E-koragna : ahena ny olana eo amin’ny fananantany

Nikarakara varavarana misokatra, andiany faharoa, ho an’ny rehetra, teny Malaza Ampitatafika ny «e-koragna», ny faran’ny herinandro lasa teo. 25 ireo olona nividy tany tao aminy ka nozaraina titra maha tompon’ny tany azy, nandritra izany. Nisy tranoheva maro teny an-toerana nanomezana torolalana sy fahalalana ho an’ny olona, mikasika ny tokony hatao rehefa hividy tany. Tanjona ny hanampiana sy hanenana ny olana rehetra eo amin’ny sehatry ny fananantany, hoy ny tomponandraikitra.
Mbola maro ny olona miahiahy amin’ny fividianana tany sy tsy manana fotoana malalaka hikarakarana ny antontan-taratasy ka antony nanaovana ny hetsika, raha ny fanazavana. «Maro ny hosoka ary mibahan-toerana eny anivon’ny fitsarana ny olana mikasika ny ady tany, ankehitrin», hoy ny mpitantana ny
e-koragna, Hasina Ismael. Nilaza izy fa tsara ny manatona olona manampahaizana alohan’ny hividianana tany mba hialana amin’ireo olana maro samihafa ireo.
Manampy sy manala ny fifezivezen’ny olona eo am-pikarakarana ny antontan-taratasy ny orinasa, amin’ny alalan’ny fivarotana velaran-tany maro eto an-drenivohitra. Tafiditra ao anatin’ny vidin’ny tany avokoa ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra, raha ny fanazavana.
Ankoatra izay, manampy ny olona tsy manam-potoana hikarakara ny taratasin-taniny ihany koa izy ireo na dia nividy tany an-kafa aza.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: