Fifidianana: “Azo eritreretina ny hahamaro anisa ny mpanohitra”

“Mety azo eritreretina ny tsy hahamaro anisa ny eo anivon’ny fitondrana eny amin’ny Antenimierampirenena”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fi­om­bonana, Retogniane Durlin, ny amin’ny fiatrehana fifidianana depiote. Hita fa miady izy samy izy manohana ny fitondrana amin’izao fotoana izao, raha tsy hiresaka afa-tsy ny TGV sy ny Upar. Tsy fantatra koa izay ho toeran’ny vovonana antoko manohana ny filoha amin’izao. Ho an’ny Fiombo­na­na: ahoana ny fomba hahazoan’ny mpanohitra maro anisa eo anivon’ny Antenimie­ram­pirenena mba hampifandanjana ny fahefan’ny andrimpanjakana? Tsy maintsy eo anivon’ny Antenimierampi­re­ne­na no hanome endrika vaovao ny politika amin’izao fe-potoam-piasana faharoa vao manomboka izao.
Misy mieritreritra hoe vao mainka mampihena ny herijikan’ny fanoherana ny fivaki­san’ny vondron’ny kandidà (C 11). Nefa fifidianana manakaiky vahoaka io. Mety paikady koa izany hahazoana ny fon’ ny mpifidy. Ao anatin’ny fivondronana, samy manana ny tanjaka politika any amin’ny niaviany avy ny tsirairay. Mety hanamora ny fisarihana mpifidy eny anivon’ny distrika niaviany avy izay. Maro kosa ny paikady entin’ny fitondrana hanelingelenana ny hery avy amin’ny fanoherana. Taratr’ izay fingampingana izay ny fampidanganana ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina. Azo itarafana ny tsy fananan-kerin’ny fitondram-panjakana izay fampidanganana ny anto-bola izay ho 20 tapitrisa Ar raha 10 tapitrisa Ar ny tolo-kevitry ny Ceni.

R. Nd.

Partager sur: