Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hopitalibe Toamasina: hitory noho ny tandrevaky  ny mpitsabo ny havan’ilay maty

Hopitalibe Toamasina: hitory noho ny tandrevaky  ny mpitsabo ny havan’ilay maty

Taorin’ny tsy fahombizan’ny fitsaboana an’i Hortencia, renim-pianakavina 46 taona nararin’ny fibrone ary maty noho ny fandidiana azy tao amin’ny Hopitalibe Toamasina, fantatra  fa hametraka fitoriana ny fianakavian’ny maty. Raha iverenana ny zava-nitranga, naiditra Hopitaly, ny alahady 10 febroary lasa teo, noho io aretina nahazo azy io, ity renim-pianakaviana ity ary naiditra tao amin’ny efitrano fandidiana ao amin’ny Hopitalibe Toamasina […]

Toamasina: ravan’ny polisy ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana

Toamasina: ravan’ny polisy ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana

Nidoboka am-ponja ao Ambalatavoahangy Toamasina ireo andian-jiolahy tarihin’i Mandignisoa Rolland, raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana miharo vonoan’olona tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, andian-jiolahy mpanao fanafihana ao Toamasina ry zalahy ireto ka anisan’izany ireto toerana manaraka efa nanaovan’izy ireo fanafihana ireto : ny tao Valpinson, novambra 2018, ny kioska eo amin’ny tetezana […]

Ambato Boeny: niakatra fitsarana ireo mpanao kidnapping

Ambato Boeny: niakatra fitsarana ireo mpanao kidnapping

Niakatra fitsarana, omaly, ireo tratra tamin’ny fakana an-keriny ilay Karana vavy mpandraharaha, i Housna, tany Ambato Boeny. Ny alakamisy 31 janoary no nanafika ilay tokantrano nisy ireo Karana ny dahalo miisa 40 tokony tamin’ny 11 ora alina. Nokapain’izy ireo ny famaky ny lohan’ilay raim-pianakaviana, ary nentin’ireo nanaraka azy i Housna Ramjanaly monina ao Ankijabe, distrika […]

Ankaraobato: vehivavy hita faty, tsy misy rantsam-tanana

Ankaraobato: vehivavy hita faty, tsy misy rantsam-tanana

Nampihoronkoditra! Fatim-behivavy iray no hitan’ny olona teny amin’ny fokontany Ankadilalampotsy, kaominina Ankaraobato, omaly maraina. Raha ny fahitana ny razana, tsy misy tongotra intsony, efa niendaka ny nofon-tratrany fa taolana sisa. Tsy hita intsony koa ny taova rehetra tao anatiny (fo, aty…). Taolana sisa hita, tsy vitan’izay fa karandoha sisa hita fa efa nihintsana avokoa ny nofo […]

Maroantsetra: jiolahy mpamaky trano matin’ny fitsaram-bahoaka

Maroantsetra: jiolahy mpamaky trano matin’ny fitsaram-bahoaka

Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy matin’ny fitsaram-bahoaka ny iray amin’ireo jiolahy telo nikasa hamaky trano tao Ankofalava Maroantsetra, ny alatsinainy alina teo. Nentin-katezerana ny olona ka samy namango ilay jiolahy… Jiolahy iray mpamaky trano indray no matin’ny fitsaram-bahoaka ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankofalava, distrikan’i Maroantsetra, faritra Analanjirofo, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata 12 febroary 2019 […]

Iza koa ny manaraka ?

Iza koa ny manaraka ?

Nosamborina, afakomaly, ilay mpandraharaha Maminirina Jean Eddy. Nanaraka azy, omaly, koa Rajaonah Mbola. Tonga ho azy ny fanontanian’ny mpanara-baovao : iza koa ny manaraka ? Dia rafitra mamoaka izay heviny sy ao an-tsainy, manaraka ny fironana, mazava loatra, ny olom-pirenena tsirairay. Rakotra fanehoan-kevitra ny tambajotran-tserasera « facebook ». Tsy maharaka ihany koa ny antso mivantana amin’ny onjampeo… Anarana maro […]

