Flash
Préc Suiv

Pr Raniriharinosy : « Misy fandrika ny fitakiana ireo Nosy »

 « Resaka lehibe ny amin’ireo Nosy malagasy manodidina ireo. Feno fandripandrika izy io. Tsy fantatra intsony hoe iza no tena mitaky azy ireo, ary iza no mpanao politika manararaotra ireo olona tena mitaky an-tsitrapo ireo Nosy manodidina ireo. » hoy ny mpampianatra mpikaroka, kandidà ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, natolotry ny Arema, tamin’ny taon-dasa, ny Pr Raniriharinosy Harimanana, […]

Fisolokiana sy fanapoizinana olona : olona roa voasambotra, iray hafa hosamborina any Toamasina

Fisolokiana sy fanapoizinana olona : olona roa voasambotra, iray hafa hosamborina any Toamasina

Olona roa atolotra ny fampanoavana, anio, momba ny fisolokiana avo lenta, ary efa tambajotra iray mihitsy. Vehivavy ny iray ary olona iray hafa notondroiny ho mpiray tsikombakomba aminy ny faharoa. Araka ny fanazavana azo, miisa efatra ireo olon-dratsy ireo, ary efa fantatra avokoa, ary hosamborina any Toamasina ny iray, noho izy io any an-toerana. Voalaza […]

Analanjirofo : manohy ny asa soa ny lehiben’ny faritra

Nanolotra fanitso miisa 40 ho an’ny fiangonana katolika (Ekar) ao Sahavola ny lehiben’ny faritra Analanjirofo, Ramarson Jaques, ny 4 janoary teo. Tsy vitan’izany fa teo koa ny vola 4 tapitrisa Ar sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) toy ny vary sy menaka ho an’ireo fianakaviana sahirana amin’ireo distrika enina mandrafitra ny faritra, ny faran’ny […]

Fasana Andranomena : andrasana havoakan’ny fitsarana

Taorian’ny savorovoro, fanakanan-dalana teny Andranomena nitady marimaritra iraisana ho an’ny andaniny sy ny ankilany ny lehiben’ny faritra. Tapaka nandritra ny fifandresen-dahatra fa hiandry ny havoakan’ny fitsarana ny roa tonta satria efa nametraka fitoriana ireto vahoaka ireto. Araka ny nifanarahana,  natao teny amin’ny trano malalaky ny faritra atsimo Andrefana ny fifampidinihana, izay niarahana tamin’ireo foko, manana […]

Fihaonan’ny CSM amin’ny filoham-pirenena : nangataka ny hanamafisana ny fahaleovantenany ny mpitsara

Fihaonan’ny CSM amin’ny filoham-pirenena : nangataka ny hanamafisana ny fahaleovantenany ny mpitsara

 Tsy tongatonga ho azy amin’izao fotoana mahabe resaka ny tontolon’ny fitsarana izao ? Noraisin’ny filoha Rajaonarimampianina teny Iavoloha, omaly maraina ny eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM). Nivoitra tamin’izany ny tolokevitr’ireto avy amin’ny mpitsara ireto ny amin’ny tokony hijerena na hanitsiana, raha ilaina izany sady ho fanamafisana ny fahaleovantenan’izy ireo sy ny tontolon’ny fitsarana amin’ny ankapobeny. […]

Ambatomarina Manandriana : tafio-drivotra nandratra mpianatra 11, telo voa mafy

Nitrangana tafio-drivotra mahery vaika tany amin’ny kaominina Ambatomarina, distrika Manandriana, ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Ankizy 11 naratra ka ny telo tamin’ireo no tena voa mafy. Ny roa tamin’ireo, voatery naiditra hopitaly aty an-dRenivohitra. Naharitra 30 minitra teo io tafio-drivotra io, ary nandrava fotodrafitrasa tao amina CEG iray any an-toerana. Voalaza […]

Ankadikely Ilafy : tranona jeneraly notafihan’ny jiolahy, lasa ny volabe sy basy poleta

Ankadikely Ilafy : tranona jeneraly notafihan’ny jiolahy, lasa ny volabe sy basy poleta

