Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filankevitry ny Tanànan’Antananarivo: “Avereno amin’ny kaominina ny Samva”

Filankevitry ny Tanànan’Antananarivo: “Avereno amin’ny kaominina ny Samva”

Heverina fa hihatsara ny fitantanana ny fako eto amin’ny Renivohitra aorian’izao fanapahan-kevitra izao. Indrindra ato anatin’ny vanim-potoana fahavaratra isika.    Nivory, nandritra ity herinandro ity, ny filankevitry ny Tanànan’Antananarivo nanapaka ny tetobola hiasana ho an’ny taona 2019. Nisongadina tamin’izany ny tokony hamerenana ny Samva ho eo ambany fitantanan’ny tanànan’Antananarivo. Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao, […]

Zafmihasi: « Aoka tsy hofitahin’ny mpanolotsaina »

Zafmihasi: « Aoka tsy hofitahin’ny mpanolotsaina »

Manao sesilany. Niarahaba sy nirary soa ny filoha Rajoelina  ny Zanaky ny agnarandrain’i Fandriana mivondrona ho fampijoroana ny hasin’ny firenena  (Zafmihasi), tarihin’ny filoham-boninahitra, Rasolomampionona Hasimpirenena. Nanafatrafatara ny mpitondra vaovao anefa izy ireo. “Ho filoha fatra-panaja ny lalàna sy hahay hitsinjo ny vahoaka ary ho saropiaro amin’ny fiandrianan’ny firenena miaraka amin’ireo soatoavina mampiavaka ny Malagasy anie […]

Fantina sy fintina

Hamerina hanao ny lanonana fifampiarahabana ny filoha Rajoelina ny 21  janoary ho avy izao. Hiarahabana sy hifampirariana soa eo amin’ireo samy Andrimpanjakana sy ireo masoivoho vahiny miasa eto amintsika ary ny vahoaka malagasy izany ary hatao eny Iavoloha. Tsiahivina fa efa nanao izany lanonana izany ny filoham-panjakana ny fiandohan’ny volana janoary teo. Hametra-pialana faobe, ny […]

Rakotoarisoa Jean-Eric: « Aorian’ny fianianan’ny filoha ny famindram-pahefana »

Rakotoarisoa Jean-Eric: « Aorian’ny fianianan’ny filoha ny famindram-pahefana »

Hiroso amin’ny fanaovana fianianana ny filohan’ny Repoblika vaovao. Aorian’izay vao hatao ny famindram-pahefana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny HCC.   « Aorian’ny fianianana no hatao ny famindram-pahefana. Ny filoha teo aloha ny Repoblika sy ny filoha vaovao ny Repoblika no manao ny famindram-pahefana. Rehefa vita ny fianianan’ny filoha vaovao ny Repoblika vao tena filohan’ny Repoblika izy. » Io ny […]

Mahamasina sy Iavoloha: voaasa amin’ny fiainian’ny filoha ireo mpitondra teo aloha

Maromaro ireo hasaina hiatrika ny fiainain’ny filoha Rajoelina ny asabotsy 19 janoary ho avy izao. Hotanterahina etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina sy eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha izany. Anisan’ireo voaasa amin’izany ireo filoha nifandimby nitondra: ny amiraly Ratsiraka sy Ravalomanana Marc ary indrindra, ny filoha farany teo, Rajaonarimampianina Hery, sady hamindra ny fahefana. Tahaka izany koa ireo avy […]

Herinaratra: azo atao ny tohodrano lehibe amin’Ikopa

Herinaratra: azo atao ny tohodrano lehibe amin’Ikopa

Vahaolana maharitra hiatrehana ny delestazy eto amintsika ny fananganana tohodrano mamokatra herinaratra. Nilaza ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Rasoloelison Lantoniaina, omaly, fa manodidina ny 230 Mw ny filàna herinaratra eto Antananarivo ka mamatsy ny 50% azy ny avy amin’ny tohodrano, raha ampy tsara ny rano. Azon’ny fanjakana atao tsara ny manangana fotodrafitrasa goavana, […]

Fanaovana saribao: tsy maharaka intsony ny ala sisa tavela

Fanaovana saribao: tsy maharaka intsony ny ala sisa tavela

Mihazakazaka ny fahapotehan’ny ala eto Madagasikara. Tsy maharaka ny filàna intsony ny tahiry sisa tavela noho ny fampiasana saribao sy kitay. Tsy ampy intsony ny hazo hanaovana saribao. Raha taloha izany, vitaina amin’ny karazan-kazo tsotra, efa trandrahina izao hatramin’ny hazo sarobidy sasany. Porofon’izany ny fahalafosan’io filàna amin’ny fahandroana sakafo io, indrindra fa amin’ny tanàn-dehibe. Eto […]

“Mamo ’ndray ny misionera”: manamarika ny fiverenany ny Diosezy

“Mamo ’ndray ny misionera”: manamarika ny fiverenany ny Diosezy

Tsy miverina angamba fa manohy ny lalany… “Mpisava lalana, tsy mifidy kianja ary mamela ny diany”, hoy ny famaritan’ny mpikambana ny vondrona Dio-XVI (Diosezy). Vao nitsoka kelikely ny rivotry ny hip-hop no nitsangana ny vondrona Dio-XVI. Nivoaka avy tao rahateo ireo tarika nanamarika voalohany ny tantaran’ny rap gasy, toa an-dry Da-Hopp sy ny 18.3. Taona […]

« Famakiam-boky ho an’ny rehetra »: irosoana ny dingana faharoa

« Famakiam-boky ho an’ny rehetra »: irosoana ny dingana faharoa

Volana jolay ka hatramin’ny desambra 2018, tontosa ny dingana voalohany. Tratra ny tanjona. Nifanaiky ny mpiara-miombon’antoka rehetra fa hotohizana ny tetikasa « Famakiam-boky ho an’ny rehetra »… Notontosaina, omaly teny amin’ny kaominina Itaosy, ny fifanaovan-tsonia eo amin’ireo rantsa-mangaika sy mpiara-miombon’antoka amin’ilay tetikasa « Famakiam-boky ho an’ny rehetra ». Hetsika nanamarika fa tafiditra ao anatin’ny dingana faharoa indray ity tetikasa […]

Fitefa: « Nahavita be ny Praiminisitra Ntsay Christian »

Fitefa: « Nahavita be ny Praiminisitra Ntsay Christian »

Afaka mirehareha tanteraka. Nankasitraka ireo raiamandreny avy any amin’ny faritanin’Antsiranana, nandray anjara mavitrika tamin’ny famahana ny krizy nisesy teto amin’ny firenena, ny eo anivon’ny Fikambanan’ny teraky ny faritanin’Antsiranana. “Soritanay manokana ny Praiminisitra fony Tetezamita, i Beriziky Omer, nikarakara ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013. Teo koa ny Praiminisitra Ntsay Christian, am-perinasa amin’izao fotoana izao. Nanomana […]

Fianianana etsy Mahamasina sy Iavoloha: hanotrona ny filoha Rajoelina ny MEAE frantsay

Manao ranolava. Anisan’ireo niarahaba sy nirary soa ny filoha Rajoelina ny eo anivon’ny minisiteran’i Eoropa sy ny Raharaham-bahiny frantsay (MEAE), araka ny fanambarana, omaly. “Miarahaba amin’ny fomba manetriketrika ny filoha Rajoelina i Frantsa noho izy voafidy ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Maniry fahombiazana feno ho azy eo amin’ny fanantanterahany ny asany”, hoy ny fanambarana. Nankasitrahan’izy ireo […]

Tselatra

Ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny zandary sy ho fanatsarana ny asa, maro ny fiofanana natao na teto an-toerana na tany ivelany nandritra ny taona 2018. Nahazo fiofanana teto an-toerana ny manamboninahitra miisa 82 sy manamboninahitra lefitra miisa 563 raha manamboninahitra 29 sy manamboninahitra lefitra 8 kosa ny nandranto izany fahaizana izany tany ivelany ary 358 ireo […]

Asan-dahalo: zandary iray naratra, olona iray maty

Asan-dahalo: zandary iray naratra, olona iray maty

Nisehoana asan-dahalo tany Mahazoarivo, distrika Antsalova, ny 10 janoary teo, ka nahafatesana olona iray, ary naharatrana zandray iray ihany koa. 20 mahery tany ireo dahalo nanafika, nirongo basy, tokony tamin’ny 5 ora maraina. Lasa tamin’izany ny omby miisa 200. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny zandary sy ny fokonolona, mbola nampian’ny miaramilan’ny Das miisa telo. Nihazo […]

Ankazomanga: nanavotra olona, lehilahy iray matin’ny jiolahy

Nirefotra ny poa-basy teny Ankazomanga, omaly tamin’ny 11 ora sy 30 mn antoandro. Jiolahy miisa dimy nirongo basy mahery vaika no nanendaka olona nandeha fiara taxi tamin’io omaly antoandro io. Araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny zava-nitranga teny an-toerana, somary nitohana ny fifamoivoizana ary narahin’ireo jiolahy avy aoriana ilay taxi nitondra ireo olona niharan’ny fanendahana […]

Kidnapping tany Betroka: olona telo voasambotry ny zandary

Kidnapping tany Betroka: olona telo voasambotry ny zandary

Nanao ny fandihadiana avy hatrany ny zandary taorian’ny nahavotsotra ilay rangahy mpiasan’ny ala tany Isoanala Betroka ka fantatra fa telo ny olona voasambotra. Ny roa amin’ireo, mipetraka any Beakanga, kaominina Isoanala ihany, ary ny iray, ao Isoanala Tanàna. Mbola nahitana vola 2 100 000 Ar tany amin’izy ireo niaraka tamin’ny entana vaovao. Notanana ireo nanaovana avy […]

Antsirabe: navoakan’ny lehibeny ilay miaramila tratran’ny polisy nisoloky

Antsirabe: navoakan’ny lehibeny ilay miaramila tratran’ny polisy nisoloky

Tratran’ny polisy amin’ny asa fisolokiana ny miaramila iray kanefa navoakan’ny lehibeny avy eo. Efa mpanao io asa ratsy io izy io, ary tratra am-bodiomby mihitsy. Miaramila iray manana grady adjidàsSefo indray no sarona tamina fisolokiana tamin’ny toeram-pifanakalozana vola amin’ny finday, tany Antsirabe. Rehefa tany amin’ny mpitandro filaminana anefa izy, fantatra fa fitoriana roa ny efa […]

Fiovana ho amin’ny tsara…

Fiovana ho amin’ny tsara…

Ahoana koa ny manaraka? Ny tohin’ny toe-draharaham-pirenena io. Antenaina hisy amin’izay ny fitoniana sy ny filaminana maharitra. Mba hiatrehana amin’izay ny tena fanarenam-pirenena sy fampandrosoana. Nilaza rahateo ny filoha vaovao ny Repoblika fa hiasa mafy hisian’ny fampandrosoana isan-tokantrano manerana an’i Madagasikara. Ho araka ny tena hetahetam-bahoaka any ifotony amin’izay ny atao sy ny imasoana? Maika […]

Kitra: misokatra ny fiaraha-miasan’ny Nino Design sy AS Adema

Kitra: misokatra ny fiaraha-miasan’ny Nino Design sy AS Adema

Tontosa, omaly alakamisy 10 janoary teny amin’ny foiben’ny Adema teny Ivato, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Nino Design International sy ny AS Adema. Ny Nino Design International izay nanonta “maillots” miisa 46 ho an’ny AS Adema ka nampiranty izany. Natokana indrindra ho an’ny mpilalao, ny mpanazatra, ny “staff technique” ary ny mpitsabo ireto fanamiana ireto. Fiaraha-miasa […]

Tenisy: tompondakan’i Afrika Aostraly i Toky sy i Randy

Tenisy: tompondakan’i Afrika Aostraly i Toky sy i Randy

Tontosa, omaly, ny lalao famarana “Individuel” niadiana ny amboaran’i Afrika Aostraly, taranja tenisy, notontosaina tany Namibia. Nanao pao-droa, teo amin’ny sokajy olon-tokana, tamin’ny alalan’i Toky sy i Randy, ny Malagasy. Voatazona ny teny nomen’ireo solontena malagasy, ny hitondra medaly volamena mody satria azon’ny Malagasy ny amboara teo amin’ny sokajy olon-tokana U14 vehivavy sy U16 lehilahy. […]

Taratry ny kanto: Piment Café-Bekoto sy Silo

Taratry ny kanto: Piment Café-Bekoto sy Silo

Rehefa niato kely noho ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao, miverina manomboka anio indray ny “cabaret” etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Hisantatra izany i Bekoto Mahaleo sy i Silo. Fiarahana tsy vaovao akory, ary andrasan’ny maro hatrany ny fiverenany. Samy manana ny mampiavaka azy izy mirahalahy kanefa mahay mambabo ireo mpankafy mozika rehetra tafaraka […]

Epifania: hanolotra « Akon’ny Lanitra » ny Afatra

Epifania: hanolotra « Akon’ny Lanitra » ny Afatra

Raha mahazatra any amin’ny firenena tandrefana ny mankalaza ny Noely isaky ny 25 desambra, ny alahady faharoa manaraka io kosa no hankalazan’ny tatsinanana ny fahaterahan’ny Mpamonjy. Mbola manan-danja eo amin’ny fiangonana rahateo izy io ka nantsoina amin’ny anarana hoe “Epifania”. Hankalaza ny fetin’ny Epifania amin’ny alalan’ny seho miavaka ampitondraina ny lohateny “Akon’ny Lanitra” ny antoko […]

Asa soratra sy talenta: nikolo  an’i Niravo ny Faribolana Sandratra

Asa soratra sy talenta: nikolo  an’i Niravo ny Faribolana Sandratra

Efa mametraka ny soniany eo amin’ny asa soratra, indrindra fa ny fanoratana sy fiantsana tononkalo, i Niravo. « Niditra tao amin’ny Faribolana Sandratra ny taona 1998 aho ary anisan’ny zandriny indrindra. Resy lahatra amin’ny fitiavana ny haisoratra ny antony nidirako. Tombony ny fifaneraserana amin’ireo zoky, andrarezina ary nikolokolo ny talenta, nahafahana nahazo traikefa”, hoy izy. Notanisainy […]

Tsiahin’ny 2018: 50 taona nanaovana hosodoko i Jean A. Ravelona

Tsiahin’ny 2018: 50 taona nanaovana hosodoko i Jean A. Ravelona

Taona namirapiratana iny 2018 iny ho an’ny mpanakanto maro. Anisan’izany i Jean Andrianaivo Ravelona, anisan’ireo nitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara, any ivelany any, amin’ny fanehoana ny talentany eo amin’ny hosodoko. Mbola voaporofo ny maha matihanina sy andrarezina azy, tamin’iny taona lasa iny. Raha tsiahivina, ny volana jona 2018, nandritra ny “Salon Agra” tany Gagny, Frantsa, […]