Filoha Andry Rajoelina : manao tohy vakana ny fiarahabana azy

Mirarakompana ny fiarahabana ataon’ny filoham-pirenena vahiny ny filoha Rajoelina Andry, taorian’ny namoahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ny fahalaniany. Efa manatrika ny hetsika momba ny tontolo iainana COP 28 any Dubaï ny tenany, nandritra ny faran’ny herinandro teo.

Anisan’ny nitondra ny fiarahabana sy ny firarian­tsoa amin’izao hiton­dran’ny filoha Rajoelina Andry indray, ho amin’ny dimy taona manaraka izao, ny filoha Kao­morianina, sady filohan’ny Vondrona afrikanina (UA), i Azzali Assoumani, tamin’ny fiatrehana ny fivorian’ny Cop 28, any Dubaï. Nanteriny fa nizotra am-pilaminana sy tanaty fitoniana izany fifidia­nana izany ary fakan-tahaka. “Nanome lesona anay ny filoha Rajoelina satria maro ireo firenena Afrikanina miaina fanonganam-panjakana nefa efa tokony hialana izany. Lesona ho antsika izany fahombia­zan’i Madagsikara izany satria mampiakatra ny lazan’i Afrika”, hoy izy. Nanamafy izany ny filohan’i Séychelles, i Wavel Ramkalawal, niarahaba ny filoha Rajoelina Andry. No­tsindriny fa filoha vao voafidy miatrika ny Cop 28 ny filohan’i Madagasikara. “Rahalahy aty amin’ny ranomasimbe India­nina ary vonona ny hanohy ny fiaraha-miasa. Ho avy izahay hanotrona ny fianianana ataonao ny 16 desambra”, hoy izy.
Fandresena miezinezina

Tahaka izany koa ny filohan’i Sénégal, i Macky Sall. Nambarany fa fandresena miezinezina no azon’ny filoha Rajoelina Andry. Niarahaba ny vahoaka malagasy koa ny tenany.
Tsiahivina fa anisan’ireo efa niarahaba amin’izao nahavoafidy indray ny filoha Rajoe­lina izao koa ny Praiminisitra Indianina, Narendra Modi, ny filoha Ivoarianina, i Alassane Ouattara. Eo koa ny Praimini­sitra atsy Maorisy, i Pravind Kumar Jugnauth. Samy nirary soa avokoa izy ireo ary maniry ny hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena tsirairay avy.

Synèse R.

Partager sur: