Is’Art Galérie : mandranty ny kantony i Mahery Rakotomalala.

Nosokafana ny 31 aogositra ary tsy hifarana raha tsy ny 30 septambra 2023 ny fampirantiana, tanterahin’i Mahe­risoa Rakotomalala, eny amin’ny Is’Art Galérie Ampa­sanimalo. « Brulent les masqus » io no lohatenin’ity fampirantiana ity. Am-polony ny asa tanana haseho ao, asa tanana izay manana ny mampiavaka azy. Maro sahady ireo efa tonga nijery ny hakanton’ny haikanto ataon’ity mpahay kanto iray ity ary tsy ny Malagasy ihany fa hatramin’ny vahiny aza mankafy ny sanganasany.
Haikanto miavaka sy manana ny maha izy azy no mandravaka ny efitrano fampirantian’ny Is’Art Galérie Ampasanimalo. Miisa 11 ireo tabilao maneho ny asa tanany. Fisainana ara-tsosialy ataon’ny mpahay kanto mpametra-panontaniana momba ny zavatra niainany sy an’ny namany ny “Brulent les Masques”. “Ianao no manafina ny tomaninao amin’ny tsiky, ianao no voatery misolovaika ny hafa isan’andro, izay mahatonga ny tenanao ho lasa lalao. “Brulent les Masques” dia fandorana amin’ny afo ilay zavatra eritreretin’ny olona ho ataon’ny fiafenana mandrakizay”, hoy i Mahery Rakoto­malala. Izany rehetra izany no fonosin’ity fampirantiana ity.
Lalina ny hevitra raketin’ny asa tanan’i Mahery Rakoto­malala. Mifono fanabeazana sy anatra ary fampianarana maro no atolotry ny mpahay kanto ho an’ny mpankafy azy.

Lin

Partager sur: