Ben’ny Tanàna, A. Naina: “Adidy masina ny fifidianana”

“Adidy masina ny fifidianana filoham-pirenena tahaka izao ka tonga izahay mianakavy, haneho ny safidinay”, hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, omaly. Nanefa ny adidiny amin’ny fifidianana teny amin’ny EPP Analamihitsy tanana, ny tenany sy ny vadiny. Nam­barany tamin’izany fa milamina ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina ary milamina tahaka izany koa ny fizotran’ny fifidianana any amin’ireo birao fandatsaham-bato miisa 1085 eny anivon’ireo boriborintany enina, eto Antananarivo. Nanentana ny vahoaka hifidy ny tenany ary haneho ny safidiny mba hirosoana any amin’ny fampandrosoana, amin’ny alalan’ny tanàna milamina. Nisaorany ireo mpiray tanindrazana rehetra sahy mijoro sy miaro ny safidiny hatramin’ny farany, na inona na inona izany. Nankasitrahany manokana tahaka izany koa ny mponina eto Antananarivo Renivohitra.

Synèse R.

Partager sur: