Gen: “Mila ovaina ny rafitra”

“Tsy tokony hijanona amin’ izao isika. Miova avokoa ny zava-drehetra. Misy zavatra tokony hamboarina ao amin’ny fakan-kevitra, fifampidinihana… Amin’izany no mandrafitra izay hatao: Lalàmpano­renana ma­nahoana no hidirana? Tsy maintsy jerena amin’izay ny azo tanterahina sy azo ampiharina”. Io ny nambaran’ny mpikambana mpanorina ny ”Groupe des experts nationaux (Gen)”, Dr Rakotoarison Bruno, teny Ankadivato, afakomaly, amin’ izao fiatrehana fifidianana izao.
Ny fahatsapan’ny Gen: tsy mahafehy intsony ny filàn’ny vahoaka ny fanjakana foibe. Tsy mitovy amin’izao ny isan’ny mponina tamin’ny taona1960, 1970, 1980… Toy izany koa ny lalana, ny fifandraisana, ny haitao, ny fikirakirana ny harena na ambonin’ny tany na amba­nin’ny tany na an-dranoma­sina… Miova ny mpitondra, nefa ny lalàna sy ny zava-drehetra tsy ovaina. Sanatria, lasa manova olona hametraka indray ny tsimatimanota, ny gaboraraka… Eo ihany ny fomba fitantanana, fa ny olona fotsiny no ovaina.
Raha tena manana finia­vana fitiavana ny firenena sy hivoatra izay, mila dinihina ny lalàna sy ny rafitra. Tokony hieritreritra an’izany izay filohan’ny Repoblika voafidy eo. Tsy vita indray andro io fa mila fotoana. Mila fakan-kevitra amin’ny an­kapobeny amin’izay tena tadiavin’ny olona.

R. Nd.

Partager sur: