Mpangalatra finday: nilaza ho nirahin’ny kalanoro

Saika niala hatramin’ny mahalehilahy! Niditra tao amina tsena iray tao Amba­tondrazaka renivohitra ny mpangalatra iray, omaly tolakandro. Somary variana ny tompon-tsena ka nofaohin’ity lehilahy ity ny finday raitra niranty. Tsikaritry ny olona anefa ny fivoahan’ity olon-dratsy ity. Nitondra ny
finday raitra, nifanotofan’ny daroka nataon’ireo olona manodidina izy. Nentin’ny hateze­rana, efa nisy tamin’ireo mponina saika nanala ny mahalehilahin’ity mpangalatra ity.
Tetsy ankilany, nisy tamin’ ireo olona sasany tsy nanaiky io fihetsika io ka antony tsy nahatontosa izany. Rehefa nanontaniana izy ireo, nilaza ity lehilahy nangalatra ity fa tsy fanahy iniany ny nanao io asa ratsy io. “Misy kalanoro naniraka”, hoy hatrany ity farany. Niantso ny mpitandro filaminana ireo manodidina ka natolotra azy ity olona voasambotra ity.

Tsiferana R.

Partager sur: