« Rodobe Mafana 2023 » : Mpanakanto am-polony hifampizara sehatra

Ho antonona ve ny toerana ? Izay avokoa ny fanontanian’ireo izay naheno rehetra ny fisian’ilay seho « Rodobe Mafana 2023 ». Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 9 ora alina etsy amin’ny Jao’sPub Ambohipo izy io. Miavaka amin’ny mahazatra, satria araka ny anarany dia tena rodoben’ireo mpanakanto tokoa izany. Tarika am-polony no hifandimby an-tsehatra, ahitana avy amin’ny faritra maro eto Madagasi­kara. Anisan’ireny i Vaiavy Chila, izay hanana ampaham-potoana lehibe mandritra ny fotoana. Elaela rahateo tsy tazana an-tsehatra teto Anta­na­narivo ity mpanakanto ity.
Hifandimby amin’i Vaiavy Chila ry Smaven, Bruno Jaozara, Saina JB, Suzannah, Mamibe, Lendel, Farault Dallas, Robbie ary Vilon’Androy. Araka izany, karazan-gadona sy mozika maroloko no hifandimby amin’io fotoana io. Tsy fandraisana anjara fotsiny ihany anefa ny an’ireo mpanakanto ireo fa samy hizara ny kantony, ka raha ny kajikajy, mazava ny andro vao hifarana ny lanonana.

Zo ny Aina

Partager sur: