Israely- Madagasikara: hampiroborobo ny toekarena sy ny varotra ny CCISMA

Na firenena kely velaran-tany aza i Israely, ambony be ny tahan’ny fitomboan-karena isam-batan’olona. Nampaha­fan­tarina, omaly, ny fijoroan’ny Antenimieran’ny Varotra Israely-Madagasikara (CCISMA) eto Madagasikara. Tan­jona, ny hanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra ary ara-kolontsaina eo amin’ny tany roa tonta. Manana tombondahiny amin’ny lafiny fahaiza-manao i Israely, eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fandraharahana aminy (agri-business), ny angovo, ny fizahantany, ny ara-kolontsaina, sns.
Sehatra iray ahafahan’ity firenena ity manohana ny malagasy mpandraharaha ny CCISMA. Nilaza ny filoha lefitry ny filankevi-pitantanana (CA) ny CCISMA, Rako­tona­vahy Jaona, fa anisan’ny voafehin’Israely ny fambolena sy ny fanodinam-bokatra amin’ny fambolena, ny fampiroboroboana ny fizahantany sy ny fanorenana trano fisakafoana lehibe. Etsy ankilany, hatao amin’ny volana oktobra ho avy izao, ny fampahafan­tarana ireo otrikarena eto Madagasikara, karakarain’ny CCISMA.

Njaka A.

Partager sur: