RN2: amboarina ny any Anjiro

Mitohy ny fanarenana ny lalam-pirenena faharoa (RN 2), mampitohy an’Antanana­rivo sy Toamasina. Ankehi­triny, any Anjiro eo amin’ny PK 78 ny ampahan’ny asa atao, ka ao anatin’izany ny fandravonana ny lalana, ny fanotofana ny lavaka, ny fa­nokafana indray ny tatatra. Hiditra amin’ny fandrakofana godirao avy eo ny manaraka.
Tafiditra ao anatin’ny asa vonjy taitra izao hetsika izao, tanterahan’ny minisiteran’ny Asa vaventy, vatsian’ny fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny vola avy ato anatiny na « Ressources propres internes » (RPI).
Tsiahivina fa anisan’ny tena ratsy ny lalana eo Amba­nitsena hatrany Mora­manga, miampy ny lavadavaka hatrany Antsampanana sy Bricka­ville.

Njaka A.

Partager sur: