Fisolokiana : enina mianadahy voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny vehivavy efatra sy lehilahy roa tao amin’ny fokontany Ankadinakanga, Tsiroanomandidy, omaly. Manao hosoka sady misandoka izy enina mianadahy ireto. Naharay angom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo, malaza tao amin’ny faritra Bongolava ny fisiana tambazotra mpanao fisandohana. Mampiasa anarana tomponandraiki-panjakana misahana ny bokin’omby sy ny karapanondrom-pirenena izy ireo. Aorian’io, hanaovany antontan-taratasy hangalana vola eny anivon’ny banky ireo taratasy hosoka ireo. Alainy sary koa ny entan’olona tsy fantatra hanampiany izany. Andaniny, ny iray amin’izy enina ireo izay mpiasa eo anivon’io banky io ihany. Miray tsikombakomba ahafahana hahazo ny vola, araka izany, ireto farany. Nanao vela-pandrika ny zandary . Voasambotra tamin’izany izy enina mianadahy. Sarona teny amin’izy ireo ny taratasy hosoka maro. Nogiazana avokoa ny tombokase hosoka nampiasain’ ireo olon-dratsy ireo tamin’io teti-dratsy io.

Tsiferana R.

Partager sur: