Flash
Préc Suiv

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana : olana ny firaisana tsikombakomban’ny tompon’andraikitra

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana : olana ny firaisana tsikombakomban’ny tompon’andraikitra

 Anisan’ny olana amin’ny ady amin’ny jiolahy ny firaisana tsikombakomban’ny mpitandro filaminana, ny mpiandry fonja sy ny fitsarana amin’izy ireo. Tranga maro nahitana izany, ka anisany ny resaka kidnapping.   Nahitsy ny avy amin’ny zandary, omaly nandritra ny fivoriana niarahan’ny tompon’andraikitra ny filaminana, nilaza fa anisan’ny mampanano sarotra ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny firaisana tsikombakomba […]

Tsy ny lehilahy ihany… : roa vavy tratra nanataka poketra teny Analakely

Tsy ny lehilahy ihany… : roa vavy tratra nanataka poketra teny Analakely

Noraisim-potsiny ireo vehivavy roa voarohirohy ho mpanataka poketra sy sakaosy amin’ny hareza eny Analakely. Teo am-panatahana poketra an’ny renim-pianakavina iray niantsena tao amin’ny toeram-pivarotana hazandrano ao amin’ny pavillon Analakely izy roa vavy ireto no voasambotry ny polisin’ny UIR, ny asabotsy maraina teo. Araka ny fanazavan’ny polisy, enim-bavy izy ireo no miaraka rehefa hanao ny asa […]

Analamahitsy : tratran’ny polisy ireo tambajotrana mpangalatra môtô

Analamahitsy : tratran’ny polisy ireo tambajotrana mpangalatra môtô

 Nidoboka am-ponja, ny asabotsy teo ireo jiolahy telo raindahiny amin’ny halatra môtô eto an-drenivohitra. Ny zoma 8 janoary 2016 vao maraimbe izy ireo no saron’ny polisin’ny Sut teny Analamahitsy. Nanao ny vela-pandrika avy hatrany ny polisy rehefa nahazo loharanom-baovao momba ny fisian’ireto andian-jiolahy ireto. Tratran’ny polisy tao an-trano nisamborana azy ireo ny môtô halatra miisa […]

Ampefiloha : vehivavy nodarodarohan’ny polisy

 Vehivavy iray niharan’ny daroka sady nambanan’ny polisy iray tamin’ny basy, ny alakamisy lasa teo teny Ampefiloha. Milaza ity polisy nanao herisetra ity fa miasa eny amin’ny Prezidansa. Araka ny fanazavan’ny fianakavian’ilay niharam-boina, efa narahan’ilay polisy ity vehivavy niharam-boina ity ka nony tonga teny Ampefiloha, nobedain’ilay polisy sy nodarohana ary nambanana basy P.A. Nolazain’ilay polisy fa […]

Intelo taom-baovao ?

Intelo taom-baovao ?

Tsy vazivazy io fa tena marina ! Intelo manamarika ny taom-baovao ny Malagasy. Ny iray, ilay 1 janoary itambarana amin’ireo manaraka ny kalandrie gregoriana. Na io anarany io fotsiny aza efa ampy hanekena fa tsy an’ny Malagasy ny 1 janoary. Ny faharoa sy fahatelo, ireo « hono » no tena an’ny Malagasy. Tsy mariky ny filazana zavatra tsy […]

Antsirabe : nalevina ilay kisoa maty nihinana poizina

Lasa resabe ilay poizina noheverina fa vovo-tsira tao amin’ny fanariam-pako ao Ambohidava Ambohipeno Antsirabe izay nahafaty ilay zaza 3 taona sy tapany. Mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly koa, ankehitriny, ny rain’ilay zaza maty sy ny zokiny vavy 14 taona noho ny fihinanana vary nisy io poizina io. Ankoatra izany, nalevina kosa ilay vantotra kisoa maty […]

5 tratra, 1 maty voatifitra tamin’ireo mpanao kidnapping  : avotra i Arnaud, nafenina tao an-tranona mpitsara

5 tratra, 1 maty voatifitra tamin’ireo mpanao kidnapping  : avotra i Arnaud, nafenina tao an-tranona mpitsara

 Avotra ihany! Hitan’ny polisy tao an-tranona mpitsara ambony iray ao Toamasina I Arnaud, ilay tovolahy nisy naka an-keriny. Voatifitra ny iray ary voasambotra kosa ny dimy tamin’ireo jiolahy. Tratra nandritra izany koa ireo fitaovam-piadiana mahery vaika…   Hitan’ny mpitsikilon’ny polisin’ny boriborintany faharoa any Tanambao II ny trano nitazonana an’i Arnaud, omaly tokony ho tamin’ny 2 […]

Vazo tsy tontan’ny ela : nampatsiahy ny mampiavaka azy ny tarika Jeneraly

Vazo tsy tontan’ny ela : nampatsiahy ny mampiavaka azy ny tarika Jeneraly

Anarana tsy zovina amin’ny mpankafy zavakanto ! Nampitambolona tsiahy ho an’ny ankamaroan’ny olona niaina izany tamin’ny vanim-potoana nitsimohany sy nampiroborobo azy… Tarika Jeneraly ! Ny zoma alina teo, tetsy amin’ny Piment Café Behoririka no namerenan’ny tarika Jeneraly ireo hira tsy afaka am-bavan’ny maro. « Izany vehivavy izany », « Toaka », « Isika roa », « Françoise », « Dada vaovao », sns. Fotoana nampatsiahy avy hatrany […]

Jirama : maloto ny rano tonga any an-tokantrano

Jirama : maloto ny rano tonga any an-tokantrano

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo, maloto tanteraka ny ranon’ny Jirama mamatsy ny tokantrano eto Antananarivo sy ny manodidina. Ho an’ny faritra sasany, miloko mavo na volontany ny rano mandeha amin’ny paompy. Any amin’ny toerana sasany kosa madio mangatsakaka ny rano mivoaka amin’ny paompy. Rehafa apetraka  elaela anefa dia misy fotaka mitsika any amin’ny fanambanin’ny siny […]

Kabary : hankalaza ny faha-10 taonany ny Fanasina Manjakaray

Kabary : hankalaza ny faha-10 taonany ny Fanasina Manjakaray

Anisan’ny rantsana zokiny indrindra eo anivon’ny Mpikabary Katolika (Mpikalo) ny ao amin’ny Ekara Kristy Mpanjaka Manjakaray. Hanamarika sy hankalaza ny faha-10 taonany ry zareo amin’ity taona 2016 ity. Anisan’ny hetsika hotanterahina amin’izany ny dia fibeazana, fiatahana masina, fanandratana ireo andia vaovao mahatratra 40 mianadahy eo ho eo, sns. Taorian’ny Sorona Masina omaly no nampahafantaran-dRafanomezantsoa Julien […]

Fahasalamana : misoroka ny mety hisian’ny aretina pesta ny CRM

Fahasalamana : misoroka ny mety hisian’ny aretina pesta ny CRM

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo, nandaraka fanafody hiarovana ny mety hisian’ny valanaretina pesta ny Croix Rougr malagasy. Natomboka teny Andrefan’Ambohijanahary hatrany Tanjombato izany. Natao izao hetsika izao ho fiarovana ny fahasalaman’ny mponin’Antananarivo manoloana ny loto sy ny fakobe misavovona raha ny tatitra voaray. Manodidina ny 20 ireo mpilatsaka an-tsitrapo manatanteraka ny fandrarahana fanafody. Tanjona ny […]

Hetsika nanokafana ny taona : nakarina an-tsehatra tany Antsirabe ny « Siran’Ankaratra »

Hetsika nanokafana ny taona : nakarina an-tsehatra tany Antsirabe ny « Siran’Ankaratra »

Faribolana Sandratra 25 taona. Iray amin’ireo boky navoaka nanamarihana io vanim-potoana io ny « Siran’Ankaratra ». Nisantarana ny hetsika taona 2016 ataon’ity faribolan’ny mpanoratra sy ny poety ity, ny nitondrana ny voarakitr’io boky io teny an-tsehatry ny Alliance Française Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo. Antsa tononkalo niarahana tamin’i Ra-Phi, L.Niry Andriamora, Ri.Ma, Toly, Zo-Maminirina ary Ranöe. Nakarina […]

Oniversiten’i Toliara : lany ho filoha ny Dr Lezo Hugues

Lany ho filoha vaovao hitantana ny oniversiten’i Toliara mandritra ny telo taona  ny dokotera Lezo Hugues. Nandritra ny fanisam-bato ny fifidianana izay ho filohan’ny oniverisiten’ny Toliara ny zoma hariva lasa teo tao amin’ny Acces no nahafantarana izany. Nandray anjara avokoa ireo kadinda dimy mirahalahy, izay samy manana ny maha izy azy noho ny fanolorana fandaharanasa […]

Fokontany Ankorondrano Andranomahery : ankizy 350 tsy tafiditra an-tsekoly

Fokontany Ankorondrano Andranomahery : ankizy 350 tsy tafiditra an-tsekoly

 12 000 ny mponina ao amin’ny fokontany Ankorondrano Andranomahery ary 40% amin’ireo tena sahirana avokoa, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fokontany, Ramanantany Alain, ny asabotsy teo. Mivelona amin’ny asa madinika ny ankamaroan’ny vahoaka. Ho fanampiana azy ireo amin’izao fiandohan’ny taona vaovao izao, nanolotra sakafo ho an’ny olona 1 000 mahantra ao anatin’ny faritra valon’ny fokontany ny tanora ao […]

Tranoben’ny varotra Toliara : mitaky ny fitantanana ny seranan-tsambo

Tranoben’ny varotra Toliara : mitaky ny fitantanana ny seranan-tsambo

Taorian’ny fifidianana ny 21 novambra 2015, namantarana ireo olona 34 misolo tena ny mpandraharaha ao anatin’ny Tranoben’ny varotra anatin’ny faritra Toliara.  Voafidy ny 30 desambra 2015 kosa ny filoha vaovao, Razafitombo Elijaona, avy amin’ny fikambanan’ny mpandraharaha Geso, maro anisa  ao anatin’io antenimieran’ny Varotra aty Toliara. Nahazo vato 28 Razafitombo Elijaona raha 6 kosa ny an’ny […]

Minisitra Rakotoarimanana Gervais François Marie M. : « Ampy ho an’ny taranaka maro mifandimby ny harentsika raha tsara tantana »

Minisitra Rakotoarimanana Gervais François Marie M. : « Ampy ho an’ny taranaka maro mifandimby ny harentsika raha tsara tantana »

Nandritra ny fotoana fifampiarahaban’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola ny taona vaovao 2016, ny faran’ny herinandro teo teny Andranovelona, nitondran’ny minisitra Rakotoarimanana Gervais fanazavana bebe kokoa ny fitantanam-bola sy ny tetibola. Resaka nifanaovana tamin’ny gazety Taratra.    -Gazety Taratra : Andriamatoa minisitra, amin’izao fotoana izao isika miankina betsaka amin’ny fanampiana avy any ivelany. Nilaza ny […]

Zafinandro Viviane Dewa : hanarina ny fizahantany any Anosy

Zafinandro Viviane Dewa : hanarina ny fizahantany any Anosy

 Mbola voafidy filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Office régional de tourisme faritra Anosy, Rtoa Zafinandro Viviane Dewa. Tsy vahiny any an-toerana izy satria mahafantatra tsara ny tontolon’ny fizahantany. Misy ny ezaka efa vitany fa betsaka ihany koa ny asa miandry azy sy ireo mpandraharaha tanora miaraka aminy any Taolagnaro ho fiatrehana ireo sakana maro nampihemotra ny fizahantany any […]

Grand Tournoi de Pétanque doublette Boss : hiatrika ny «Star Masters de Thaillande” ny mpandresy

Grand Tournoi de Pétanque doublette Boss : hiatrika ny «Star Masters de Thaillande” ny mpandresy

 Hafana indray ny fihaonana eo amin’ny taranja tsipy kanetibe, amin’ity satria hisy ny fiadiana tapakila, hiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena, hatao any Thaillande. Fihaonana karakarain’ny FBCT Mahamasina. Halefan’ny klioba FCBT, miatrika ny andiany fahenina amin’ny “Star Masters de pétanque”, hatao any Thaillande, ny 25 – 27 febroary, ho avy izao, izay ho mpandresy amin’ny “Grand tournoi de […]

Tenisy – «Afrique Australe 2016» : nandravarava ny mpilalao malagasy

Tenisy – «Afrique Australe 2016» : nandravarava ny mpilalao malagasy

Tsara fanombohana ny katitakely malagasy eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, ho an’ny faritra tapany atsimo na ny «Afrique Australe». Saika nahazo fandresena avokoa izy ireo, tamin’izany.   Fandresena sivy, tamin’ireo lalao folo natrehiny no azon’ny ekipa malagasy, teo amin’ny andro voalohany,  notanterahina ny asabotsy lasa teo, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]

Kick-boxing : nakotroka ny fandraisan’i Toliara an’i Severin

Kick-boxing : nakotroka ny fandraisan’i Toliara an’i Severin

Tonga tany Toliara, omaly alahady i Mamonjisoa Severin, tompondaka eran-tany amin’ny kick-boxing ISKA Pro, latsaky ny 60 kg. Nafana ary tena nakotroka ny fitsenana ity maherifon’ny firenena ity. Feno vahoaka, nanofahofa ny sainam-pirenena sy ny sarin’i Severin, ny lalana rehetra nalehany, tao an-tampon-tananan’i Toliara. Sesilany ny vola sy ny fanomezana natolotr’ireo manampahefana sy ny olon-tsotra […]

Karate – “Mondiaux 2016” : hanafika any Linz i Dago

Karate – “Mondiaux 2016” : hanafika any Linz i Dago

Misy fahavononana. Araka ny fandaharam-potoan’ny federasion’ny karate eto Madagasikara (FKM), anisan’ny hetsika mandrafitra ny taom-pilalaovana 2016 ny fiadiana ny tompondaka eran-tany. Noho izany, efa mivonona sahady amin’ny fiatrehana io fifaninanana iraisam-pirenena io izy ireo. Marihina mantsy fa hotanterahina any Linz, Autriche, ny volana oktobra 2016, ny andiany faha-23 amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany eo amin’ny […]

Boxe : handray fifaninanana iraisam-pirenena i Dago

Boxe : handray fifaninanana iraisam-pirenena i Dago

Ho feno ny fandaharam-potoan’ny taranja ady totohondry amin’ity taom-pilalaovana 2016 ity. Ankoatra ireo hetsika nasionaly mahazatra, toy ny fifaninanana rezionaly sy fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sns, eo ihany koa ireo fifaninanana iraisam-pirenena isan-tokony hatrehintsika. Anisan’izany fiadiana ny tompondakan’i Afrika sy ireo fifaninanana fisokajiana olympika, sns. Tsy izay ihany anefa, fa handray fifaninanana iraisam-pirenena i Madagasikara […]

Kitra – «Chan 2016» : Elefanta (1) – (1) Ginea

Kitra – «Chan 2016» : Elefanta (1) – (1) Ginea

Ny 16 janoary ho avy izao, vao hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina fa milalao ao amin’ny fireneny ihany “Chan 2016”. Fihaonana izay hotanterahina any Roandà. Mialoha izany, samy manoman-tena fatratra ireo firenena tsirairay voakasik’izany. Ny zoma lasa teo, niatrika lalao ara-pirahalahiana tao Johannesbourg, Afrika Atsimo, […]

Hitsy toraka : mieritrereta…

Mandia taona vaovao indray izao, ny fanatanjahantena malagasy. Na tsy voaresaka teny Iavoloha aza, ny mahakasika ity tontolo ity, mitohy hatrany ny fifaninanana. Tokony hampieritreritra ny tomponandraikitra isaky ny federasiona sy ny ligy ary ny seksiona sy ny mpitantana klioba, ny zava-nisy tamin’iny lanonana iny. Matoa tsy voaresaka fa naseho ho hitan’ny olona fotsiny, ireo […]

Sempama : « Tsy ho fitaovana politika intsony… »

Sempama : « Tsy ho fitaovana politika intsony… »

 Niaiky ny lesoka rehetra tany aloha. « Tsy hanaiky hatao fitaovana politika intsony izahay. Horaisinay an-tanana ny ho avinay ary haverina ny hasin’ny mpanabe… », hoy ny eo anivon’ny kaonfederasion’ny sendikàn’ny mpampianatra (Sempama), Ranivoarisoa Bodo, ny asabotsy teo tetsy Anosy. Nohamafisin’ny filoha nasionaly, Ravokatra Claude fa anisan’ny tarigetra ny hametrahana ny rafi-panabeazana mifanaraka amin’ny filàn’ny firenena.      […]