Fimpima 60 taona : alefa « Fb » ny « i-Zara fahendrena »

Tafiditra ao anatin’ny fankalazan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fimpima) ny faha-60 taonany. Noforonina ny fandaharana « i-Zara fahendrena », karazam-panabeazana sy fitaizana ho an’ny rehetra mba ho tonga olom-banona sy hanome hasina ny kolontsaina maha malagasy. Fantatra fa amin’ny alalan’ny « Face­book » (Fb) no handefasana izany isan’andro. Amin’ny 6 ora maraina (Oran’i Madaga­sikara) arahina amin’ny rakitsary ny « i-Zara fahendrena ». Amin’ny 12 ora antoandro, manana endrika rakitsoratra ary amin’ny 6 ora hariva, fanitaram-pahalalana.
Amin’ny ankapobeny, mi­ainga amin’ny ohabolana, fomba fitenenana, hainteny, sns, ny fandaharana. Fana­zavana arahin’ohatra hatrany no hoentin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy manatanteraka izany. Ampahany amin’ireo efa nohazavaina tao anatin’ny fandaharana ny lohahevitra : « Hendry an-tranon’olona toa Rainitoazy », « Aza mandady miara-komana toy ny mpiandry ratsy », « Raha mitohy ny fary dia tafakatra any an-danitra ny voalavo »…
Marihina fa ny 18 febroary izao, ao amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo Re­nivo­hitra etsy Analakely no hanatanterahana ny fanokafana ny faha-60 taonan’ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fanabeazam-boho sy fikajiana ary fampivelarana ny sehatry ny kabary ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: