Flash
Préc Suiv

Kitra: ny sekretera jeneraly no hitantana ny FMF  

Kitra: ny sekretera jeneraly no hitantana ny FMF   

  Nanakoako maneran-tany, ny fanapahan-kevitra tampoka avy amin’ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (FMF), nampitsahatra ny komity mpitantana ny baolina kitra malagasy, amin’ny asany. Manaiky izany, ny filoha Andriamiasasoa Doda. Mbola ambentin-dresaky ny mpanara-baovao, indrindra fa ireo mpitia baolina kitra, ny nampiatoan’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa), amin’ny asany ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra […]

Badminton: mitombo traikefa ireo mpanazatra

Badminton: mitombo traikefa ireo mpanazatra

Nifarana ny 12 novambra lasa teo ny fampiofanana natolotr’i Annirao Djhadi, mpampiofana manam-pahaizana avy eo anivon’ny Federasiona iraisam-pirenena taranja badminton, ho an’ireo mpanazatra malagasy, ambaratonga voalohany. Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ho azy ireo, omaly, teny amin’ny “Hotel de l’avenue” Analakely. Mitombo hatrany ny fahaizan’ny mpanazatra malagasy, raha ny nambaran’nyfilohan’ny federasiona malagasy ny badminton, Ravalison Jean […]

EPP Moratsiazo: notokanana ny efitranon-tsekoly vaovao

Notokanana ny alatsinainy teo ny fotodrafitrasa vaovao ao amin’ny EPP Moratsiazo, Kaominina Ambanivohitra Soamahamanina, Distrika Miarinarivo. Ahitana efitrano fianarana telo, misy ny fitaovana arifomba, toy ny seza sy latabatra fianaran’ny mpianatra, biraon’ny mpampianatra, kits scolaires ho an’ny mpianatra ary toeram-pidiovana izany. Nisy ny fiaraha-miasan’ny fanjakana amin’ny sehatra tsy miankina, ny “Madagascar Development Found”  tarihin’i Donaldson […]

Fahasalamana: nitombo roa ireo matin’ny aretina pesta

Olona roa no matin’ny aretina pesta tany Tsiroanomandidy. Efa any an-toerana ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana mandray ny fepetra rehetra tokony horaisina amin’izany mba tsy hiparitahan’ny aretina. Tafakatra 12, araka izany, ireo matin’ny aretina pesta, tamin’ity taona ity. 40 kosa ireo tranga voamarina fa tena nararin’ny pesta tamin’ireo tranga 100 nampiahiahy. Anisan’ny antony mahatonga ny fahafatesan’ny […]

Androhibe: hapetraka ny toera-pitiliana ny areti-mifindra

Androhibe: hapetraka ny toera-pitiliana ny areti-mifindra

Hitokana amin’ny toerana iray ny fanaovana fitiliana momba ny areti-mifindra rehetra. Ho arifomba ny laboratoara apetraka amin’izany hahafahana manatsara ny tontolon’ny fahasalamana. Nitsidika ny ivontoerana vaovao ametrahana ny laboratoara hitiliana ireo karazana areti-mifindra ny delegasiona notarihin’ny Pr Rantomalala Harinirina Yoël, minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny alatsinainy teo. Nijery akaiky ny fizotry ny asa sy ny fanatsarana […]

Fondation Telma: nampahafantatra ny homamiadan’ny nono 

Nanokana roa andro hanentanana sy hampahafantarana ny homamiadan’ny nono tao amin’ny fonjan’Antanimora sy ny CSB II Antsahamamy ny fikambanana Blessing Covenant sy ny Fondation Telma, ny herinandro lasa teo. Nanomboka ny taona 1980, nitombo avo roa heny ny isan’ny trangana homamiadana vaovao voatily, mahatratra 1 600 ny tranga homamiadana hita isan-taona ka ny antsasamanila mahazo ny […]

CITE: valo volana tsy voaloa ny karaman’ny mpiasa

CITE: valo volana tsy voaloa ny karaman’ny mpiasa

  Mitaky ny zony feno sy ara-dalàna ireo mpiasan’ny CITE*, izay efa valo volana izao no tsy nandray karama. Natsangana avy amin’ny fiaraha-miasa Frantsay  izy io, nanomboka ny taona 1967, 51 taona izao. Navadika ho ONG malagasy, nanomboka ny taona 1995, nanokatra masoivoho hafa tany amin’ny faritany na niaraka tamin’ny Antenimieran’ny varotra. Mbola nitantana azy […]

Fanondranana sokatra: « Tambajotra matanjaka, misy olona ambony », hoy i Tambison Damase

Fanondranana sokatra: « Tambajotra matanjaka, misy olona ambony », hoy i Tambison Damase

« Manahirana ary sarotra ny fanenjehana ireo tambajotra mpanondrana sokatra, noho  ny fisian’ny olona ambony tafiditra amin’izany », hoy ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Miandrivazo, i Tambison Edmé Damase. Milaza ny fahitany ny zava-misy hitany tany Ambovombe, nandritra ny naha fampanoavana azy  tany an-toerana izy, nanomboka ny taona 2014 hatramin’ny aogositra 2018. « Azo atao tsara ny […]

Maroantsetra – AVG: mitohy hatramin’izao ny fanondranana andramena

Maroantsetra – AVG: mitohy hatramin’izao ny fanondranana andramena

Mitohy ihany, hatramin‘izao, ny raharaha maloto amin’ny fanondranana andramena. Manaitra ny tompon’andraikitra ny fiarahamonim-pirenena tarihin’ny Alliance Voahary Gasy (AVG) momba io sehon-javatra io any Maroantsetra. Tato ho ato, tsikarikaritra indray ny fisian’ireo sambo mitatitra andramena avy any amin’iny avaratra atsinanan’ny Nosy iny. Manaitra ny mpitondra fanjakana ny Alliance Voahary Gasy sy ireo mpiara-dia aminy, saingy […]

Minisitry ny Atitany: “Azo enjehina ireo mihoa-pefy”

Minisitry ny Atitany: “Azo enjehina ireo mihoa-pefy”

« Tany misy lalàna ny eto ka azo enjehina ireo mihoa-pefy… Aoka hiandry am-pitoniana ny voka-pifidianana eny anivon’ny Ceni  sy ny HCC isika. Tokony hahay haka tahaka ny vahoaka tamin’ny fifidianana ny mpanao politika”, hoy ny minisitry ny Atitany, Razafimahefa Tianarivelo. Nohitsiny fa mbola anatin’ny vanim-potoan’ny fifidianana isika izao ka tsy tokony handairan’ny tsaho etsy sy […]

Voka-pifidianana: mitarika amin’ny 39% Rajoelina

Tsy misy fiovana firy. Mitarika hatrany eo amin’ny voka-pifidianana vonjimaika ny kandidà Rajoelina, araka ny voka-pifidianana nivoaka, omaly tamin’ny 7 ora sy 40mn. Manana ny isam-bato 39.13% ny tenany. Mbola eo amin’ny laharana faharoa hatrany koa ny kandidà Ravalomanana, nahazo ny salanisa 37.13%. Niakatra kely ireo isam-bato ireo raha mitaha amin’ny voka-pifidianana, omaly maraina ihany. […]

Fifidianana tany Farafangana: tsipahin’ireo ampanjaka ny filazana azy ireo ho nandray volabe

Fifidianana tany Farafangana: tsipahin’ireo ampanjaka ny filazana azy ireo ho nandray volabe

Nitondra valin-kafatra ho an’ireo iraka mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny Vondrona eoropeanina (UE). « Mahatsiaro ho voahoso-potaka izahay satria tsy marina ary tsy misy izany vola maherin’ny 10 tapitrisa Ar nomen’ny kandidà Rajoelina anay izany », hoy ny fanambaran’ny ampanjaka Antefasy, Rainizanadahy Soubielline, na i Tadatsy. Nampitandrina avy hatrany ireo namafy izany lainga sy vaovao tsy marina […]

Tsy mandeha amin’ny laoniny ny voka-pifidianana: nisintaka tao amin’ny Ceni ny solontenan’ny kandidà Rajoelina

Tsy mandeha amin’ny laoniny ny voka-pifidianana: nisintaka tao amin’ny Ceni ny solontenan’ny kandidà Rajoelina

Nitranga ny nampoizina noho ny fomba fiasa. Nanapa-kevitra ny hisintaka tsy ho eo anivon’ny Ceni ireo ekipa solontenan’ny kandidà Rajoelina. Nahatsapa izy ireo fa tsy mandeha amin’ny laoniny sy ny tokony ho izy ny famoahana ny voka-pifidianana. Mazava ny fanambarana. “Tsy afaka manamarina ny voka-pifidianana avoakan’ny Ceni izahay. Mihataka amin’ny fanaraha-maso ny fikirakirana ny fanisam-bato […]

Hiragasy: hodimandry Rakotomalala

Hiragasy: hodimandry Rakotomalala

Tarika mpanao hiragasy maromaro no efa nisongadinan’ny talentany. Nodimandry teo amin’ny faha-78 taony Rakotomalala, mpikabary ao amin’ny tarika Ranarison Andohavary, raha ny vaovao nampitain’i Dadafara Lt Production. Efa nirotsaka teo amin’ny sehatry ny hiragasy sahady raha mbola vao 12 taona monja. Nisongadina tanteraka tamin’ny fahaiza-mikabary izy. Hainy tsara ny misarika ny mpijery hifantoka amin’ny zavatra […]

Kanto sy lamaody: hiaraka ny « Arkane Afrika » sy ny Fima

Hetsika iray lehibe indrindra aty Afrika, mikasika ny lamaody ny « Foire international de la mode en Afrique » na ny Fima, noforonin’ilay mpamorona lamaody, Alphadi, teratany nizerianina. Andiany faha-11 ny amin’ity taona ity,  hotanterahina any Maraoka, ny 21 hatramin’ny 24 novambra. Hanana ny mampiavaka azy ny Fima, amin’ity andiany ity, satria hotanterahina mandritra izany ny fampirantiana […]

Ivon’ny faha-55 taona: mikarakara fikaonan-doha manokana ny Fimpima

Ivon’ny faha-55 taona: mikarakara fikaonan-doha manokana ny Fimpima

Mitombo hatrany ny sehatra ivelaran’ny kabary. Iray amin’ireny ny ezaka ataon’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fimpima). Hanatanteraka hetsika lehibe iray ry zareo ho ambohi-pihaonan’ny olon-drehetra. Ny 16 novambra izao, feno 55 taona katroka ny nijoroan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy na ny Fimpima. Hanatanteraka « Tafasiry », fikaonan-doha manokana hanasana ny olon-drehetra izy ireo, amin’io andro io. Hetsika hotanterahina eny […]

Musée Quai Branly – Jacques Chirac: nahatratra 100.000 ireo nitsidika ny ranty

Goavana be ny tarehimarika nivoaka ! Nanomboka tamin’ny volana septambra, nisokafan’ny hetsika, nahatratra 100.000 ireo olona nitsidika ny Musée Quai Branly – Jacques Chirac, mirakitra ny fampirantiana momba ny kolontsaina sy toekarena misy eto Madagasikara. Tarehimarika izay nanehoan’ireo mpikarakara sy ireo mpikaroka ny fahafaham-pony. Marihina fa saika hita ao amin’ny fampirantiana avokoa ny kolontsaina sy ny […]

Tsy mahazo mivoaka amin’i Madagasikara: nilatsaka ny IST ho an’i Mbola Rajaonah  

Tsy mahazo mivoaka amin’i Madagasikara: nilatsaka ny IST ho an’i Mbola Rajaonah   

Nilatsaka, omaly ny taratasy avy amin’ny minisiteran’ny Atitany milaza ny fahazoan’i Mbola Rajaonah, izany IST izany, araka ny datin’ny 13 novambra 2018. Nomena toromarika avokoa ny rantsa-mangaikan’ny minisitera misahana ny eny anivon’ny lafintany sy ny eo anivon’ny fiadidiana ny polisim-pirenena hampihatra izany ka tsy hamela malalaka an’i Mbola Rajaonah hivoaka any ivelany aloha mandra-pisian’ny toromarika […]

Halatra moto: jiolahy iray naiditra am-ponja

Halatra moto: jiolahy iray naiditra am-ponja

Saron’ny polisy, ny 9 sy 10 novambra 2018 lasa teo, ireo jiolahy roa tompon’antoka tamina halatra moto. Ny iray voalohany, raha ny tatitra avy amin’ny polisy, tratra teny amin’ny HCC Ambohidahy rehefa nangalatra moto teny Ambohijatovo, ny 1 novambra lasa teo ary nidoboka am-ponja, ny zoma lasa teo niaraka tamin’ilay mpividy halatra. Nohamafisin’ny polisy fa mbola […]

Befotaka: nandefasana zandary marobe

 Taorian’ny resaka nandeha fa misy andian’olona manodidina ny 80 mirongo basy mahery vaika any Befotaka any, ao amin’ny distrikan’Amboasary, tsy fantatra mazava na iza na iza, nandefa zandary any an-toerana ny tompon’andraikitra. « Tsy mbola nisy ny fifanenana tamin’ireo olona 80 voalaza. Efa any an-toerana ny zandary maro be mivonona amin’izany, ary manao ny fisafoana rehetra […]

Fanamarihana

Ny gazety Taratra dia maneho fialan-tsiny, indrindra, amin’ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena momba ilay nivoaka teto amin’ny gazety, omaly 13 novambra 2018 momba ilay sary nivoaka nentina nandrakofana ny vaovao izay navoaka. Tsy ny polisim-pirenena velively no tao anatin’iny raharaha iny fa sary nentina nanehoana ny fampitam-baovao fotsiny ihany iny nivoaka teto amin’ny gazety Taratra iny. Ny […]

Nisahotaka ny teo Analakely: noheverin’ny olona fa baomba ireo baoritra feno fako

Nisavoritaka vao maraina ny olona teny Analakely sy ny manodidina, omaly raha nahita baoritra roa nifono scotch teo akaikin’ny tsangambaton-dRalaimongo. Efa somary nihatakataka avokoa ny ankamaroan’ireo olona raha nahita ireto baoritra roa mifono sady mampiahiahy ireto. Ny sasany nitady toerana niafenana fa sao mipoaka tampoka ity noheverina fa baomba ity, ny hafa kosa nampandre ny namany […]

Anosizato: saron’ny polisy ilay jiolahy raindahiny amin’ny halatra fiara

Anosizato: saron’ny polisy ilay jiolahy raindahiny amin’ny halatra fiara

Voasambotry ny polisy misahana ny ady heloka bevava, sakelika fahatelo (BC 3) Anosy, ny 6 novambra 2018 lasa teo teny Anosizato, ny jiolahy iray 38 taona, raindahiny amin’ny halatra fiara. Araka ny fanazavan’ny polisy, tamin’io andro io teny Andravoahangy tokony ho tamin’ny 8 ora maraina, fiara taxi 4L iray no nokendren’ity mpangalatra ity. Mitondra rano […]

Haintrano teny Tanjombato: olona iray namoy ny ainy sempotry ny afo

Haintrano teny Tanjombato: olona iray namoy ny ainy sempotry ny afo

Omaly maraina vao maty ny afo tamin’ilay firehetana orinasa afakaba teny Tanjombato, afakomaly alina. Namoy ny ainy, vokatr’izany, ny teratany vahiny iray lehiben’ny mpiambina ao amin’ny orinasa… Afakomaly alina tamin’ny 8 ora no nitranga ny firehetana niainga avy ao amin’ny toerana fanamainana lamba ao amin’ilay orinasa afakaba. Nijoalajoala tsy nisy toy izany ny afo ka […]

Vaomieram-pirenena… mampiahiahy

Vaomieram-pirenena… mampiahiahy

Tao anatin’ny andro vitsivitsy izay, lasibatry ny tsikera sy fanakianana mivaivay ry zareo eny Alarobia. Ireo tompon’andraikitra isan-tokony ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) izany. Tsy avy amin’ireo kandidà nifaninana tamin’iny fifidianana fihodinana voalohany teo iny ihany ny fanakianana sy tsikera, fa avy amin’ny olom-pirenena maro mpanara-baovao, mahatsiaro na mahatsapa ny amin’ny fomba […]