Taorian’i Maminirina Jean Eddy: nosamborina omaly Rajaonah Mbola

Taorian’i Maminirina Jean Eddy: nosamborina omaly Rajaonah Mbola

Raha momba ny raharahan-kolikoly manodidina ny fanondranana an-tsokosoko andramena ny nisamborana an’i Maminirina Jean Eddy, afakomaly, mikasika ny hosoka sy fanaovana hosoka amin’ny ladoany kosa ny nisamboran’ny polisy an-dRajaonah Mbola, omaly tolakandro tetsy Antsahabe. Mitovitovy tamin’ny fomba nisamborana an’i Maminirina Jean Eddy, teny Ivandry, ihany ny nisamboran’ny polisy nanao saron-tava an-dRajaonah Mbola, omaly tolakandro. Notanana […]

«Gala International multiboxe »: hifampitana ny Reonioney sy ny malagasy

«Gala International multiboxe »: hifampitana ny Reonioney sy ny malagasy

Tapaka fa hotontosaina, ny asabotsy 23 febroary ho avy izao, ilay «Gala international multiboxe », karakarain’ny komisiona ny “boxe chinoise”. Fifaninanana hotanterahina eto Madagasikara, nanasana indrindra ny mpikatroka avy any La Réunion. Sambany hisy ity katrok’ady eo amin’ny Malagasy sy ny Reonioney ity, natao izao noho ny fangatahan’ity farany, raha ny nambaran’ny mpanofana sady teknisianina eo […]

Rugby à VII – «Tournoi de l’océan Indien»: hanainga, anio ho atsy La Réunion, ny Makis de Madagascar

Rugby à VII – «Tournoi de l’océan Indien»: hanainga, anio ho atsy La Réunion, ny Makis de Madagascar

Araka ny efa  fantatra, anisan’ireo ekipa hiatrika ny lalao « Tournoi de l’océan Indien » taranja rugby lalaovin’olona fito ny Makis an’i Madagasikara. Lasa nihazo an’i La Réunion, anio, ny delegasiona malagasy rehefa avy nangata-tsodrano tamin’ny minisitra, i Tinoka Roberto, omaly. Vonona ny hibata fandresena ny ekipa malagasy! Io ny fanomezan-toky nataon’ireo mpilalao teny amin’ny minisiteran’ny Tanora […]

Minisitera -ONG Efa: beazina ho vanona ny mpianatra

Minisitera -ONG Efa: beazina ho vanona ny mpianatra

Hatramin’izay, mijanona eo amin’ny kilasy 3ème ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona ao anatin’ny fandaharam-pianarana eto amintsika. “Misy sekoly sasany manohy ihany aty amin’ny kilasy ambony fa voasarona anatin’ny taranja histo-géo matetika izany”, hoy ny mpandrindra ny ONG Ezaka ho fampandrosoana eny ambanivohitra (Efa). Tanjon’ny ONG ny fanatsarana ny rafi-piarahamonina amin’ny fanabeazana olom-pirenena ka hiezaka hanabe […]

Indray mijery

Hanorambaratra hatrany any avaratra andrefanan’ny Nosy sy ny ilany andrefan’ny atitany ka mety ho betsaka ny rotsak’orana indraindray. Oram-pahavaratra mahazatra ny any Bongolava, ny Menabe ary ny manodididna ny tangoron-tendrombohitra Analavelona.  Any amin’ny ilany atsinanan’ny atitany kosa, hisy andro maina anatin’ny andro vitsy fa vinavinaina hiverina indray ny orana any amin’ny faran’ny herinandro any. Hisy […]

Vondrona Axian: tafiditra ao anatin’ny Afric’Innov ny NextA

Firenena faha-20 tafiditra mpikambana ao anatin’ny vondrona Afric’Innov i Madagasikara. Tambajotra ifandraisana hampiroboroboana ny fandraharahana vaovao (SAEI) aty Afrika ity fikambanana ity. Afaka misitraka ny fanohanan’ny Afric’Innov ny NextA eto Madagasikara, vovonana vao natsangan’ny vondrona orinasa Axian. Mamatsy vola ny Afric’Innov ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), ahitana teknisianina sy matihanina afrikanina sy fikambanana […]

Boanamary-Faritra Boeny: natao ny voly hazo ho fanatsarana ny fiompiana tantely

Boanamary-Faritra Boeny: natao ny voly hazo ho fanatsarana ny fiompiana tantely

Mahatsapa ny maro fa efa loza mitatao ny fiakaran’ny hafanana hatrany any amin’ny faritra Boeny ka nandray andraikitra namboly hazo, natao any amin’ny kaominina Boanamary, ny herinandro lasa teo. Asa niarahana amin’ny Vondron’olona ifotony, sy ny fikambanan’ny mpiompy tantely ho fanatsarana sy fiarovana io lalam-pihariana io. Zanakazo mimoza (acacia) 1 500 ny novolena any amin’ny tanin’ireo […]

Minisitra Andriantsitohaina Naina: « Azon’ny Amerikanina ampiasana vola aty Madagasikara »

Minisitra Andriantsitohaina Naina: « Azon’ny Amerikanina ampiasana vola aty Madagasikara »

Nanome toky ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, fa hatao laharam-pahamehana ny fanafoanana hatrany ifotony ny kolikoly. Anisan’ny tanjona ny fahafahana mandraharaha am-pilaminana sy am-pahatokisana eto Madagasikara. Nandray anjara fitenenana nandritra ny fihaonamben’i Etazonia sy i Afrika tany Addis Abeba, ny talata lasa teo, ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Andriantsitohaina Naina. Nomeny toky ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara, […]

Polisy monisipaly: nahazo fanampiana sy traikefa

Hatevenina ny fahaiza-manaon’ny polisy monisipaly eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tafiditra amin’izany ny fanatsarana sy fanatevenana lalàna sy ny fampiharana izany, ankoatra ny fahaiza-manao hafa. Polisy monisipaly malagasy monina sy miasa any Frantsa, ny capitaine de police monisipaly any Polletres Frantsa, Rakotomanana Soulé, no mitondra ny fahaiza-manaony sy mizara ny traikefany ho an’ireto polisy monisipaly […]

USAID: manohana ny ady amin’ ny kitrotro

USAID: manohana ny ady amin’ ny kitrotro

Anisan’ny manohana ny fanjakana malagasy ao anatin’ny fiatrehana ny valanaretina kitrotro ny USAID ary mandray anjara mivantana amin’izany izy ireo. 35 taona niarahana niasa ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny USAID ary manana anjara toerana lehibe ny fisorohana sy ny fandraisana an-tanana ny aretina maro. Voaresaka tao anatin’ny dinika niarahan’ny minisitry ny Fahasalamana, ny profesora Rakotonirina […]

Ady amin’ny herisetra: hitarina amin’ny sekoly ao Menabe ny tetikasa Sahala 

Ady amin’ny herisetra: hitarina amin’ny sekoly ao Menabe ny tetikasa Sahala 

Hitarina amin’ny kaominina efatra ao anatin’ny faritra Menabe ny tetikasa Sahala, iarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazana sy ny ONG C-For-C ho an’ny dimy taona manaraka. 150 ny isan’ny EPP sy CEG miankina amin’ny fanjakana iantefan’ny fanentanana momba ny fampandraisana andraikitra ny lehilahy anatin’ny ady amin’ny herisetra ao an-tokantrano. Nanomboka ny taona 2016 ny fiaraha-miasa, 40 ny EPP […]

Zava Véronique: « Hifarana ny gaboraraka »

Zava Véronique: « Hifarana ny gaboraraka »

« Heveriko fa hifarana hatreo ny fanaovana tsindry hazolena ny mpandraharaha ety anivon’ny faritra Analanjirofo sy fanaovana gaboraraka ny hetra aloan’ny mpandraharaha kanefa lalana 1 kilometatra aza, tsy namboarian’ireo mpitondra teo aloha. Eo koa ny tsy fiarovana ny mpamboly sy mpanangom-bokatra, indrindra eo amin’ny seha-pihariana lavanila sy jirofo. Manantena izahay fa handry fahalemana miaraka amin’ny fandaharanasan’ny filoha Rajoelina […]

Fantina sy fintina

Naneho ny heviny ny antoko DHD, tarihin-dRaharinaivo Rasamoelina, ka nilaza fa mihatery ny demokrasia eto amintsika. « Eo am-pelatanan’ny filoham-pirenena ny fahefana iray manontolo eto amin’ny firenena ankehitriny fa tsy ny nomen’ireo depiote azy farany teo fotsiny. Miainga amina toromarika avy amin’ny olon-tokana ny fanapahan-kevitra rehetra”, hoy izy. Nambarany koa fa miainga amin’ny taloha ihany ny […]

Fisoratana anaty lisi-pifidianana: niaiky ny tsy fahavitrihan’ny mpifidy ny Ceni

Fisoratana anaty lisi-pifidianana: niaiky ny tsy fahavitrihan’ny mpifidy ny Ceni

Tokony hampandinika sy hampieritreitra. Hifarana vonjimaika, ny zoma izao, ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana. Niaiky tanteraka ny eo anivon’ny Ceni fa tsy mbola nisy tahaka izao ny fanavaozana lisi-pifidianana teto amin’ny firenena. « Ambany ny tahan’ny olona nisoratra anaty lisitra satria 0,38% izany… Distrika miisa 28 amin’ny 119 ny tsy nahitana nisoratra anarana anaty lisi-pifidianana », hoy […]

Praiminisitra Ntsay Christian: « Tsy azo ihodivirana ny fanovana ny fitantanam-panjakana » 

Praiminisitra Ntsay Christian: « Tsy azo ihodivirana ny fanovana ny fitantanam-panjakana » 

Ho sahirana ireo zatra ny lalan-dririnina.  Mitohy ny hetsika fanovana eo  amin’ny  sehatra samihafa tanterahin ’ny fitondrana.  Anisan’izany koa ny fitantanan-draharaham-panjakana. « Tsy azo ihodivirana intsony ny fanovana tokony hapetraka eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ankapobeny. Tsy maintsy misy ny fanovana ao anatin’izany. Tsy maintsy hisy koa ny fanatsarana. » Izay ny fanazavan’ny Praiminisitra Ntsay Christian momba […]

“Voaary Diteratany”: hanehoana ny hakanton’ny tontolo

“Voaary Diteratany”: hanehoana ny hakanton’ny tontolo

Fampirantiana miavaka, heverina fa mahaliana, mandritra ity volana febroary ity, ny tanterahina etsy amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) etsy Antsahavola. Efa maro ireo nahita ny hakanton’ny zava-bitan’ny mpanakanto ao, saingy entanina hatrany ireo maniry ny higoka zava-mahasoa sy mahafinaritra. “Voaary Diteratany” ny lohahevitry ny fampirantiana, iarahana amin’i Padoue Rabenala sy i Gloria Rabarison. Voambolana tsy […]

Serasera sy kolontsaina: nodimandry i Hery Valisoa

Serasera sy kolontsaina: nodimandry i Hery Valisoa

Lavo ny andrarezina ! Tsy ho heno intsony ilay feomanga mambabo fo, nandoaka ny atifanahin’ireo nandre azy. Nindaosin’ny fahafatesana i Hery Valisoa… Feo anisan’ny mahasarika olona maro ! Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-50 taony, Ravalisoa Andriamaherimanana Ratsizafy, fantatra amin’ny anarana « Hery Valisoa » amin’ny maha mpanakanto azy. Poeta, mpamelona tantara amin’ny radio, mpanentana fandaharana, mpikambana teo aloha tao […]

Is’Art: hampahafantatra an-dry Rapo Atlas

Misy ireo mpanakanto efa tsy zovina intsony ho an’ny mpankafy ny kaonseritra sy fampisehoana an-tsehatra, tontosain’ny Is’Art galerie. Ao koa anefa ireo tokony hofantarina sy heverina fa hahaliana. Anisan’ireny ny hiaka-tsehatra ao amin’ity foibe, mikolo ny kanto ankehitriny, ity, ny zoma hariva izao. Rapo Atlas ny anaran’ny tarika, mivoy ny “beko grouve fusion”. Araka izany, […]

Fanafihana teny Mahitsy: nalana tamin’ny asany ny lehiben’ny zandary

Fanafihana teny Mahitsy: nalana tamin’ny asany ny lehiben’ny zandary

Taorian’ny fanafihana nahafatesana olona teny Mahitsy? ny faran’ny herinandro teo, voalaza fa nesorina tamin’ny toerany ny lehiben’ny zandary ao Mahitsy, araka ny baiko nomen’ny Seg, ny jeneraly Ravalomanana Richard. Raha ny fanazavana, betsaka ny fitarainana voaray momba ny zandary ao Mahitsy ary nandritra ny fanafihana farany namoizana ain’olona teo, nitaraina ireo mponina fa tsy nandray […]