eto Antananarivo sy ny manodidina hiatrika ny fanadinana bakalorea, manomboka anio hatramin’ny zoma izao, raha manao adina fanatanjahantena an-tsoratra izy ireo. « Tsy mbola manana fitaovana manokana ho azy ireny ny minisiteran’ny Fampianarana ambony toy ny “Braille”. Vao nisoratra anarana ho isan’ny mpiadina kosa anefa izy ireo, misy « assistant » […]

Autisme Madagascar: mpitsabo vahiny nitily ankizy 12 

  Ny volana jolay lasa teo, nisy manampahazaina vahiny roa tonga teto Madagasikara hizaha ny ankizy ahina ho manana toe-tena « autiste ». Maimaimpoana ny hetsika notanterahina ho fanampiana ny ray aman-dreny sy ny ankizy ary tompon-kevitra amin’ny fanasana ny mpitsabo ny tomponandraikitry ny fikambanana Autisme Madagascar tarihin-dRaveloarimisa Mbolatiana. Ankizy 12 teto Analamanga sy tany amin’ny faritra […]

Ranty etsy amin’ny IFM: ireo kanto, tsiahin’ny tantara, vakoka rahatrizay

Ranty etsy amin’ny IFM: ireo kanto, tsiahin’ny tantara, vakoka rahatrizay

  Miaina tokoa ny zavakanto malagasy. Izay ny tsapa avy hatrany raha mitsidika ny efitrano fampirantian’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely. Aranty ao, nanomboka ny 10 septambra teo, ny “Tsiahin’ny zavakanto malagasy ankehitriny”. Tsy mbola nisy hetsika toy ity satria mihazakazaka manaraka ny zava-misy eo amin’ny fiarahamonina, eo amin’ny toekarena ary ny eo […]

Praiminisitra Ntsay Christian: “Arovana ny sisin-dranomasina…”

Praiminisitra Ntsay Christian: “Arovana ny sisin-dranomasina…”

  “Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny fametrahana ny toekarena manga. Ilaina ny mametraka paikadim-pirenena maharitra hiarovana ny sisin-dranomasina. Efa ezaka iray hirosoana amin’ny fahaleovantenantsika amin’izany ny nametrahana foibe fanangonam-baovao mahakasika ny eny an-dranomasina (CFIM)”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian tany Antsiranana ny herinandro teo. Nitsidika ny fandalovan’ny sambo “Castilla” an’ny tafika an-dranomasina espanola […]

Fanatanterahana ny teny nomena: nahazo tombony amin’ny IEM sahady ny any Itasy

Fanatanterahana ny teny nomena: nahazo tombony amin’ny IEM sahady ny any Itasy

   Tsy niandry ela taorian’ny fitsidihana. Nivaly sahady ny ampahan’ny fangatahana sy ny hetahetan’ny mponina tamin’ireo faritra notsidihin’ny mpanorina ny IEM, Rajoelina.  Anisan’ny nahazo tombony tamin’izany ny any Imerintsiatosika, ny any Arivonimamo, ny any Soamahamanina ary ny any Soavinandriana, samy any amin’ny faritra Itasy. Efa tonga ao Imerintsiatosika ny milina fanjairana miisa 15 natolotra ho […]

Ampefiloha: voasambotra ny jiolahy lehiben’ny mpangalatra moto

Ampefiloha: voasambotra ny jiolahy lehiben’ny mpangalatra moto

Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Isotry teo akaikin’ny vavahady eny Ampefiloha, ny herinandro teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny halatra moto. Araka ny fanazavan’ny polisy, nihazo iny lalana mankany Ampefiloha iny ilay mpangalatra niaraka amin’ny moto nangalariny. Nanao fisafoana teny amin’ny vavahady Ampefiloha ireo polisy ka nifanena tamina lehilahy iray nanosika moto. Nosavain’ny polisy avy hatrany izy ary […]

Tselatra  

  Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina na Stup tao anatin’ny hetsika “Opération de ratissage” teny amin’ny faritra Anosizato sy Andranomena ny jiolahy miisa sivy tratra teo am-pifohana sy am-pivarotana rongony. Araka ny fanazavan’ny polisy, sarona teny Anosizato eny amin’ny fefiloha akaikin’ny tetezan’Ampasika ny dimy amin’ireo jiolahy ireo, ny zoma tolakandro teo. […]

Mahajanga: maty rotiky ny balan’ny jiolahy ny mpiambina kioska iray

Mahajanga: maty rotiky ny balan’ny jiolahy ny mpiambina kioska iray

   Tsy mandry fahalemana ny ao antampon-tanànan’i Mahajanga, amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao. Lasibatry ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny mpiambina kioska iray. Nandriaka vao maraina indray ny ra tao amin’ny Bois Sacré Mahajanga, ny asabotsy teo. Raim-pianakaviana iray lavon’ny balan’ny jiolahy, ny asabotsy tamin’ny 7 ora maraina. Araka ny fampitam-baovao voaray, mpiambina kioska iray ao […]

Toamasina: zanaka mpitandro filaminana miray tendro amin’ny jiolahy

Toamasina: zanaka mpitandro filaminana miray tendro amin’ny jiolahy

  Saron’ny zandary, ny alakamisy 13 septambra teo, ireto roa lahy, jiolahy anisan’ny nampihorohoro mafy ireo mpanao asa momba ny fiifanakalozam-bola, amin’ny alalan’ny tambajotram-mpifandraisana, sy fivarotana fahana, manerana ny tanànan’ i Toamasina. Araka ny fantatra, tsy iza fa zanaka mpitandro filaminana ny iray amin’izy ireo ary zana-drahalahina  mpitandro filaminana kosa ilay niaraka taminy. Tsy nanano […]