Nandrasana kendrItohina: vehivavy maty voatifitra teo amin’ny lohany

Maty voatifitry ny jiolahy ny renim-pianakaviana iray, omaly. Nirahin’ny mpampiasa azy hanatitra vola izy. Teo am-piakarana haka fiara no norobaina sy novonoina.

Mpanampy miasa ao amina teratany karana, lavon’ny balan’ny jiolahy nitam-piadiana tao Tsiana­loky, Toliara, omaly atoandro tamin’ny 12 ora. Nomen’ny mpampiasa azy fahatokisana hanatitra vola any amin’ny banky io vehivavy io. «Nandra­san’ny jiolahy tsy latsaky ny efa-dahy ivelan’ny tranombarotra nakany ny vola anefa izy. Nitifitra azy tamin’ny basy mahery vaika ireo jiolahy», hoy ny fanazavan’ny kaomiseran’ny polisim-pirenena ao Toliara Renivohitra. Nilen­tika tamin’ny lohan’io vehivavy io ny bala 9 mm miisa roa. Nidaraboka tamin’ny tany avy hatrany izy ka tapitra ny ainy. Poa toy izay, nirifatra nandositra tamin’ny moto nentiny ireo jiolahy. “Moto roa no nampiasain’ireo mpandroba tamin’io fotoana io”, hoy ny loharanom-baovao. Niezaka nitondra ilay naratra teny anivon’ny hopitaly ireo nanatri-maso saingy tsy tana intsony ny ainy.

6 tapitrisa Ar…
Anatin’ny fikarohana sy fanaovana ny angom-baovao rehetra momba ireo jiolahy nanatontosa ny fanafihana mitam-piadiana ny mpitandro filaminana ao an-toerana, ankehitriny. “Manodidina ny 6 ka hatramin’ny 8 tapitrisa Ar eo ny vola lasan’ireo olon-dratsy raha ny angom-baovao”, hoy ny fanamafisan’ny kaomisera eo anivon’ny polisim-pirenena ao Toliara. Etsy ankilany, ny loharanom-baovao hafa milaza fa 5 tapitrisa Ar ny vola lasan’ireo mpandroba ireo. Nitam-piadiana avokoa ny ankamaroan’ireo jiolahy nanao izao fandrobana niharo vono olona izao. “Tsy maintsy hisy ny voka-pikarohana afaka roa na telo andro”, hoy hatrany ny tomponandraikitra misahana ny famotorana ity raharaha ity.

Tsiferana R.

Partager sur: