CUA : 200 ireo polisy monisipaly horaisina

Handray mpiasa vaovao 200 amin’ireo 400 mifaninana, polisy monisipaly, ny eo anivon’ny kaominina Antana­narivo Renivohitra (CUA). Nisy ny fanadinana am-bava, nataon’ireo mpiadina ireo, teny amin’ny lapan’ny Ta­nàna Analakely, omaly.
Raha ny fanazavana voaray, 33 ny isan’ireo vehivavy nisoratra anarana, nifaninana, tamin’izany. Nozaraina efatra kosa teo amin’ny adina am-bava, izay mitsinjara ho 100 avy. Iray ihany kosa ny mpiadina tsy tonga. Tsiahivina fa efa notanterahina tamin’ny tapa-bolana lasa ny adina ara-panatanjahantena.
Tsy misy fiovana ny fepetra ary ho hentitra ny fanaraha-maso ny fifaninanana, mba hisian’ny fangaraharana. Nitombo ny isan’ireo mpiadina tamin’ity taona ity, raha mitaha tamin’ireo mpandray anjara tamin’ny taon-dasa. Ankoatra izay, nisy koa ny fanadinana hidirana ho mpamonjy voina “pompiers”. Tsiahivina fa 456 ireo nisoratra anarana, ka 451 ny hany voafantina taorian’ny fijerena ny antontan-taratasin’izy ireo. Taorian’ny adina ara-panatanjahantena, taranja lomano, 410 no voaray saingy tsy tonga ny telo ka 407 sisa mifaninana amin’ny adina an-tsoratra. Miavaka ny fepetra amin’ity taona ity, satria afaka mifaninana avokoa ireo manana mari-pahaizana BEPC noho mihoatra.
Marihina fa hampitomboina ny isan’ireo polisy monisipaly sy mpamonjy voina eto an-drenivohitra no antony handraisana ireo mpiasa ireo. Arahan’ny fikambanana miady amin’ny kolikoly (Bianco), akaiky ny fizotran’ny fanadinana, rehetra.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: