Fifandraisana amin’i Vatican: hihaona amin’ny papa Fransoa ny filoha Rajoelina

Nambaran’ny filoha Ra­joelina, nandritra ny fitokanana ny Akany Fitiavana, ivontoeram-piofanana Md Fran­çois de Sales Antsiranana, omaly, fa hihaona amin’ny papa Fransoa izy amin’ny herinandro ho avy io. “Misy ny fifankahazoana manokana. Miraiki-po amintsika sy tia antsika ary mivavaka ho an’ny Malagasy ny papa Fransoa”, hoy izy. Nanteriny fa fihaonana amin’ny fomba ofisialy sy eo amin’ny samy filoham-panjakana ary amin’ny maha zanaka sy ray aman-dreny izany. Hitokana fiangoanana lehibe indrindra ao Fenoarivo Atsinana ny tenany aorian’izany. Manohana, manampy ary indrindra manatanteraka ny asa mahasoa ny vahoaka isika, araka ny nambarany. “Vahoaka iray ihany na ny sahanin’ny fiangonana katolika, na ny fanjakana”, hoy ihany izy.
Toerana ahafahana mitsinjo ireo zokiolona sy ireo olona manana fahasembanana izao notokanana izao. Natao hivoriana sy hanaovana lanonana izany. Nisaorany ny fiangonana katolika. Miahy sy manasoa ny vahoaka amin’ny asa ataony.
Nialoha izany, nizara karatany maherin’ny 10 000 sy “Titre foncier” miisa1 455 ta­ny Antsiranana II ny filoha Rajoelina sy ny minisitry ny Fanajariana ny tany, Rama­holimasy Pierre Hölder. Nan-gataka ny ho firotsahan’ny filoha Rajoelina ho fidina ireo olom-boafidy any an-toerana tamin’ny lahateny nifandimbiasana.

Synèse R.

Partager sur: