KMF/Cnoe : “Ilaina hahitsy sy hatsaraina ny lalàm-pifidianana”

Tsy mbola sasatra ny mampahatsiahy ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, manoloana ny raharaham-pirenena. Notakin’izy ireo ny hijerena ny lalàna, mialoha ny fifidianana.

Rehefa vita ny zotram-pifidianana iray, misy ny torolalana miainga amin’ny fanaraha-maso na­taon’ireo mpanara-maso eto an-toerana na avy any ivelany. Entina hanatsarana ny lalàna izany. “Nahatonga ny KMF/ Cnoe nilaza izany fa tena ilaina ny fanatsarana na fanitsiana ny lalàm-pifidianana. Raha tsy manitsy an’io lalàna io isika : mbola hiverina ny tsy fanarahan-dalàna nomarihina tamin’ny fifidianana farany, ary mety mbola hiampy koa ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny manaraka”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/ Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert.
Hahasoa ny firenena ve ny fiverenan’ny tsy fanarahan-dalàna ? Mitarika ny tsy fitokisan’ny olona ny fifidianana. Mety hiteraka ny tsy faharisihan’ny olona tra-pahavoazana noho ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana farany ny tsy fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Misy fiantraikany eo amin’ny moraly na ny fahatokisana ny fifidianana hatao izany. Efa fantatra avokoa ireo zava-nisy tamin’ny fifidianana farany. Efa niteny ny KMF/Cnoe sy ny mpanara-maso hafa ary ny mpanara-maso iraisam-pirenena, niteny ny mpanao politika… “Eritre­retina ho tsy misy dikany avokoa izany ireny rehetra ireny, raha tsy hokitihina na tsy hohatsaraina ny lalàna mifehy ny fifidianana”, hoy izy.
Mila dinihina isan’andininy

Milaza ny hoe iza avokoa ny mpifidy, ohatra, ny And. 3 ao amin’ny lalàm-pifidianana. Efa manilika an’ireo teratany malagasy mila ravinahitra any ivelany ny And. 3 sy 4 amin’izany.
Tsy saratsarahina ny lalàna, fa tena dinihina tsirairay isan’andininy. Inona ny fanapahan-kevitry ny besinimaro ny amin’izay? Tsy hiteny ny KMF/Cnoe hoe ny famerana ny vola enti-manana ny fampielezan-kevitra no tena hojerena, na ny fifehezana ny fampielezan-kevitra… Aminy, hakana ny hevitry ny besinimaro ny andininy voalohany ka hatramin’ny farany. Hiara­ha-midinika amin’ny besinimaro ny fitondrana fanatsarana ny lalàm-pifidianana. “Mbola tadiavina ny fanaovana fanitsiana azy”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: