CEPE 2023 : 99 ireo mpiadina manana fahasembanana

Ho tanterahana rahampitso manerana ny Nosy ny fanadinana CEPE. Afaka nijery ny efitrano hiadinany ny mpiadina nanomboka omaly.

Efa voazara avokoa ny taratasy fiantsoana ho an’ny tsirairay hatry ny faran’ny herinandro lasa teo. Ho an’ireo mpiadina manana olana, tsy nahazo ny taratasy fiantsoana noho ny tsy fandoavana saram-pianarana, mila manatona eny amin’ny biraon’ny Cisco Analakely izy ireo. “Tsy maro ny olona niharan’io tranga io ho an’ity taona ity raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa”, hoy ny sefo Cisco eto Antananarivo Renivohitra, omaly.
Milamina sy mizotra tsara ny fanomanana rehetra, vonona ny efitrano sy ny fitaovana hampandehanana ny fanadinana rahampitso. Namaly ny antso avokoa ny mpanara-maso sy ny mpandraharaha hifarimbona.
515 081 ireo mpiadina amin’ny fanadinana CEPE ka mpiadina miisa 99 amin’ireo no manana tsy fahatomombanana ara-batana manerana ny Nosy. Eto Antananarivo, ma­nana mpiadina 169 022 izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 572. Any Fianarantsoa, 95 573 ireo mpiadina miparitaka amin’ny foibem-panadinana 411. Ho an’i Toliara 47 310 ny mpiadina miparitaka amin’ny ivontoeram-panadinana 199. Ao Mahajanga miisa 66 174 ny mpiadina mitsinjara amin’ny foibem-panadinana 268. An­tsiranana manana mpiadina 53 740 anatin’ny ivontoeram-panadinana 169. Any Toama­sina, 83 263 ny mpiadina mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 376.
Mahatratra 27 862 ny isan’ny mpiadina eto Antana­narivo Renivohitra. Mipari­taka amin’ny foibem-panadinana 43 anatin’ny efitrano 680 ny mpiadina. Zazalahy 7 taona ny zandriny indrindra, 70 taona ny zokiny indrindra. 21 ny mpiadina manana fahasembanana. Ho an’ny Cisco Avaradrano, 11 123 ny mpiadina ho an’ny CEPE 2023. Manana foibem-panadinana 23 ahitana efitrano 341 ny Cisco. 8 taona ny zandriny indrindra raha 43 taona ny zokiny indrindra amin’ny mpiadina. Ao amin’ny Cisco Atsimondrano, 14 700 ny mpiadina amin’ny CEPE.

Vonjy A.

Partager sur: