Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lapan’ny primatiora Mahazoarivo : nanjavona fotsiny teo ny vola 12 tapitrisa Ar

Lapan’ny primatiora Mahazoarivo  : nanjavona fotsiny teo ny vola 12 tapitrisa Ar

 12 tapitrisa Ar. Tsy dia hoe volabe manao ahoana ity very tao amin’ny lapan’ny primatiora, Mahazoarivo, ny alin’ny 30 mey lasa teo ity. Lapam-panjakana izay heverina fa tokony ho tsara ambina. Mahavariana koa fa tsy varavarana nopitsohina, na rindrina vaky kanefa dia nanjavona izany vola izany. Noteren’ny lehibeny hanolo ny vola ireo miaramila mpiambina, na […]

Rugby – Can 1-B 2016 : hiady lohany amin’i Zambia sy Sénégal i Madagasikara

Rugby – Can 1-B 2016 : hiady lohany amin’i Zambia sy Sénégal i Madagasikara

Ho mafy ny ady. Mila mandresy an’i Zambia sy Sénégal i Madagasikara amin’ny fifanintsanana isam-bondrona eo amin’ny Can 1-B, rugby. Izay manana isa be indrindra mantsy no hiatrika famaranana amin’izay tafavoaka amin’ny vondrona ilany. Raikitra. Handray ny fifanintsanana isam-bondrona amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja rugby, sokajy 1-B na Can 1-B isika, ny 12 – […]

Sehon-dry Momota : hiaraka ny hira, tantara an-tsehatra, lalao ho an’ny ankizy

Sehon-dry Momota : hiaraka ny hira, tantara an-tsehatra, lalao ho an’ny ankizy

Hiravaka loko marevaka Antsahamanitra… Loko maneho ny fetin’ny ankizy, satria tena izay tokoa no tanjona amin’ilay seho “Momota dans Balita et la Princesse”, izay hotontosaina ny alahady 5 jona ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Araka ny fampahafantarana nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, endri-tseho vaovao mihitsy ny homanin-dry Momota sy ny […]

Meeting VW Mada : hiditra amin’ny andiany fahefatra ny hetsika

Meeting VW Mada  : hiditra amin’ny andiany fahefatra ny hetsika

“Meeting VW Mada”. Araka io anarana nampitondrain’ny klioba MaGolf II, mpikarakara ny hetsika, io, hisy indray ny fihaonamben’ny mpitia fiara sy ny fiara Volkswagen. Hiditra sahady amin’ny andiany fahefatra mantsy ny “Meeting VW Mada”, ny 4 jona izao, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Araka ny fanazavan’ireo mpikarakara nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, afaka […]

Is’Art Galerie : haneho ny « Seconde vie » i Maherisoa

Is’Art Galerie : haneho ny « Seconde vie » i Maherisoa

Maherisoa Rakotomalala, mpanao hosodoko sady mpanakanto araka endrika amam-bika. Izy indray no ho vahinin’ny toeram-pampirantian’ny Is’Art Galerie, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, mandritra ity volana jona ity. Handravaka ity toerana ity ny loko maro sy ny endrika maneho aingam-panahy. Mbola tanora ny mpanakanto, saingy tsy mpanavao intsony, raha eo amin’ny tontolon’ny fampirantiana hosodoko sy kanto […]

Mozika jazz : andiany faha-6 ny « Jazz@Tohatohabato »

Mozika jazz : andiany faha-6 ny « Jazz@Tohatohabato »

Anisan’ny fampisehoana mahasarika olona maro eto an-dRenivohitra ny « Jazz@Tohatohabato ». Hotanterahina ny 8 ka hatramin’ny 12 jona ny andiany fahenina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’ity taona ity sady hanokafana ny hetsika rahateo ny fisian’ny « Jazz kids » na ilay fampisehoana ataon’ireo tanora miangaly ny mozika jazz, ny 8 jona ao amin’ny Tranompokonolona Analakely. Ny 11 jona, « Jazz […]

AUF ranomasimbe Indianina : tohanana ireo manomana « doctorat »

AUF ranomasimbe Indianina : tohanana ireo manomana « doctorat »

Nanomboka, omaly, eny Ankatso, ny fianarana manokana enti-manampy ireo mpianatra manomana « doctorat ». Antsoina amin’ny hoe « Ecole doctorale régionale na EDR » izany  hetsika izany ary karakarain’ny Agence universitaire de la francophonie (AUF) aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Natao ho an’ireo mpianatra amin’ny ambaratonga ambony, sampana siansa maha olona, siansa ara-piarahamonina ary amin’ny sampana literatiora ity fiofanana ity. […]

Indray mijery

Hitohy ny orana ho an’ny tapany atsinanan’ny Nosy, mandritra ny efatra andro manaraka, araka ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Manankery hatrany ny filazana mena momba ny habetsahan’ny rotsak’orana amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana. Mila mailo ny rehetra momba ny fihotsahan’ny tany sy ny fiakaran’ny rano tampoka vokatry ny orana. Mbola […]

Ortana sy ny Madavision : hanetriketrika ny hetsika Carnaval de Madagascar

Ortana sy ny Madavision  : hanetriketrika ny hetsika Carnaval de Madagascar

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, tetsy amin’ny Hotel le Louvre Antaninarenina ny hetsika “Carnaval de Madagascar” andiany faharoa izay hotanterahina ny 17 ka hatramin’ny 19 jona izao etsy amin’ny araben’ny Fahaleovantena. Omen-danja manokana ny avy any amin’ny faritra hanolotra ny mpizahatany izay vokatra sy kolontsaina avy any aminy. Ankoatra izany ireo karazan-tsakafo sy fitafiana ary ny […]

JME 2016 : handray anjara eny Tsimbazaza ny Scapes

JME 2016  : handray anjara eny Tsimbazaza ny Scapes

Haroso, ny asabotsy 4 jona izao eny amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza, ny fankalazana ofisialy ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (JME) ho an’i Madagasikara, raha ny 5 jona ny tena andro ofisialy. Lohahevitra amin’ity taona ity ny hoe: “Ady amin’ny varotra tsy ara-dalàna ny biby sy zavamaniry”. Anisan’ny handray anjara mandritra io fotoana io ny […]

Boeny sy nosy Mayotte : fiaraha-miasa maharitra dimy taona

Boeny sy nosy Mayotte : fiaraha-miasa maharitra dimy taona

Tonga tany Mahajanga ny delegasiona  avy any amin’ny Nosy Mayotte, ny herinandro lasa teo, niara-nidinika tamin’ireo mpitantana ao amin’ny faritra Boeny ny hamerenana indray ny fiaraha-miasa eo amin’ny faritra sy ny Nosy Mayotte. Efa nisy izay fiaraha-miasa izay nosoniavina voalohany ny taona 2006, mahakasika ny kolontsaina sy ny fampiofanana. 200.000 euros ny fandraisana anjara nentin-dry […]

28 sy 29 jona 2016 : handraisana fihaonambe momba ny toekarena sy ny Tic

28 sy 29 jona 2016  : handraisana fihaonambe momba ny toekarena sy ny Tic

Isan-taona, manao fihaonambe momba ny toekarena aty amin’ny faritra ranomasimbe Indianina ny Antenimieran’ny varotra ivondronan’ireo Nosy (UCCOI). Tamin’ny fivoriana farany nataon’izy ireo. Tapaka fa atao isaky ny roa taona izany, saingy eo anelanelan’izay, hasiana fivoriana handraisana lohahevitra iray. Hatao eto Madagasikara ny « Indian Ocean Network ». Amin’ity taona ity, ny 28 sy 29 jona, hatao eto […]

Tanora tsy tara – Olan’ny tanora : tsy mahatsapa ny ray aman-dreny, inona ny tokony hatao ?

Tanora tsy tara – Olan’ny tanora : tsy mahatsapa ny ray aman-dreny, inona ny tokony hatao ?

Ireo ao anatin’ny sokajin’ny « adolantsento » no tena voakasik’ity olana ity. Toa tsy mahatsapa ny olana sedraina ny ray aman-dreny? Fantaro ny antony… 14 taona miakatra ve ianao? Eo amin’io taona io indrindra no misedra fiovana maro amin’ny fiainana. Miova ny toe-batana na ho an’ny lahy na ho an’ny vavy. Mitombo manaraka an’izay koa ny fivoaran’ny […]

Fanakorontana… : ahi-maso koa ny Jly Ndriarijaona

 Anisan’ny arahi-maso koa ny tranon’ny Cemgam teo aloha, fony fitondrana Tetezamita, ny Jly Ndriarijaona André, ao Antsampanana, Brickaville. Tsy misy miankina amin’ny sampam-pitsarana eto Toamasina izany rehetra izany, fa tohin’ny fisavana trano efa namoahan’ny tonia mpampanoa lalàna ambony, avy aty an-dRenivohitra, toy ny natao tamin’ny loholona Lylison… Resaka volabe sy fanafenana fitaovam-piadiana entina hanakorontanana mialoha […]

Hiverina hiasa saingy nametraka fepetra ny mpirakidraharaha

 « Tapaka tamin’ny latsa-bato natao fa hiverina hiasa izahay mpirakidraharaha fitsarana noho ny filazan’ny minisitera fa efa akaiky sy nekena ny fitakiana nataonay. Hanomboka ny alatsinainy izany fiverenana miasa izany », hoy ny filohan’ny sendikà, Rabenandrasana Nicolas, omaly tetsy Anosy. Na izany aza, nambaran’izy ireo fa andrasana sy harahi-maso ato anatin’ny roa volana ny ho fanatanterahana ireo […]

Filoha Rajaonarimampianina : « Mbola tsy namita-bahoaka ny filoham-pirenena »

Filoha Rajaonarimampianina  : « Mbola tsy namita-bahoaka ny filoham-pirenena »

« Efa nanondro lalana hitondra ho amin’ny fampandrosoana aho. Hiala amin’ny fahantrana isika. Mbola tsy namitaka ny vahoaka malagasy ny filoham-pirenena », hoy ny filoha Rajaonarimampianina, tamin’ny kabary fitokanana fotodrafitrasa vita any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, omaly. « Mila fitoniana ny fampandrosoana ny firenena. Aoka tsy hambolena korontana ny fitantanana izany fampandrosoana ny firenena izany », hoy izy. Andao […]

Ankirihiry – Toamasina : polisin’ny Fip maty nofaohin’ny taxi-be

Ankirihiry – Toamasina  : polisin’ny Fip maty nofaohin’ny taxi-be

Maty avy hatrany raha vantany vao tonga teny amin’ny Hopitalibe ilay polisin’ny Fip nofaohin’ny taxi-be tao Ankirihiry Toamasina, omaly maraina tamin’ny 6 ora sy 30 mn…   Noho ny fahavoazana mafy sy ny fahaverezan-dra be loatra tamin’ilay lozam-piarakodia no isan’ny nitarika ny fahafatesan’ilay polisin’ny Fip, araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Polisy miasa ao […]

Fantina sy fintina

Voafidin’ireo depiote hisolo tena azy eo anivon’ny HCDDED ny polisy misotro ronono, Rabetafika Fulgence. Natolotry ny HVM ka nahazo vato 44 izy raha 40 kosa ny azon’ny kandidàn’ny Mapar. Tsiahivina fa fito ireo kandidà nifaninana ary telo hafa kosa nahintsana noho ny tsy fahafenoany ny fepetra. Andrasana kosa ny ho solontena iray avy amin’ny Antenimierandoholona ho […]

Tselatra

Hotanterahina, anio eny amin’ny Kianjan’ny miaramila eny Betongolo ny famindram-pibaikoana eo amin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny foloalindahy sy zandarimariam-pirenena vao nahazo fanendrena farany teo. Isan’izany ny commandant des forces d’interventions de l’armée – commandant des forces aériennes de l’armée – Commandant des forces de développement de l’armée – commandant la région militaire N°1 – commandant […]

Raharaha kidnapping : andrasana ny fanadihadiana momba ilay mpitsara voarohirohy

Raharaha kidnapping : andrasana ny fanadihadiana momba ilay mpitsara voarohirohy

 Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Andriamiseza Charles, tamin’ny mpanao gazety, omaly teny Faravohitra fa tokony homena fahalalahana ilay mpitsara ahina ho voarohirohy amin’ny fakana an-keriny tany Toamasina, tamin’ny taon-dasa. « Mbola miankina betsaka amin’ny valin’ny fanadihadiana sy ny famotorana anefa izany », hoy izy. Nohamafisiny fa mbola eo ny tsiambaratelon’ny famotorana sy ny fanadihadiana. « Tokony samy hiandry am-pitoniana […]

Ankirihiry : mpangarom-paosy matin’ny fitsaram-bahoaka

Ankirihiry  : mpangarom-paosy matin’ny fitsaram-bahoaka

 Tsy namelan’ny olona raha tsy tapitra ny ain’ilay tontakely mpangarom-paosy tratra tao an-tsenan’Ankirihiry Toamasina, ny asabotsy antoandro tamin’ny 12 ora. Araka ny fanazavan’ireo olona mahafantatra ilay jiolahy, efa ela nanaovana ity asa ratsy ity sady miharo fanendahana izy rehefa amin’ny antoandro sy hariva. Ireo olona mandeha irery no tena andrasany amin’izany. Maro, araka izany ireo […]

Ahiana hampidi-doza ny fampiasana facebook : an-jatony ny tanora tsy hita, voasariky ny filan-dratsy

Ahiana hampidi-doza ny fampiasana facebook  : an-jatony ny tanora tsy hita,  voasariky ny filan-dratsy

 Efa nahatratra an-jatony ireo tanora na ankizy nanjavona, niala ny tranon’ny ray aman-dreniny, tamin’ny taon-dasa, araka ny tatitry ny polisy. Ao no voasariky ny filan-dratsy sy ny andranandrana noho ny firongatry ny fampiasana tsy am-piheverana ny tambajotram-pifandraisana ara-tsosialy, Facebook.   Raha ny tatitra avy amin’ny polisy, nahatratra anjatony maro ny ankizy tsy hita tamin’ny taon-dasa. […]

RRI-n’ny Antenimiera roa

RRI-n’ny Antenimiera roa

Tapitra iny ny volana mey, tsy maintsy diavina ny jona. Fanambin’ny governemanta ny “hiady”. Manaraka izany paikadiny izany koa ny fotoana, sa ny fotoana no manaraka ny paikady. Mifanindran-dalana amin’ny mpanatanteraka koa anefa, sady tsy afa-miala amin’ny maha tompon’andraikitry ny firenena azy ny antenimiera roa tonta, ny solombavambahoaka sy ny loholona. Indroa isan-taona ny fivoriambe […]

Miarinarivo : taolan-dava marobe hitan’ny zandary

Taolan-dava maromaro hitan’ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Analavory, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fanazavan’ny zandary, lehilahy iray mpiandry omby monina ao Antanetimboahangy no tonga nampilaza tao amin’ny zandary fa misy taolam-paty hitany tao Kavitany. Nilazana avy hatrany ny sefom-pokontany, ny ben’ny Tanàna, ary ny dokotera. Nidina teny an-toerana izy ireo ka hita […]

Ivohibe Ihorombe : lasan’ny dahalo ampolony ny omby anjatony

 Dahalo ampolony nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no indray nanafika tao amin’ny tokantranon’ny raim-pianakavina iray  ao Marohobay, fokontany Longora Avaratra, afakomaly. Vokany, omby anjatony maro lasan’ireo malaso nandritra ny fanafihana. Niditra an-keriny tao an-tanàna ireo dahalo sady nanapoaka basy. Nihorohoro ny mponina manoloana ny fitaovam-piadiana nentin’ireo dahalo ary tsy afa-nanoatra. Nizotra niatsinanana nihazo an’Analamara ao Longora […]