Flash
Préc Suiv

NS Malagasy

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: fahaizana sy fahendrena

Ao ankatoky ny fifidianana izao maro ny fanehona fanirina mikasika ny toetra sy fanahin’ny filoha izay ho fidiny. Ny fanirina ny fananan’ny fahaizana no matetika miverina. Tsy afaka amaivanina mihitsy moa izany fananana fahaizana izany, ny fandehanan’ny raharaha mitaky fahaiza-mandinika lalina ny raharaha aman’asa eo amin’ny lafiny rehetra ary izany eo amin’ny sehatra tsy ankanavaka. […]

Tsy misy afa-tsy fifidianana izao… .

Tsy misy afa-tsy fifidianana izao… .

Tsy misy afa-tsy fifidianana ny vaindohan-draharaha sy mahamaika amin’izao? Na izay no hoe antom-pijoroan’ny governemanta amin’izao… Toa hadino sy tavela ho azy ny fiainan’ny vahoaka ifotony, indrindra izay manahirana sy mampikaikaika azy isan’andro. Lehibe sy voalohany amin’izany, ohatra, ny tsy fandriampahalemana: tsy an-tanàn-dehibe, tsy any ambanivohitra, tsy an-dalam-pirenena aza. Miara-dalana amin’izany ny fandrobana tany etsy […]

Rn7: karandalina nivadika, nahafaty zaza efa-taona

Rn7: karandalina nivadika, nahafaty zaza efa-taona

Nivadika indray ny taksiborosy Karandalina iray tany amin’ny lalam-pirenena fahafito. Vokatry ny fandehanana mafy, izay nolazain’ny olona fa niloka ny saofera, ny nahatonga izany. Nahafatesana zaza iray, ary mbola maro ny olona atahorana ny ainy tamin’ity loza ity. Nivadika ambony ambany ny kamiao taksiborosy Karandalina an’ny kaoperativa Besalama, tany amin’ny lalam-pirenena fahafito, teo anelanelan’Ilakaka sy […]

Rugby: hanohitra ny Oxford University ny Makis

Rugby: hanohitra ny Oxford University ny Makis

Hanamarika ity faran’ny herinandro ity, ny lalao iraisam-pirenena eo amin’ny taranja rugby. Fihaonana miverina hikatrohan’ny Makis de Madagascar sy ny Oxford University avy any Angletera. Vonona hanohitra ny Anglisy ny Malagasy. Hitana ny sain’ny rehetra, ny lalao iraisam-pirenena eo amin’ny taranja rugby. Fihaonana, hatao rahampitso alahady, etsy amin’ny kianjaben’ny Mahasina, hifandonan’ny Makis de Madagascar sy […]

Hetsika  eny amin’ny seksiona: raikitra ny « Baskety Be » an’Ambohidratrimo

Hetsika  eny amin’ny seksiona: raikitra ny « Baskety Be » an’Ambohidratrimo

Hotanterahina ny 13 oktobra izao ary haharitra telo volana ny “Baskety Be” iarahana amin’ny seksiona Ambohidratrimo. Hatao amin’ny kianja roa eny amin’ny RFI Ivato sy eny Ambohidratrimo izany ary hanasana  ireo ekipa manana ny sokajy U12,  U14,  “Senior” ary “Vétéran”  izany. “Misokatra ho an’ny rehetra  izany,na  klioba, na orinasa,na fokontany,  na fiangonana, afaka mandray anjara  […]

Boriborintany  VI: fanadiovana hiadiana amin’ny pesta

Boriborintany  VI: fanadiovana hiadiana amin’ny pesta

Niara-nientana nanao fanadiovana faobe teny amin’ny boriborintany fahenina ny ekipan’ny kaominina Antananarivo rehetra niara-niasa tamin’ny fanatontosana ny asa fanadiovana, omaly. Nifarimbona tamin’izany koa ny fokonolona nanerana ny fokontany 32 ary ny RF2 ao amin’ity boriborintany ity, miisa 650. Nozaraina faritra enina ny fokontany miisa 32 voakasiky ny fanadiovana. Anisan’izany, Ankazomanga, Anosivavaka, Antanety Atsimo parking ao […]

Indray mijery

Nifarana tanteraka ny vanim-potoan’ny ririnina eto Madagasikara raha ny fanazavan’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsyAmpandrianomby rehefa nataon’izy ireo ny fandalinana samihafa mahakasika ny toe-tany sy ny toetry ny andro. Manamarina izany avokoa ny sary azo avy amin’ny zanabolana sy ny fampitahana teo amin’ny maripana. Tsara ny manamarika fa amin’ny ankapobeny dia nafana kokoa ny […]

Fanamafisana ny andron’ny vaksiny: hotanterahina amin’ny distrika 59

Fanamafisana ny andron’ny vaksiny: hotanterahina amin’ny distrika 59

Distrika 59 amin’ny faritra 11 no hanatanterahan’ny fanamafisana ny andron’ny vaksiny andiany faha-14, manomboka ny 26 ka hatramin’ny 28 septambra izao. Nosafidiana manokana ireo distrika ireo noho ny tahan’ny fanaovam-baksiny mahazatra mbola ambany raha mitaha amin’ny tahan’ny fanaovam-baksiny nasionaly, araka ny fanazavan’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamarotia Willy, omaly teny Ambohidahy. Na efa nahazo ny […]

Misy firenena afrikanina 18/ Voafidy ho filola lefitry ny Oafress Rakotomalala JC 

Misy firenena afrikanina 18/ Voafidy ho filola lefitry ny Oafress Rakotomalala JC 

Voafidy ho filoha lefitry ny Organisation de l’Afrique francophone pour le renforcement du système de santé et de vaccination (Oafress) i Rakotomalala Jean Claude, miaraka amin’ny Yaya Zan Konare avy any Mali. Ny filoha kosa, Elie Bertrand Kampoer teratany kameroney. Taorian’ny fivoriamben’ny firenena mpikambana 18 aty Afrika no nametrahana ny birao hitantanana ny Vovonana, mandritra […]

Fizahantany sy  fambolena: 70 tapitrisa dolara ny BM

Fizahantany sy  fambolena: 70 tapitrisa dolara ny BM

Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ( BM), ny 18 septambra teo, tany Washington Etazonia, ny famatsiam-bola 70 tapitrisa dolara avy amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (Ida). Andiany faharoa ao anatin’ny sokajy faharoa amin’ny tetikasa Tendro iarahana hitondra fampandrosoana (Pôles intégrés de croissance et corridors), Pic2.2 ity famatsiam-bola ity. Hampiasana azy ny hanohanana ny sehatry ny fizahantany […]

Faritra Atsimo Atsinanana: 5.000 ha ny voly jirofo…mbola azo hitarina

Faritra Atsimo Atsinanana: 5.000 ha ny voly jirofo…mbola azo hitarina

Malaza ny faritra Atsimo Atsinanana amin’ny voly jirofo amina velaran-tany 5.000 ha. Vokatra iray malalaka izy io eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ho an’ny sakafo, hatrany amin’ny fanaovana fanafody. Mankany ivelany ny ankamaroan’ny vokatra avy eto Madagasikara, faharoa amin’ny famokarana aorian’i Indonezia. Fidiram-bola betsaka ho an’ireo mpamboly azy izany, tamberim-bidy ho an’ireo kaominina. 2 t isaky […]

Fahavitan’ny biraon’ny Fop: hivaha ny olan’ny mpiasa ao Antsirabe

Fahavitan’ny biraon’ny Fop: hivaha ny olan’ny mpiasa ao Antsirabe

Nahazo trano vaovao ahafahana mampandroso ny asa ny  foibem-paritry ny asam-panjakàna sy ny lalàna sosialy (Fop) ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Maherin’ny 500 isam-bolana ny fitarainana momba ny olana araka asa voarain’ny sampandraharaha fitsirihana ny asa any an-toerana. Misedra olana tamin’ny fandraisana izany ny foibem-paritra ao Antsirabe noho  ny tsy fisian’ny birao. Notokanana, omaly ny fahavitan’ny  […]

Masoivohon’i UE: « Tsy manana kandidà tohanana  izahay »

Masoivohon’i UE: « Tsy manana kandidà tohanana  izahay »

 “Tsy manana kandidà tohanana ny Vondrona  eoropeanina (UE), saingy manohana ny demokrasia sy ny vahoaka malagasy”, hoy ny masoivohon’ny UE vaovao hiasa eto amintsika, i Giovanni  Di Girolamo , afakomaly tetsy Anosy. Nanolotra ny dika mitovy amin’ny taratasy manendry azy ho solontenan’ny UE eto amintsika  tamin’ny minisitry ny  Raharaham-bahiny, Dovo Eloi Maxime ny tenany. Nambarany […]

Minisitry ny Fiarovam-pirenena: « Mba tsy hiteraka krizy ny tsy fitovian-kevitra »

Minisitry ny Fiarovam-pirenena: « Mba tsy hiteraka krizy ny tsy fitovian-kevitra »

Nomarihana,  omaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Fandriampahalemana.  Anisan’ny  nanana ny nambarany momba izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena.  « Mba tsy hampandovana ireo taranaka faramandimby ny voka-dratsin’ny ady sy ny tsy fitovian-kevitra miteraka krizy tamin’ireo firenena afrikanina hatramin’izay. » Izay ny hafatry ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier.  « Resy lahatra ny amin’izany koa […]

Hary elatra ny tarika G5: nivoaka ny rakikira voalohany “Ataoko afa-po”

Hary elatra ny tarika G5: nivoaka ny rakikira voalohany “Ataoko afa-po”

“Manomboka izao, mandeha irery izahay, tsy miankin-doha amin’ny hafa intsony”. Io no nambaran’ny tarika G5 ahitana an-dry Larry, Baggio, Tojo, Nathan ary Mahery, omaly rehefa nampahafantatra ny fahaleovantenan’ny tarika, avy novolavolaina naharitra tao amin’ny fahitalavitra Viva. Nisaotra ity fahitalavitra ity ihany koa izy dimy mirahalahy ireto. “Efa tsara tso-drano tamin’io fahitalavitra io izahay ka handeha […]

Foibe kolotoraly: hiova sary famantarana ny Cercle Germano-Malagasy

Foibe kolotoraly: hiova sary famantarana ny Cercle Germano-Malagasy

Amin’ny alalan’ny fifaninanana, hiova endrika ny sary famantarana ny Cercle Germano-Malagasy na ny CGM. Fifaninanana malalaka ho an’ny olona rehetra (mpanao sary, mpamorona, mpikirakira sary amin’ny ordinatera…) no hifantenan’ny komity mpitantana ny Cercle germano-Malagasy izany. Tsy misy fepetra manokana ny haben’ny sary. Ny 31 oktobra izao farafahatarany no handefasana ny sary hifaninana amin’ny alalan’ny mailaka : […]

Donia 2018: feno 25 taona, mpanakanto 450 hanafana ny festival

Donia 2018: feno 25 taona, mpanakanto 450 hanafana ny festival

Hanomboka ny 26 septambra 2018 ao Ambodivoanio Nosy Be Hell Ville ary hifarana ny 30 septambra 2018 ho avy izao ny Donia, festival de Nosy Be. Feno 25 taona ity festival anisan’ny mampalaza an’i Nosy Be ity. Mpanakanto miisa 450 no hanafana izany ka anisan’izany ry Black Nadia, Tence Mena, Vaiavy Chila sy ireo mpanakanto […]

Fanatanterahana ny fanamby: nisitraka ny IEM ny lycée sy ny tanoran’i Fandriana

Fanatanterahana ny fanamby: nisitraka ny IEM ny lycée sy ny tanoran’i Fandriana

Tsy an-kiandriandry. Tonga nanatitra fitaovana sy kojakoja hanamboarana ny kianja marolafy “Omnisport” eo anivon’ny lycée Beampombo ao Fandriana ny mpiara-miasa amin’ny kandidà Rajoelina, afakomaly. Tafiditra amin’ny fanatanterahana ny fanambin’ny kandidà laharana faha-13 tamin’ny fandalovany tany an-toerana izany, ao anatin’ny vina IEM koa.  Ahitana simenitra 20 taonina  sy vatokely 15 metatra toratelo ary vato 10 metatra  […]

Praiminisitra Ntsay Christian: « Manentana ny rehetra hijery ny lisi-pifidianana »

Praiminisitra Ntsay Christian: « Manentana ny rehetra hijery ny lisi-pifidianana »

  « Manentana ny rehetra ny tenako hijery aty amin’ny fokontany toy izao, satria mbola manam-potoana isika hijerena izany. » , hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny fanamarinany ny anarany ao anatin’ny lisitry ny mpifidy teny amin’ny fokontany Androhibe, omaly. Hatao mba tena malalaka ity fifidianana ity, ary mba tsy hikoropaka ao anatin’ny fotoana fohy ny momba […]

Tselatra

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo, ny alarobia lasa teo teny ambanin’ny kolejy Rasalama, ny tovolahy iray, mpanendaka findain’ireo olona any anaty fiara. Eny amin’ny faritra Bel’Air, Besarety ary Rasalama iny ny tena fanatanterahan’izy ireo ny asa ratsiny. Miaraka roa na telo izy ireo amin’izany. Saron’ny polisy, mbola ao amin’ny boriborintany fahatelo hatrany, […]

Avy tao Tanambao faha-5: hitohy tao amin’ny Bazary kely ny haintrano

Avy tao Tanambao faha-5: hitohy tao amin’ny Bazary kely ny haintrano

Iray andro monja, taorian’ny tao Tanambao fahadimy, nitrangàna haintrano ihany koa tao amin’ny Bazary kely ao Toamasina, omaly, tokony ho tamin’ny 1 ora sy 45 minitra antoandro. Lasibatra tamin’izany ireo mpivarotra lamba sy kiraro. Trano iray ihany no kilan’ny afo, satria tonga haingana ny mpamonjy voina. Ao Tanambao fahadimy, tafakatra 1.700 ny traboina ary kilan’ny […]

Poste 67ha: mody mitoraka, avy eo, robainy ny moto sy ny vola

Poste 67ha: mody mitoraka, avy eo, robainy ny moto sy ny vola

Efa ela no nalaza ratsy ny eo amin’ny 67ha sy ny manodidina: sinto-mahery, vonoan’olona, halatra moto, sns. Mbola mitohy ny asa ratsin’ireo jiolahy. Manao izay hoafany koa anefa ny mpitandro filaminana amin’ny fisamborana azy ireo. Tratran’ny zandary, avy amin’ny tobim-paritra teny Itaosy, ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 5 ora maraina, ny jiolahy miisa efatra, […]

Dina… vinavina hitsarana kandidà  

Dina… vinavina hitsarana kandidà  

Tsy misy na tsy ampy ny lalàna, tsy hajaina na tsy ahoana? Na tsy misy izay etika sy fitsipi-pitondran-tena amin’ny fanaovana politika, indrindra amin’ny fiatrehana fifidianana. Kibo mitsara tena ny tsirairay, indrindra ireo mpanao sy mpilalao politika. Na ahoana na ahoana: misy zava-mandringa mety mamandrika, matoa mivoaka amin’izao ankatoky ny fifidianana izao ny hoe dina […]

Noho ny hasarotam-piaron’ilay rangahy: maty notsatotsatohiny antsy ny vadiny

Noho ny hasarotam-piaron’ilay rangahy: maty notsatotsatohiny antsy ny vadiny

Vaovao mampalahelo no nitsena ny andron’ny mponina eny Ambatonjara Ankadindratombo, omaly maraina. Vehivavy iray no hitan’izy ireo maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, tao an-tranony. Nioron-koditra ny iray tanana! Teny Ambatonjara Ankadindratombo, kaominina Alasora no nitranga ny tantara, omaly maraina. Hitan’ny mpiara-monina, nivalampatra nihosin-dra, feno tsatok’antsy ny tarehy sy ny loha ary efa tsy nisy […]

Tetikasa PASAN: hatsaraina ny fiahiana ara-tsakafon’ny reny sy ny zaza

Tetikasa PASAN: hatsaraina ny fiahiana ara-tsakafon’ny reny sy ny zaza

Hosantarina amin’ny volana marsa 2019 ny tetikasa Fanatsarana ny fiahiana ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafo (PASAN) iarahan’ny fiaraha-miasa japoney ho an’ny fampandrosoana na JICA sy ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN), mandritra ny dimy taona. « Tapaka tao anatin’ny TICAD fahenina fa hisitraka ny tohana omena ny firenena 10 aty Afrika i Madagasikara ho fanatsarana ny fiahina […]