Par Taratra sur 07/06/2016
NS Malagasy, NS-Politique

Ahoana ihany ny amin’ny « Raharaha loholoha Lylison »? Tsy misy fisamborana azo atao, raha tsy miala ny zo tsy azo enjehina, araka ny fanazavan’ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana. « Tsy azo avoaka ny didy fisamborana, raha tsy miala ny zo tsy azo enjehina », hoy ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, raha nanontaniana an-telefaonina, tamin’ny loakandro, manoloana ny resabe […]
Par Taratra sur 07/06/2016
Divers, NS Malagasy
Nialohavan’ny fanazavana ny andraikitry ny loholona sy ny asany ny zoma teo, tao Toliara ny fametrahana ireo senatera 10, avy any amin’iny faritany teo aloha iny, ny asabotsy teo. Nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena kosa fa tokony hojeren’ny fanjakana ny hanatsarana ny seranatsambon’i Toliara ka hamerenana indray ny zotra an-dranomasina Toliara-Durban sy ny zotram-piaramanidina Toliara […]
Par Taratra sur 07/06/2016
Faits Divers, NS Malagasy

Karohina ny jiolahy raindahiny antsoina hoe Rabokony sy ny vadiny. Maromaro ny anarana hahafantarana azy, malaza amin’ny fanaovana kidnapping. Namoahan’ny polisy sampana ady heloka bevava (BC) Anosy filazana fikaronana Rakotomamonjy Lalaina Richard na koa hoe Ramaitre na i Bema, na koa hoe Leone, na Rabokona, na i Grand, ny 4 jona lasa teo. Ireo rehetra […]
Par Taratra sur 07/06/2016
En Bref, NS Malagasy
Handinika ny volavolan-dalàna momba ny fiarovam-pirenena ireo depiote, manomboka ny alakamisy izao. Tafiditra ao anatin’izany fitsinjarana andraikitra sy ny firafiny. Tsiahivina fa efa iray volana nanomboka ny fivoriana ireo depiote ary izao vao handinika lalàna. Nanamafy ny tsy nitenenany ny hampikatso ny raharaham-panjakana ny mpitarika ny Afo sendikaly, Maharavo, omaly. Nambarany fa olon-kafa no niteny […]
Par Taratra sur 07/06/2016
Divers, NS Malagasy
« Tsy sakana amin’ny fitsidihana ireo kaominina, heverin’ny mpitondra rehetra teo aloha fa tany lavitra andriana ny lalan-dratsy mankany amin’ ireny toerana mitoka-monina ireny » hoy ny lehiben’ny faritra Analanjirofo, Ramarson Jacques. Nitsidika ny kaominina Andapafito, disitrikan’ i Soanierana Ivongo ny tenany, ny faran’ny herinandro teo. Nohamafisiny fa vaindohan-draharaha ny fidinana ifotony amin’ ireny kaominina saro-dalana ireny, ahafahana […]
Par Taratra sur 07/06/2016
Edito Taratra, NS Malagasy
Misaona ny tontolon’ny zavakanto malagasy, nodimandry ny lehiben’ny tarika Ny Ainga, Rabesaiky Guillaume, fantatry ny maro amin’ny hoe Om-Gui. Misaona torak’izany koa ny tontolon’ny fanatanjahantena noho ny faharesen’ny Barea de Madagascar tamin’ny isa mavesatra, 6 noho 1, nanoloana ny RD Congo tamin’ny fifanintsanan’ny Can 2017, tany Mahajanga. Resy an-taniny i Madagasikara. Tsy mahagaga, resy an-taniny […]
Par Taratra sur 07/06/2016
Faits Divers, NS Malagasy

Mbola voatazona ao amin’ny borigadin’Antsirabe ny mpamily ilay fiara tsy mataho-dalana Kia maintimainty nitondra an’i Om-Gui, hatramin’ny omaly. Fantatra fa hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy io, aorian’ny fanadihadiana atao azy, izay mbola ao anatiny mihitsy ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Raha ny feo mandeha, namofompofona zava-pisotro mahamamo ity mpamily ity. Tsy mbola […]
Par Taratra sur 07/06/2016
Faits Divers, NS Malagasy

Io indray! Taxi-be 163 iray indray no nivadika teny Behintsy By-Pass, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy 30 mn. Olona telo naratra vokatry ny fivadihan’ny fiara. Avy any Ambohimangakely hihazo an’Alasora ny lalan’ity taxi-be ity ka niharan-doza tampoka. Araka ny fanazavan’ny mpandeha iray tao amin’ilay taxi-be, nandeha mafy ilay taxi-be Sprinter 163 ity. Nipoaka tampoka […]
Par Taratra sur 07/06/2016
Divers, NS Malagasy
Dahalo miisa 21 ka vehivavy ny telo amin’ireo indray lavon’ny zandary tao Mahateza fokontany Anketsa, distrikan’Iakora faritra Ihorombe, ny alahady teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, dahalo miisa 60 eo ho eo nitondra basy Kalachnikov iray sy basim-borona no tonga nanafika tao an-toerana. Omby miisa 150 lasan’ireo dahalo nandritra ny fanafihana. Ny alahady tamin’ny […]
Par Taratra sur 07/06/2016
En Bref, NS Malagasy
Ranöe, mpiray Faribolana tamin’i Om-Gui tao amin’ny Sandratra: Teo amin’ny asa soratra, ankoatra ny tontolon’ny fitiavana, efa ahafantaran’ny maro azy, nampiavaka an’i Om-Gui ny fankafizany ny tontolo ambanivohitra. Angamba tsy dia fantatry ny olona loatra fa anisan’ireo tena niaro ny tontolo iainana izy. Olon’ny fanabeazana ihany koa i Om-Gui. Anisan’ny nampiasaiko tamin’ny fanomanako ny DEA […]
Par Taratra sur 07/06/2016
Faits Divers, La Une, NS Malagasy

Araka ny tapaka farany, tsy miverina aty an-dRenivohitra intsony, fa nanohy nianatsimo nihazo ny tanindrazany ny vatana mangatsiakan’i Om-Gui. Tomefy olona ny fiandrasam-paty sy ny famoahana ny razana tao Antsirabe. Niraradraraka kosa ny fanomezam-boninahitra ho an’ity andrarezin’ny zavakanto malagasy ity. Vetivety dia nihanaka ny vaovao ratsy ny alahady teo. Very olomanga satria nisongadina teo amin’ny […]
Par Taratra sur 06/06/2016
NS Malagasy, NS-Sports

Tsy nampoizina. Norombahin’ilay Espaniôla, Gerbine Muguruza, tampoka ny amboaran’ny Roland Garros 2016, taranja tenisy. Lavony tamin’ny seta roa, 7-5, 6-4, teo amin’ny famaranana, ilay Amerikanina, Serena Williams. Tapitra tamin’iny famaranana iny ny lalan’i Serena Williams, efa akaikin’ny fandrombahana ny faha-22-n’ny amboarany, teo amin’ny Roland Garros. Tsy nampoizin’ity laharana voalohany maneran-tany, eo amin’ny sokajy vehivavy ity […]
Par Taratra sur 06/06/2016
NS Malagasy, NS-Sports

Niaiky tanteraka. “Mafy taminay iny lalao iny satria tena matanjaka amin’ny taktika sy teknika ary ara-batana ry zareo Leopard… tsy ampy traikefa ny mpilalaontsika satria mpilalao sambany vao niatrika lalao lehibe iraisam-pirenena ny antsika. Ohatra, Rinjala, Boura, Eddit… tsy tonga fa naratra avokoa ireo mpilalao 5, mila ravinahitra any ivelany”, hoy izy tamin’ny mpanao gazety, […]
Par Taratra sur 06/06/2016
NS Malagasy, NS-Sports

Natolefiky ny Leopard-n’i RD Congo tamin’ny isa mavesatra 6 noho 1 ny Barea-n’i Madagasikara, teo amin’ny andro fahadimy amin’ny fifanintsanan’ny Can, teto Mahajanga, omaly. Naato tamin’ny asany, avy hatrany, ny mpanazatra ny Barea. Nampiditra ny baolina voalohany ho an’ny RD Congo i Bakambu raha vao nanomboka 1mn mahery ny lalao. Nisesy ny baolina […]
Par Taratra sur 06/06/2016
Faits Divers, NS Malagasy

Nanomboka ny 28 Avrily lasa teo, mitohy ny fanaovana ho rarivato ny lalana mampitohy ny seranam-piaramanidin’Antsirabe sy ny lalam-pirenena faha-7. Maharitra 3 volana ity fanavaozana ka ny minisiteran’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanajariana ny tany sy ny tetikasan’ny filoha no namatsy vola. Mirefy 1km 600 ny lalana, ka 600m amin’izany no efa vita. Hananosarotra […]
Par Taratra sur 06/06/2016
Faits Divers, NS Malagasy

Mahatratra 6 000 ny toby PNNC misahana ny fanjarian-tsakafo eny anivon’ny fokontany maro manerana ny Nosy. Amin’izao fotoana izao, ny 50% sisa amin’ireo no mihodina manao ny asany noho ny tsy fahampian’ny vola. Nihena amin’ny ampahefany ny sorabola kirakiraina ampandehanana ny asa rehetra nefa fototry ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny fisian’ny toby PNNC, araka ny […]
Par Taratra sur 06/06/2016
Faits Divers, NS Malagasy

Nankalazaina ny asabotsy 4 jona teo, teny amin’ny valanjavaboahary Tsimbazaza ny Andro iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana (JME) ho an’ny taona 2016 ho an’i Madagasikara, raha ny 5 jona ny tena andro ofisialy. Nitarika ny fotoana, nisolo tena ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny ala ary ny ekolojia, Ndahimananjara Johanita, ny minisitry ny Fitsarana, […]
Par Taratra sur 06/06/2016
En Bref, NS Malagasy
Momba ny toetry ny andro anio, ny tapak’andro hariva, hanorana malefaka any Sava, Analanjirofo ary Atsinanana fa hanana endrika tandrifin-drahona izany any Vatovavy-Fitovinany sy Atsimo Atsinanana. Hifandimby ny rahona sy ny masoandro any amin’ny faritra hafa. Ho mafy hatrany ny rivotra any avofoany andrefana sy atsimo andrefan’ny Nosy. Rehefa vita ny hafanana be tao anatin’ny […]
Par Taratra sur 06/06/2016
NS Malagasy, NS-Sports

Misaona ny tontolon’ny fanatanjahantena maneran-tany, indrindra fa ny ady totohondry matihanina. Nodimandry tampoka ilay mpikatroka Amerikanina, Cassius Marcellus Clay na Cassius Clay, fantatra ihany koa tamin’ny anarana Mohamed Ali. Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-74 taonany ity mpikatroka matihanina teo amin’ny ady totohondry ity. Noho ny aretina nitaiza azy, Parkinson, no nitarika izao fahalasanany, ny asabotsy […]
Par Taratra sur 06/06/2016
NS Malagasy, NS-Culture
Par Taratra sur 06/06/2016
NS Malagasy, NS-Culture

Nosantarina ny asabotsy teo, teny amin’ny Alliance française (AFT) eny Andavamamba, ny andiany faha-12 amin’ny « Gasy Bulles”, “Festival” miompana tanteraka amin’ny tantara an-tsary na “bandes dessinées” sy ny sary ravaka na “illustrations”. Iray volan’ny teny malagasy ny volana jona. Toy ny tenim-pirenena hafa rehetra, azo anehoana kanto, amin’ny endriny rehetra, izany teny izany. Ho an’ny […]
Par Taratra sur 06/06/2016
Divers, NS Malagasy
« Miangavy an-tanan-droa ny mpanao politika: mba tsy hataon-dry zareo fitaovana ny miaramila eo anivon’ny Foloalindahy, mba hoentina hitarika krizy vaovao indray ho an’ity firenena ity. » Fanambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier, tany Toamasina, afakomaly, io. Nandalo krizy hatrany ny firenena malagasy, tany amin’ny taona 1975 sy 1991; ny taona 2002 sy 2009. […]
Par Taratra sur 06/06/2016
Divers, NS Malagasy
« Andao hatao ny adihevitra fototra, fa tsy takontakonana amin’ny resaka loholona Lylison ny olana amin’ny tsy fahombiazana be dia be eo amin’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao ». Fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, teny Ankadifotsy, afakomaly, io. Ny fanontanian’ny maro: ny fandaniam-bola amin’ny fivorian’ny Frankôfônia tsy mazava amin’ny vahoaka. Tsy ahitam-panazavana koa ny raharaha kolikoly, […]
Par Taratra sur 06/06/2016
Divers, NS Malagasy
Aiza ho aiza ny mpitondra amin’ny fahantram-bahoaka? Hitan’ny filoham-pirenena ny fahasahiranana, raha ny nambarany. « Hitan’ny filoham-pirenena ny fahasahiranana, ary manana vahaolana amin’izany izy. Efa voalaza ao amin’ny politikam-pirenena momba ny fampandrosoana izany », hoy ny filoha Rajaonarimampianina tany amin’ny fitokanana zava-bita tany Manakara, Vatovavy Fitovinany, afakomaly. Tsy maintsy mandroso ny filoham-pirenena, hampandroso ny firenena. Mila fitoniana […]
Par Taratra sur 06/06/2016
Faits Divers, NS Malagasy

Tsy nijanona ireto roa lahy raha tsy nanao tifi-danitra ny polisy, tany Antanetibe Ambohidrapeto, ny alin’ny alakamisy, 2 jona 2016, tokony ho tamin’ny 10 ora. Norasim-potsiny avy eo izy roa lahy, ary nahitana fitaovana maromaro fampiasan’ny polisy. Vodim-baly misy vodina lakile, « Baton éléctrique », rongony iray fonosana, “contravention” ana polisy maromaro sy « insigne […]