Basy telo tratra… : lavon’ny zandary i Norobe sy ny namany

Lavon’ny balan’ny zandary nandritra ny fifampitifirana tao Antsahatanteraka Andrano­ma­nelatra, Antsirabe II, ny alatsinainy teo, ny jiolahy raindahiny antsoina hoe i Norobe sy ny namany iray. Teo am-piomankomanana hanao fa­nafihana izy ireo no nifanehatra tamin’ny zandary. Tafa­poritsaka nandritra ny fifanandrinana ny roa lahy naman-dry zalahy. Tratra teny amin’izy ireo ny basy telo (PA roa vita tanana sy PA iray) niaraka tamin’ny bala 11 (efa nipoaka ny iray). Maro ny fanafihana efa vitan’ireto jiolahy ireto tao Antsirabe II. Nokarohin’ny zandary hatry ny ela ihany koa ry zalahy ireto saingy izao vao tratra. Mbola mitohy, araka izany, ny hazalambo ireo jiolahy roa tafaporitsaka ireo.
Maty voatifitry ny zandary koa i Liva, dahalo raindahiny amin’ny halatra omby miharo fanolanana. Tao amin’ny fo­kontany Antsoha, kaominina Ankotrofotsy, distrikan’i Mian­drivazo izy no nifanehatra tamin’ny zandary. Tonga nampandre ny zandary ny fianakavian’ny renim-pianakaviana iray, monina ao amin’ity fo­kon­tany ity, fa tsy hita efa ho andro maromaro izay, izy io. Nandeha ny fikarohana ka fantatra fa i Liva no tompon’antoka tamin’ity raharaha ity. Tratra izy ka nanoro ny fatin’ity renim-pianakaviana ity rehefa avy naolany. Nentina hanondro ny toerana fieren’ireo namany anefa i Liva, omaly tolakandro. Nikasa hitsoaka anefa izy ka voatery nitifitra ny zandary.

Jean Claude

Partager sur: