Flash
Préc Suiv

Divers

Blueline: tolotra manokana ho an’ny faran’ny taona

  Manome fahafahampo ny mpanjifa hatrany ny orinasa Blueline, misehatra amin’ny fifandraisan-davitra sy ny televiziona. Amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao, maro ny tolotra manokana ho an’ny mpanjifa sady sahaza ny tsirairay. Ho maimaimpoana ny saran’ny fampandehanana ny fifandraisana amin’ny internet, ny Box 4G, raha tokony ho 140 000 Ar. Mandritra ny fisoratana anarana, ny saram-pamandrihana […]

Conecs: « Ampiharo ny filankevitry ny toekarena »

  Manambara, ankehitriny, ny fikambanana Filankevi-pirenena mikasika ny toekarena sy ny sosialy ao amin’ny fiarahamonim-pirenena (Conecs) ny hampiharan’izay fitondrana vaovao hijoro eo ny fananganana ny rafitra Filankevitra mikasika ny toekarena, ny sosialy, ny kolontsaina (Cesc) eto Madagasikara. Nilaza ny filohany, Ramaroson André, fa efa voasoratra tao anatin’ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faharoa ary nohamafisin’ny lalàmpanorenana lany ny […]

Bibikely mpanimba ny katsaka: hita ny fanafody mamono azy ireo

  Telo taona aty aoriana!  Ela ny ela, hitan’ny laboratoara Aromathera ny fanafody mamono ireo biby miendrika bibintsaonjo (chenille legionnaire) manapotika ny katsaka eto amintsika. Nahazo fankatoavana ny fanafody Paragri 45, hitan’ity laboratoara ity ary nahomby ny fanandramana teto Madagasikara, niarahany tamin’ny Fofifa, tamin’ny velaran-tany 20 ha nisy katsaka, nandritra ny enim-bolana. Namboarina avy amin’ny […]

Sendikàn’ny Jirama: hitokona aorian’ny fifidianana

  Mihenjana ny tady ! Tsy nisy ny vahaolana sy ny marimaritra iraisana teo amin’ny mpitantana ny Jirama sy ny farimbon-tsendikàn’ny mpiasa nandritra ny fihaonana, omaly. Votoatin’ny fotoana ny tsy faneken’ny sendikàn’ny mpiasan’ny Jirama ny fandroahana tsy ara-drariny, ny delegen’ny mpiasa, izay efa nolavin’ny sampandraharahan’ny mpanara-maso ny asa (inspection de travail). Efa nandefa taratasy milaza izany […]

Kitra – Amboaran’ny Caf: miandrandra fandresena ny Elgeco Plus, anio

  Hiakatra an-kianja, anio atsy Afrika Atsimo, ao anatin’ny lalao mandroso ifanandrinana amin’ny Kaizer Chiefs, hiadiana ny amboaran’ny Caf, ny Elgeco Plus. Vonona ny handresy ity ekipa ity ny Malagasy. Manantombo  iAfrika Atsimo raha atao ny tombantombana satria tsara kokoa ny voka-dalaon’izy ireo nandritra ny lalao savaranonando. Manantombo ihany koa ity ekipa ity noho ny […]

Rugby – «Gold Top 20»: ho fantatra, rahampitso, ny hiatrika ny “CCOI 2019”

  Hotanterahina, rahampitso alahady 16 desambra eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ireo lalao manasa-dalana roa, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Gold Top 20”, taranja rugby. Ho fantatra mandritra izany ireo ekipa roa hisolo tena an’i Madagasikara, hiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny klioba, “CCOI 2019”. Raha hiverenana, hifanandrina eo amin’ity ankatoky ny famaranana […]

Nanafatrafatra ireo kandidà roa ny FFKM: “Aoka ho fianarana amin’ny fahamarinana sy ny finoana ianareo”

  Tsotra nefa mafonja ny hafatry ny FFKM, amin’izao andro vitsy mialoha ny fifidianana izao. « Miangavy manokana anareo roa lahy mba ho fianarana amin’ny finoana, ny fahadiovana, ny fitiavana ary ny fahamarinana ho an’ny vahoaka hoentinareo rahampitso. Tsarovy fa zanaky ny fiangonana ianareo mialoha ny zava-drehetra », hoy izy ireo. Nitaona ny rehetra koa ny FFKM, […]

Masoivoho Frantsay : “Tsy misy kandidà enjehin’ny fitsarana frantsay izany”

   Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, omaly, manoloana ny vaovao diso sy niely amin’ny gazety sy tambajotran-tserasera. “Hatreto, tsy misy na iray amin’ireo kandidà roa mifaninana ireo tafiditra amin’ny raharaham-pitsarana any Frantsa”, hoy ny fanambarana. Nanterin’ny eo anivon’ny ambasady frantsay ny tokony hanaovana fampielezan-kevitra ao anatin’ny fifanajana ary tena hifantoka kokoa […]

Andriamena – Tsaratanàna: dahalo raindahiny iray maty voatifitry ny Das

   Maty tsy tra-drano voatifitry ny miaramila Das tao Andriamena, distrikan’i Tsaratanàna, ny talata teo, raha nikasa hitsoaka, ny dahalo raindahiny antsoina hoe Tolotra. Araka ny fampitam-baovao voaray, voasambotra tao amin’ny fokontany Amparihy, kaominina ambanivohitr’i Keliloma, Tsaratanàna, ity dahalo raindahiny ity. Nitsoaka tampoka izy nandritra ny fotoana nitondran’ny miaramila azy ho an’ny borigadin’ny zandary ao […]

Teo am-panaovana “tournage »: tovolahy nalaina video, maty an-drano tao Andraikiba  

  Maty an-drano tany Andraikiba, ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro, ny tovolahy iray, nanao “tournage”-na horonantsary video.  Araka ny vaovao avy any an-toerana, nalaina video ireo andiana tanora, nandritra ny fitsambikinana tao anaty rano. Anisan’izany ity tovolahy ity. Tsy nahay nilomano anefa izy fa nalentiky rano ka izay no nahatonga ny […]

Karate Do Mahajanga: banjinina ny taom-pilalaovana 2019

Toy ny fanao isan-taona, namarana ny taom-pikatrohana 2018 ny hetsika antsoina hoe “Wakama Events”. Andiany faharoa ny amin’ity taona ity ary ao anatin’ny faharoa taon’ny Wakama ihany koa. Nizara telo lehibe ny fankalazana izany, ny asabotsy 8 desambra lasa teo, tao amin’ny Maison des Jeunes Barday. Voalohany amin’izany ny fanadinana fifindrana grady ho an’ny mpikatroka […]

Basikety: higadona eto an-tanindrazana, anio, ny CosPN

Raha ny loharanom-baovao voaray, ho tonga eto an-tanindrazana, anio, ny ekipan’ny polisim-pirenena, ny CosPN, rehefa avy nibata ny amboaran’ny “CCCOI” tany Seychelles. Raha tsiahivina, nomontsanin’ny ekipa malagasy tamin’ny isa mavesatra, 86 no ho 70, ny ekipan’ny Premium Cobras avy any Seychelles. Fihaonana anisan’ny mafy ho an’ny CosPN satria karazana lalao famaranana teo amin’ny roa tonta. […]

Fihaonana: nohatsarain’ny Star ny famatsian-drano

Nohavaozin’ny orinasa Star, niara-niombon’antoka tamin’ny kaominina sy ny orinasa ATTR, ny famatsian-drano fisotro ao amin’ny kaominina Fihaonana, distrika Ankazobe, faritra Analamanga. Efa antitra ny teo aloha ka tsy nandeha araka ny tokony ho izy intsony ny famatsiana. Araka izany, nosoloina ny fitaovana fisintoman-drano amin’ny alalan’ny fampiasana herinaratra avy amin’ny masoandro, napetraka eo ambony tafon’ny lycée […]

“One Beat Program”: nosantarin’i Tsanta R. ny “E-Show”

Hetsika vaovao an’ny ambasady amerikanina ny “E-Show”. Isan’ny nisantatra izany voalohany  i Tsanta Randriamihajasoa, mpanakanto – mpitendry sy mpihira – Malagasy voalohany voafantina sy nandray anjara tamin’ny “Programa kolontsaina tohanan’ny departemantam-panjakana amerikanina” na ny “One Beat Program” ho an’ny taona 2018. Efa misokatra ihany koa ny fisoratana anarana ho an’ny “One Beat Program”, ho an’ny taona 2019, ka fe-potoana fandefasana […]

Tantara: « Ny mpilalao no fantatra »

Tia mihaino tantara ny Malagasy. Efa zary raiki-tampisaka amin’ny kolontsainy mihitsy aza izany satria saika fifampizarana tantara na fitantarana ihany koa ny fiainan’ny Malagasy rehefa mihaona… Rehefa nisy ny tantara fandefa amin’ny onjampeo, nahasarika avy hatrany ny sofin’ny Malagasy izy ireny. « Hatreto anefa, saika ny mpilalao ireny tantara fandefa amin’ny radio ireny hatrany no fantatra […]

Toby Ratsimandrava: fanaovam-belona ireo zandary lavon’ny dahalo

Tontosa teny amin’ny Toby Jly Richard Ratsimandrava Andrefanambohijanahary ny lanonana ara-miaramila nanaovam-beloma ho fanomezam-boninahitra farany ny GHC Razafimanjaka Tsilefy Velondraza sy ny G1C Ravalosoa Lovatiana Marcellin, lavo teo am-pamitana ny andraikiny amin’ny fiarovana ny olona sy ny fananany tany Maintirano, ny 12 desambra 2018 lasa teo. Nitarika ny lanonana ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Andrianjanaka […]

Coopératives: une stratégie nationale de développement

Conscient de l’importance du secteur privé dans la croissance économique du pays, le Gouvernement accorde un intérêt particulier aux coopératives. C’est ainsi que la Stratégie nationale de développement des coopératives à Madagascar (SNDCoop) a été présentée à la fin du mois de novembre. Il s’agit d’un document indicatif mis à la disposition du Gouvernement, du […]

Vima: don de sapin à la mairie d’Antananarivo

Depuis 2016 et pour la troisième année consécutive, Vision Madagascar (Vima) à travers sa filiale Vima Woods offre un sapin pour Noël à la mairie d’Antananarivo. Lova Rakotondrabary, administrateur de Vima, a officiellement remis l’arbre à la mairie d’Antananarivo, mercredi dernier. Depuis le 12 décembre et ce jusqu’au mois de janvier 2019 un sapin brillant […]

En passant…

Le Comité français d’accréditation (Cofrac) vient d’attester les compétences du Centre de biologie clinique (CBC) de l’Institut Pasteur de Madagascar. Cette reconnaissance internationale est le fruit d’une démarche qualité, engagée depuis plusieurs années.  Le CBC est un laboratoire qui remplit les missions d’un laboratoire d’analyses biomédicales polyvalent au service du public, avec un large éventail […]

RN1 BIS: un député attaqué par les dahalo

Un député élu dans le district de Tsiroanomandidy a été pris pour cible par des coupeurs de route mardi dernier, sur la RN1 bis reliant Tsiroanomandidy à Maintirano. Ses collaborateurs et lui, à bord de deux motos différentes, venaient d’assister à un meeting dans le village d’Ambaravaranala, lorsque des dahalo équipés de fusils de chasse […]

Mbola Rajaonah: arrestation imminente ?

Mbola Rajaonah n’est pas encore sorti d’affaire. Selon une source autorisée, l’opérateur économique a fait de nouveau l’objet d’une convocation, auprès du Bureau indépendant anticorruption (Bianco), mercredi dernier. Mais il s’est fait représenter par son avocat, pour la simple raison qu’il ne se trouve pas dans la capitale. Une autre convocation est fixée pour ce […]

Telma: lalao video ho an’ny ankizy sy ny tanora

Manohana ny ankizy sy ny tanora ny orinasa Telma amin’izao vanim-potoana fety sy faran’ny taona izao. Hatao ny asabotsy 15 sy ny alahady 16 desambra ho avy izao eny amin’ny foibe American center Tanjombato, ny hetsika Video games showdown. Ahafahan’ny ankizy sy ny tanora mikirakira ny karazana lalao video samihafa sy ny fanatanjahantena amin’ny video […]

Ladoany: fanaraha-maso aorian’ny famoahana entana

“2300 miliara ariary ny vola tokony hampidirin’ny ladoany ny taona 2018. 99 % amin’io vola io no efa tafiditra amin’ny fanjakana, ary mety mbola hihoatra mialoha ny faran’ny taona”, hoy ny tale jeneralin’ny ladoany, Rabenja Narivony Eric. Manamafy ny toeran’ny fadintseranana ny minisitry ny Fitantanam-bola sy ny tetibola, Andiambololona Vonintsalama, omaly tao amin’ny Colbert, nandritra […]

Vakinankaratra: naneho ny fahavononana hiady amin’ny kolikoly ny rehetra

Nomarihina tao amin’ny faritra Vakinankaratra ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly. « Fandraisan’andraikitry ny rehetra amin’ny ady amin’ny kolikoly, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy » io no lohahevitra noetina nanamarihana izany, tamin’ity taona ity. Namafisin-dRamatoa minisitry ny fitsarana, fa efa maro ny dingana vita natao tamin’izany ady amin’ny kolikoly izany. Anisan’ireny ny fananganana ny Samifin, ny […]