Frankôfônia zavakanto: ho fantatra ny anka­ma­roan’ny vokatra

Miandry ny vokatra… Tontosa omaly, ny fanomanana ho an’ireo mpanakanto nifaninana anatin’ny sokajy saripika, sokitra ary hosodoko, anatin’ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy, any Kinshasa, RDC. Na teo aza ny fahataran’ny fitaovana nampanantenain’ny komity mpikarakara, tratran’i Richianny Ratovo ihany ny sanganasa nataony taty an-toerana. Toraka izany koa ny an’i Fitiavana Ratovo eo amin’ny sokitra mifototra amin’ny vy, sy ny saripika nalain’i Andriama­lantomanga Toky, izay maneho ny fiainanana andavanandro aty an-toerana. Haranty anio tontolo andro, ao amin’ny Académie des Beaux-arts eto Kinshasa ny sanganasan’ny mpanakanto mpifaninana rehetra. Ny alina kosa no hamaritra izay hahazo ny medaly ireo mpitsara isan-tsokajy. «Ho ahy manokana, efa natontoko ao daholo ny aingam-panahy sy ny heriko rehetra, handresy mihitsy no naleha aty. Miandry izay valiny avy amin’ny mpitsara sisa», hoy i Richianny. Andrasana koa ny tohin’ny lalana hoan’ny Ndaty Lahy amin’ny sokajy mozika, sy ny Moustik Crew eo amin ny Hip Hop.

Zo ny Aina

Partager sur: