Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Boxe : tsy naloan’ny MJS ny vola 500 dolara an’ny federasiona iraisam-pirenena

Boxe : tsy naloan’ny MJS ny vola 500 dolara an’ny federasiona iraisam-pirenena

Misedra olana indray ny ady totohondry eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Tsy afaka mandray anjara amina fifaninanana iraisam-pirenena, toy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sy ny tompondaka eran-tany hatramin’ireo hetsika fisokajiana Olympika, sns, ny Malagasy noho ny afitsoky ny minisiteran’ny Fanatanjahantena (MJS). Raha ny vaovao voaangona teny anivon’ny federasiona malagasin’ny ady totohondry (FMBO), tsy naloan’ny […]

CICR 2015 : fonja 10 nohavaozina

CICR 2015  : fonja 10 nohavaozina

Nitatitra ny asa nisongadina nataony tamin’ny taon-dasa tamin’ireo fonja eto Madagasikara ny CICR. Nisongadina tamin’izany ny fanavaozana sy fanatsarana ireo fonja 10 tena efa ratsy eto amintsika. Tao ny fampidirina rano fisotro madio sy ny fametrahana fotodrafitrasam-pidiovana sy fahadiovana. Teo koa ny fanatsarana ny toerana fandraisana ireo voafonja tsy ampy taona tamin’ireo fonja roa. Nahatratra […]

Hanatsarana ny fampianarana : hisy fifaninanana mamorona « logiciel »

Hanatsarana ny fampianarana : hisy fifaninanana mamorona « logiciel »

Misokatra, hatramin’ny 9 mey mitataovovonana, ny fisoratana anarana amin ‘ilay fifaninanana « Big datathon pédagogique », karakarain’ny Campus numérique francophone, ny vondron’ny ambasadin’ireo firenena frankofona, ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny frankofonia ary ny Agence universitaire de la francophonie. Fifaninanana mamorona « logiciel« , izay azo ampiasaina eo amin’ny sehatry ny fampianarana. Misokatra ho an’ny olon-drehetra, tsy anavahana taona, lahy […]

ComNat Unesco – Cdesco : nomena lanja ny boky sy ny angano

ComNat Unesco – Cdesco  : nomena lanja ny boky sy ny angano

Nosokafana, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco (ComNat Unesco), Behoririka ny tapany faharoa amin’ny hetsika « Tafo iraisana ». Telo andro hanomezana lanja indray ny tontolon’ny boky sy ny vakiteny ary ny zon’ny mpanoratra. Ankoatra ny ranty sy varotra, nisongana nandritra ity andro voalohany ity ny velakevitra momba ny zon’ny mpanoratra nataon’ny solontenan’ny Omda […]

Kabôsy Spirit – Rakikira : hivoaka ny « Tonga mamangy »

Kabôsy Spirit – Rakikira : hivoaka ny « Tonga mamangy »

Masaka ny nahandro ! Hamoaka ny rakikirany « Tonga mamangy » ny tarika Kabôsy Spirit. Amin’ny alalan’ny fampisehoana an-tsehatra etsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny asabotsy 30 avrily izao manomboka amin’ny 4 ora hariva no hanatanterahana izany. Hirain’ny tarika Kabôsy Spirit eny an-tsehatra avokoa ireo hira 10 ao anatin’ity vokatra vaovao be ity. Raha ny fanazavan’i Mbity […]

Fiainam-piangonana : tsy milamindamina ao amin’ny FLM

Nihaona tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosy omaly ireo mpino niaraka tamin’ny mpitandrina maromaro avy amin’ny fiangonana FLM. Navoitran’izy ireo tamin’izany fa mitaky ny fandraisan’andraikitry ny filoha nasionalin’ny FLM, Rakoto Endor Modeste izy ireo handaminana ny raharaha mba tsy haharatsy laza ity fiangonan-dehibe ity. Efa tongo bakivaky ka sady maharary no mahamenatra no zava-misy eo anatrehan’ny […]

Misaona ny tontolo politika : nodimandry i Saina Michel

Misaona ny tontolo politika : nodimandry i Saina Michel

Namoy olomanga iray indray ny firenena, indrindra ny faritra Analanjirofo. Nodimandry teo amin’ny faha-57 taonany, ny alin’ny talata teo i Saina Michel Désiré, rehefa notsaboina tao amin’ny hopitaly tsy miankina iray, taty Antananarivo. Efa solombavambahoaka indroa miantoana, voafidy tao Fenoarivo Atsinanana ny tenany. Nisahana ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fahasalamana, fony fitondran’ny Pr Zafy. Lehiben’ny faritra […]

Raharisoamalala Patricia : « Tsy hampahomby ny fampandrosoana ifotony ny fanendrena lehibem-pokontany »

Raharisoamalala Patricia : « Tsy hampahomby ny fampandrosoana ifotony ny fanendrena lehibem-pokontany »

 Mbola adihevitra ny amin’ny tokony hifidianana na tsia izay hiandraikitra ny fokontany. Maneho ny fijeriny ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny KMF/Cnoe, Raharisoamalala Patricia: « Anisan’ny fositra iray tsy mampahomby ny fampandrosoana ifotony ny fanendrena lehibem-pokontany. » Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ahoana ny fahitan’ny KMF/Cnoe ny hoe tsy ho vita amin’ity taona ity ny fifidianam-paritra? Raharisoamalala Patricia (-): […]

Mpirakidraharahan’ny fitsarana : « Tsy azo ekena ny fampanantenana manidina… »

Mpirakidraharahan’ny fitsarana : « Tsy azo ekena ny fampanantenana manidina… »

Nanamafy ny hitohizan’ny hetsika fitokonana ny sendikàn’ny mpirakidraharahan’ny fitsarana, omaly. « Tsy hijanona izahay manoloana ireo fampanantenana manidina ataon’ny minisitra ireny », hoy ny sekretera jeneralin’ny sendikà, Randriamaro Michel, omaly tetsy Anosy. Nohitsiny tsotra izao fa tsy nahafa-po ny fihaonana sy ny dinika efa natao niaraka tamin’ny minisitry ny Fitsarana, Andriamiseza Charles. Notsiahiviny fa efa nampanantena ny […]

Fitakian’ny mpiasan’ny Air Madagascar : tsy te hahalala sy tsy manaja lalàmpanorenana ny praiminisitra

Fitakian’ny mpiasan’ny Air Madagascar  : tsy te hahalala sy tsy manaja lalàmpanorenana ny praiminisitra

Mby aiza ny fitakian’ny mpiasan’ny Air Madagascar? Tsy te hahalala sy tsy manaja lalàmpanorenana ny praiminisitra.   « Any amin’ny minisitry ny Fitsarana no tokony hitenenana an’izay, satria manaja ny didim-pitsarana aho. Izay no atao hoe fanjakana tan-dalàna. Tsy hamaly ny momba an’izay aho, fa any amin’ny minisitera izay mitantana an’izay no tokony hamaly azy.«  Valin-tenin’ny Praiminisitra […]

Filankevitry ny minisitra : nirarakompana ny fanendrena tale

 Ho lany andro am-pisikinana eto indray mandritra ny taona ? Maromaro ireo fanesorana sy fanendrena tale sy tale jeneraly na koa talen’ny fandaharanasa eny anivon’ny minisitera samihafa, tamin’ny filankevitry ny minisitra, omaly teny Iavoloha. Samy nesorina amin’ny toerany avokoa ny tale jeneralin’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny fandaharanasa ary ny tetibola eo amin’ny minisi-panjakana misahana ny fandaharanasan’ny […]

Zaka tsara : tsy hita be ihany…

Misaritaka, tsy misy fanazavana, samy manao ny ataony… Izay ny toe-draharaham-pirenena, raha ny eto Antananarivo Renivohitra. Hafa ny any amin’ny faritra sy ny any ambanivohitra: toy ny tsy misy na inona na inona iny… Na izany aza, tsy mandeha amin’izay izy ny raharaham-pirenena, indrindra ny fiainan’ny vahoaka ifotony: tsy fandriampahalemana efa ho lava, fidangan’ny vidim-piainana […]

Mifanaraka amin’ny toetr’andro : mihamirongatra ny andiana kijeja

Mifanaraka amin’ny toetr’andro  : mihamirongatra ny andiana kijeja

Araka ny tatitra navoakan’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny ara-tsakafo (FAO), nety tamin’ny valala ny toetr’andro teto amintsika, nandritra ny folo andro faharoan’ny volana avrily teo. Tena nahitana izany ny tapany andrefan’ny Nosy. Nahitana andiana kijeja, valala vao foy, tany amin’ny faritra Androy, Atsimo Andrefana ary Menabe. Ho an’ireto roa farany, tena nahitana andiana kijeja tany […]

Radio Alliance 92 FM : hiverina ny fandaharana « Ho aiza isika »

 Hanomboka hiverina ho henontsika indray ny fandaharahana « Ho aiza isika », eo anivon’ny onjampeo Alliance 92 FM. Hanomboka anio amin’ny 6 ora sy sasany hariva ny fandaharana amin’ny fiteny frantsay, « Topic news ». Ho an’ny fandaharana « Ho aiza isika » kosa, isaky ny zoma amin’ny iray ora latsaka fahatelo antoandro ary haverina ny asabotsy amin’ny 12 ora sy […]

Nanao fanamby… : hamongotra ny kolikoly ataon’ny zandary ny Jly Ramiandrisoa

Nanao fanamby… : hamongotra ny kolikoly ataon’ny zandary ny Jly Ramiandrisoa

Nametraka fanamby ? Nambaran’ ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena vaovao, ny Jly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel fa vonona ny hamongotra ny kolikoly, anisan’ny mahabe resaka eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny tenany…   Anisan’ny mahabe resaka eo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa tafiditry ny kolikoly ny fanadinam-panjakana handraisana mpianatra ho zandary any Ambositra, ny fifindran-toeram-piasana, ny « stage » sy ny « formation », raha ny […]

Mpiasan’ny orinasa afaka haba : olona sahirana sy vehivavy no betsaka

Mpiasan’ny orinasa afaka haba  : olona sahirana sy vehivavy no betsaka

Mandalo fotoan-tsarotra ny toekarena malagasy, taona maromaro ihany izay. Hita taratra izany amin’ny fahasahiranan’ny indostria ao anatin’ny faritra afaka haba, ireo mpanao lamba sy mpanodina hoditra. Fanadihadiana nataon’ny fikambanana Friedrich Ebert Stiftung (FES). Momba ny indostria mpanao lamba sy hoditra eto Antananarivo ao anatin’ny faritra afaka haba, maro anisa ireo mpandraharaha maorisianina, manaraka ny Sinoa, […]

Fitarainan’ny mpitatitra : hamboarina ny RN-7

Fitarainan’ny mpitatitra : hamboarina ny RN-7

Nihaona tamin’ny minisitry ny Asa vaventy, Razafimandimby Eric, omaly, ny solontenan’ny mpitatitra, avy amin’ny fikambanana Astram. Antony, ny fitarainan’ireto farany ny haratsian’ny lalam-pirenena fahafito (RN-7), indrindra ny eo anelanelan’Ambohimahasoa sy Fianarantsoa. Nambaran’ny filohan’ny Astram fa miteraka olana ho azy ireo tokoa ny haratsian-dalana. Tao anatin’ny iray volana, dimy na enina ny antambo niseho, indrindra ny […]

Fiaraha-miasa amin’ny Amerikanina : hanadina sy hanamarina ny fanjakana tan-dalàna i Heather H.

Fiaraha-miasa amin’ny Amerikanina  : hanadina sy hanamarina ny fanjakana tan-dalàna i Heather H.

Tsy niandry ela taorian’ny tatitry ny zon’olombelona. Nigadona, afakomaly eto amintsika ny tomponandraikitra ambony, sekreteram-panjakana lefitra Amerikanina, Heather Higginbottom. Anisan’ny anton-diany eto ny hijery sy hanara-maso ny fampiharana ny fanjakana tsara tantana sy tany tan-dalàna. Aiza ho aiza ny fampiharana izany izao ? Tafiditra amin’ny fepetra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Amerikanina ny momba ireo, indrindra ny ady […]

Mandrosoa Ivato : fiara kely nandona taxi-be, olona 3 naratra mafy

Mandrosoa Ivato  : fiara kely nandona taxi-be, olona 3 naratra mafy

 Olona telo naratra mafy. Io no vokatry ny lozam-piarakodia nitranga teny Mandrosoa Ivato, omaly maraina. Fiara kely Volkswagen miloko mena nandeha mafy avy any Ivato no voalaza fa nahatonga ny loza. Araka ny fitantaran’ireo nahita ny fitrangan’ny loza teny an-toerana, nandeha mafy avy any Ivato hihazo ny renivohitra ilay fiara kely ity ka nandona fiara […]

Tselatra

Raim-pianakaviana iray indray natelin’ny ranomasina tao amin’ny fokontay Manakambahiny Sahamatevina Vatomandry, ny alatsinainy teo. Voalazan’ny fampitam-baovao avy an-toerana fa dokotera mamita iraka miaraka amin’ny Armada ity niharam-boina ity. Nahita ny fatiny teo amon-dranomasina ny fokonolona. Ny borigadin’ny zandary ao Vatomandry no manao ny famotorana. Dahalo nitondra basy Kalachnikov iray no niditra an-keriny nangalatra omby tao […]

Mahavatse II : mirongatra ny vaky trano

Tsy laitra iainana ! Trano telo sy efatra isan-kerinandro indray vaky ao amin’ny fokontanin’i Tsimenatse I sy Mahavatse II. Fahitalavitra, vilany ary entana maro samihafa no lasibatr’ireo olon-dratsy. Ny asabotsy alina lasa teo, tranona polisy mihitsy no novakin’ireo olon-dratsy ka lasa tamin’izany ny entana sarobidy samihafa tao an-trano. Ny talata teo indray tao Tsimenatse I, tokantrano […]

Ambatomainty : olona iray maty voatifitry ny dahalo

Mirongatra izaitsizy ny asan-dahalo ao amin’ny kaominin’Ambinany, distrikan’i Sakaraha. Andian-dahalo miisa eo amin’ny 70 eo ho eo indray nanafika tao amin’ny fokontany Ambatomainty. Raim-pianakaviana iray maty tsy tra-drano notifirin’ireo malaso, lasan’ireo kosa ny omby miisa 11. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, naharitra adiny telo ny fifandonan’ny fokonolona sy ireo dahalo satria tratran’ny be noho […]

Bongolava : maty ilay zandary voatifitry ny dahalo

Maty omaly maraina tao amin’ny hopitalin’i Tsiroanomandidy, ny G1C Randrianaivo Hugues Patrick, miasa ao amin’ny Poste avancé Betsipolitra. Voalazan’ny fampitam-baovao fa naratra nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo tao Betsipolitra, distrikan’i Miandrivazo, ny 19 avrily 2016 teo ity zandary ity. Mafy ny fifandonana tamin’ireo dahalo ka nitarika ny faharatran’ilay zandary. Efa nakarina ao amin’ny borigady ao […]

Tetehina hogejaina ny fampahalalam-baovao

Tetehina hogejaina ny fampahalalam-baovao

Tsy fantatra intsony izay tena maika amin’ny governemanta. Ny ady amin’ny fahantrana hoe atao vaindohan-draharaha sa ny fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny serasera sy fampahalalam-baovao? Hodinihina sy holanina amin’ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena, hanomboka ny 3 mey, izany, raha tsy nampiraika izay ela izay. Kisendrasendra? Na misy antony hafa… Tsy lavina, efa ampolo taona no […]

Fahirano Antananarivo : nihandronan’ny hatezeram-bahoaka ny Jirama

Fahirano Antananarivo  : nihandronan’ny hatezeram-bahoaka ny Jirama

 Fahirano, ara-bakiteny ny faritra maro teto an-drenivohitra omaly. Tapaka ny fantsona lehibe mizara ny ranon’ny Jirama, eny Ambatoroka. Tsy nisy rahateo fampandrenesana mialoha, ka nihandronan’ny hatezeram-bahoaka ny Jirama. Taitra sy sorena! Tampoka ho an’ny mponina rehetra eto Antananarivo Renivohitra, omaly, ny fahatapahan’ny rano fisotro avy amin’ny Jirama. Tsy nisy rahateo ny fampandrenesana mialoha avy amin’ity […]