 Notafihan’ny jiolahy efatra, nitondra basy… kilalao sy zava-maranitra, ny alin’ny alatsinainy teo, ny tranona jeneraly iray monina eny teny Ankadikely Ilafy. Nanohitra ihany saingy tsy nahovoka ity farany. Vokany voaroban’ireo jiolahy ny basy poletany sy ny volabe.   Volabe mitentina 1 600 000 Ar tao anaty vatamafihidy sy basy P.A revolver tsy misy bala no lasan’ny jiolahy […]

Lalao iraisam-pirenena : hatao eto amintsika ny lalan’ny CJSOI, andiany fahafolo

Lalao iraisam-pirenena : hatao eto amintsika ny lalan’ny CJSOI, andiany fahafolo

Handray lalao iraisam-pirenena ny Malagasy, amin’ity taona 2016 ity. Anisan’izany ny lalaon’ny tanora ao anatin’ny CJSOI. Fifaninanana ara-panatanjahantena sy kolontsaina no hiadiana medaly volamena, amin’izany. Hotontosaina eto Madagasikara? ny 1 ka hatramin’ny 7 aogositra ho avy izao? ny andiany fahafolo, amin’ny lalaon’ny kaomisiona ho an’ny tanora sy ny fanatanjahantena, aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina […]

Tsy niomana mialoha : sarotra ho an’ny Jirama ny hampiasa ny soliky ny MadaOil

 Fahita eto amintsika ny tsy fahaizana manao vina miomana amin’ny lafiny tsara na ratsy. Tombontsoa tokony ho antsika ny fampiasana ny menaka mavesatra vokarin’ny Madagascar Oil, saingy zary nofinofy satria tsy misy ny fiomanana mialoha. Tsy fahaiza-mitsinjo mialoha! Fanaon’ny mpitantana, mpamolavola fandaharanasa na drafitrasa ny manana vina akaiky, antenantenany ary lavitra ezaka. Rehefa tena zohina […]

Handball – Educasport : mpilalao 14 nomena fanampiana

Handball – Educasport : mpilalao 14 nomena fanampiana

Toy ny fanaony isan-taona, nanolotra sy manome fanampiana ireo mpilalao ao aminy ny Educasport, taranja handball, ao amin’ny klioba AS St Michel Amparibe. 14 mirahalahy ireo nahazo izany, izay ao anatin’ny andiany faharoa, amin’ireo ankizy beazina. Ny  saram-pianarana sy ny fitaterana ary ny vatsy ho an’ny fanazarantena no nanampiana azy ireo. Ankoatra izay, nohararaotina ihany […]

Kitra “tournoi” Tim Imerintsiatosika : lasan’ny klioba Razafindrajesy ny omby

Kitra “tournoi” Tim Imerintsiatosika : lasan’ny klioba Razafindrajesy ny omby

Nibata ny fandresena tamin’ny alalan’ny “tir au but”, 5 noho 2, ny klioba Razafindrajesy nanoloana ny 3FB tamin’ny famaranana “Tournoi kitra”, nokarakarain’ny antoko Tim ny alahady teo tao Imerintsiatosika. Nirava sahala, tsy nisy  nitoko ny roa tonta tamin’ny fe-potoana ara-dalàna ary izao niafara amin’ny fibatan’ny klioba Razafindrajesy ny omby, natolotry ny depiote Rakotomanjato Rodin izao […]

Loka J. Ramanankamonjy : marobe ireo tonga mianatra hosodoko

Miisa 35 ireo tonga mianatra hosodoko, etsy amin’ny Tahala Rarihasina etsy Analakely, nanomboka omaly. Sivy taona latsaka ny zandriny indrindra ary 73 taona ny zokiny indrindra. Izany dia tafiditra ao anatin’ny hetsika « Loka Joseph Ramanankamonjy », karakarain’ny fikambanana mitondra izany anarana izany ihany. Ankoatra ireo, efa nisy olona 14 namita izany fiofana izany nandritra iny faran’ny […]

Fakafaka : kolontsaina mitady fandrosoana

Ahitana lesoka be ny tontolon’ny kolontsaina eto Madagasikara ! Ny hira avy hatrany no alehan’ny sain’ny Malagasy. Raha tomorina akaiky anefa, toa tsy ny sehatry ny hira loatra io ahitana lesoka io fa ny kolontsaina hafa. Mbola manana sehatra isehoana ny mpihira. Afaka mivelona amin’ny hira ireo « manana fahasahiana » hitady vola amin’izany, sns. Diniho ny hafa […]

Amerikanina : mitsidika an’i Madagasikara ny lehiben’ny Peace Corps

Amerikanina : mitsidika an’i Madagasikara ny lehiben’ny Peace Corps

Tonga mitsidika an’i Madagasikara ary mijery akaiky ireo mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina miasa eto ny tale faha-19 mitantana ny peace corps maneran-tany, Carrie Hesssler-Radelet. Omaly, nanatanteraka fambolen-kazo tany Mantasoa ny tenany niarahana tamin’ny kaominina Mantasoa. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fitsingerenan’ny taona nahaterahan’ilay olo-malaza, Martin Luther King ity fotoana ity ka nampisehoana ny fanaovana asa soa, izay […]

Aorian’ny volana jolay : hakatona ny sekoly tsy ara-dalàna   

Ho hentitra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena manomboka amin’ity taona ity. Manome fe-potoana hatramin’ny volana jolay ho an’ny mpitantana sekoly tsy miankina rehetra ny tomponandraikitra hikarakarana ny taratasy fahazoan-dalana hisokatra sy hampianatra. Betsaka ny sekoly miahy tena mitsangana sy mandray mpianatra, nefa tsy ara-dalàna akory ny taratasy ara-panjakana. Ny ray aman-dreny koa tokony ho mailo ka hanontany […]

Faritra Sava sy Diana : hisy orambe, rivotra sy onja mahery vaika hatramin’ny rahampitso

Faritra Sava sy Diana : hisy orambe, rivotra sy onja mahery vaika hatramin’ny rahampitso

 Onja be mahatratra 3 m ny haavony, rivo-mahery hatramin’ny 55km isan’ora ary orambe mirefy 50 mm ao anatin’ny 24 ora no hitranga amin’ny tapany avaratra sy atsimo andrefan’ny Nosy. Nahazo filazana loza mitatao mihitsy ny faritra maromaro.      Mitondra rotsak’orana betsaka mety mahatratra 50 mm ao anatin’ny 24 ora ny zone de convergence inter tropicale […]

Hatsikana sy hira : mitohy ny sehon’i Goth any Frantsa

Hatsikana sy hira : mitohy ny sehon’i Goth any Frantsa

Maharitra kokoa ny fivoahan’i Gothlieb any ivelany amin’ity. Efa talohan’ny faran’ny taona izy no nihazo an’i Frantsa, nanafana ny fetin’ny faran’ny taona tany an-toerana. Araka ny vaovao nampitainy, mbola misy daty maromaro hanaovany fampisehoana, hitondran’i Gothlieb ireo hatsikana sy hira manavanana azy. Fotoana manaraka ny any Lyon ny 23 janoary, any Nice ny 30 janoary, […]

RN 5 : tonga any an-toerana ny fitaovana

RN 5 : tonga any an-toerana ny fitaovana

Nangataka teo imason’ny filoham-pirenena ny ben’ny Tanànan’ i Mahavelona Foulpointe, ny alatsinainy 11 janaory teo, hanamboarana ny lalam-pirenena fahadimy (RN 5), mirefy 55 km mampitohy amin’i Toamasina. Ny andron’io ihany, nalefan’ny minisiteran’ny Asa vaventy  tany an-toerana ny fitaovana vaventy an’ny orinasa tsy miankina, hanarina ity lalana ity. Voalaza fa hitohy any amin’ny tapany avaratra amin’iny […]

RFC – Fifaninanana : mitohy hatramin’ny 29 janoary ny fisoratana anarana

Mbola manana 13 andro ireo manan-talenta amin’ny fanatontosana sarimihetsika te handray anjara amin’ny fifaninanana, mandritra ny hetsika « Rencontres du film court », amin’ny fanaterana ny antontan-taratasy mikasika izany. Azo alaina etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely sy any amin’ny Alliances françaises miparitaka manerana ny Nosy izany. Ireo toerana ireo ihany koa no anaterana […]

Fivorian’ny frankofonia : hovitaina ao anatin’ny 10 volana ireo fotodrafitrasa lehibe

Fivorian’ny frankofonia : hovitaina ao anatin’ny 10 volana ireo fotodrafitrasa lehibe

Nanome toky ny filohan’ny Conseil national d’orientation, Ratsiferana Hugues, miaraka amin’ny minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ny fiadidiana ny Repoblika sy fotodrafitrasa, Rakotovao Rivo, fa ho vita ara-potoana ny asa rehetra ho fandraisana ny fivoriana an-tampony faha-16 ireo firenena mampiasa teny frantsay iraisam-pirenena lehibe izany. Manana 10 volana ny mpikarakara fandraisana ny fivoriana an-tampony ny frankofonia, hanaovana […]

Behoririka : mety ho vita, anio, ny lalana manoloana ny Avance center

Behoririka : mety ho vita, anio, ny lalana manoloana ny Avance center

Nigadona, omaly hariva manodidina ny farihin’i Behoririka, avokoa ny fitaovana vaventy fanamboaran-dalana an’ny orinasa Sogea Satom. Nambaran’ny mpamily iray amin’izy ireo, nandritra io fotoana io fa “hanomboka anio alina ny asa satria mbola mitohana ny fifamoivoizana (tamin’ny 5 ora hariva). Hatao ny ampahan-dalana manoloana ny tranombarotra Avance center”. Miantoka ny famatsiam-bola hanaovana azy ny minisiteran’ny […]

Orkide velo mihantona : zanatany ny 84, 9 % misy eto Madagasikara

Orkide velo mihantona : zanatany ny 84, 9 % misy eto Madagasikara

Velo mihantona no fiantsoana ny orkide miaina eny ambony hazo. Anisan’ny zavamaniry tsy mety lefy laza izy io fa manintona izay rehetra tojo azy noho ny hatsaran’ny endriny, ny lokony, hatramin’ny hanitra avoakany ifanotofan’ny any ivelany hanaovana ranomanitra. Na an-tsaha na an-tanàna, ravak’izay itoerany ny orkide velo mihantona. Zanatany ny 84,9%-n’ ny orkide misy eto […]

Akora fanamboaran-trano : niaka-bidy ny simenitra

 Manaraka ny fidangan’ny vidim-piainana! Nisondro-bidy koa ny simenitra eto amintsika. Voakasik’izany avokoa ny vita eto an-toerana sy ny hafarana avy any ivelany. Lasa 24.000 Ar ny sokajy CP 35 vita eto an-toerana sy ny CPA 45 avy any ivelany raha 22.300 Ar teo aloha. Tafakatra 26.500 Ar kosa ny simenitra CPA 45 vita eto an-toerana […]

Miandrarivo Ambanidia : mody mangataka nefa manendaka, jiolahy dimy saron’ny polisy

Miandrarivo Ambanidia : mody mangataka nefa manendaka, jiolahy dimy saron’ny polisy

 Nidoboka am-ponja, omaly ireo jiolahy dimy voasambotry ny polisy teny Volosarika sy Miandrarivo Ambanidia, ny zoma teo. Manan-kilema ny iray amin’ireo ary mody mangataka amin’ny fitohanan’ny fiara ka ny namany no tena manao ny fanendahana…   Nanatanteraka hetsika manokana ny polisin’ny boriborintany faharoa eny Ambohijatovo, manoloana ny tsy fandriampahalemana eny amin’ny faritra Ambanidia iny. Jiolahy […]

BNI-Madagascar sy EDBM : miara-manohana izay manana tetikasa

BNI-Madagascar sy EDBM : miara-manohana izay manana tetikasa

Miara-miasa, manomboka izao, ny banky BNI Madagascar sy ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM). Samy manana ny asany ireo fa mifameno ho tombontsoan’ny mpampiasa vola hiditra amin’ny fandraharahana sy hitrandraka ny tsena samihafa eto amin’ny firenena. Izao fiaraha-miasan’ny roa tonta izao, lalana iray ahazoana manangana orinasa, mifanaraka tsara amin’ny politika « guichet unique » nofaritan’ny EDBM. […]