“Bagasy mazia romotra” : hiroso amin’ny tena fampisehoana ny Zandry Gasy

Nandeha tsimoramora… Fa miroso hatrany ny Zandry Gasy. Hizara an-tsehatra ny “Bagasy mazia romotra” izy ireo. Fampisehoana hamaritra ny endriky ny ho avy izy ity.

Manana tanjona sy vina. Tarika efa nandalo sedra maro, nanoritra ny lalana hizorany amin’ny ho avy ny Zandry Gasy. Izay no tena nisongadina indrindra tamin’ny tafatafa niarahan’ny tarika tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny H.M Son’Or Ankadilalana. Toerana izay nanaovan’ny Zandry Gasy ny famerenana farany, amin’ilay fampisehoana izay hotontosain’izy ireo ny alahady 3 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, eny amin’ny Ivokolo Analakely.
“Tena fampisehoana io. Fotoana hanehoanay ilay loko Zandry Gasy ho an’ny mpankafy. halahatray ao avokoa ireo hira nahafantarana ny tarika hatramin’izay tany anatin’ny rakikira voalohany, miampy ireo anatin’ny rakikira faharoa vao nivoaka ary hiampy ireo handrafitra ny rakikira fahatelo. Hira 36 no halahatray amin’io seho io”, hoy ny fila­zan’i Mbola Talenta, mpitarika ny Zandry Gasy sady mpamoron-kira fototra no mpandrindra ihany koa. “Ny 80 isan-jaton’ireo hira ireo dia famoronana avokoa. Ny ambiny kosa ireo hira Bagasy izay novelomin’ny Zandry Gasy indray, satria heverinay fa adidy ihany koa ny mampahafantatra ireo vakoka sy soatoavina amin’ny taranaka aty aoriana”, hoy kosa i Fitahiana, iray amin’ireo nanangana ny tarika tany am-boalohany.
Fa inona ilay “Bagasy ma­zia romotra?” Fanonta­niana mipetraka matetika io. “Ilay fomba entinay milalao ilay bagasy, izay masiatsiaka no tiana ambara amin’io. Io fomba fitendrin’i Hoby na i Saka gitara io… Sonian’ny Zandry Gasy ilay izy ka lasa namaritra ny mozikanay”, hoy hatrany ny fanazavana. Nampisalorana ny rakikira faharoa mihitsy izany, izay misy hira 12, nivoaka ny volana novambra lasa teo.

Niniana hatao amin’ny toerana kelikely mihitsy ny seho fanokafana ny taom-pampisehoana, ny alahady izao. “Handeha mivantana ao amin’ny www.sehatra.com kosa anefa ny seho, mba hahafahan’ireo tsy afaka mivoaka ny trano sy ireo any amin’ny faritra hatrany ivelany miara-mihanoka izany”, hoy i Antsaly, mpihiran’ny tarika Zandry Gasy.

Zo ny Aina

Partager sur: