Ilanivato : jiolahy tratra nanapitsoka varavaran’olona

Noraisim-potsiny! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny poste de police Ilanivato teny Anosipatrana, afakomaly ny jiolahy iray voarohirohy ho namaky trano. Naharay antso avy amin’ny olona mipetraka eo Anosi­patrana ny polisy ao Ilanivato milaza fa misy lehilahy iray miditra an-keriny amina trano iray eny an-toerana. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny polisy taorian’izay ka tratra teo am-panapitsohana varavarana tokoa ity jiolahy ity. Somokotra tanteraka nisokitra ilay varavarana izy no tonga tampoka ny polisy. Niroso tamin’ny fisavana azy ny polisy ka tratra teny aminy ny tantanana (marteau) iray sy hety roa fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny. Niaiky ny heloka vitany nandritra ny famotorana savaranonando nataon’ny polisy. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy izy mba hahafahana manohy ny fanadihadiana. Nilaza izy fa efa mpamaky trano amin’iny faritra Anosipatrana sy ny manodidina iny.

Jean Claude

Partager sur: