Flash
Préc Suiv

Zaza telo volana namidy 8 hetsy Ar: tambajotrana mpangala-jaza saron’ny polisy

Zaza telo volana namidy 8 hetsy Ar: tambajotrana mpangala-jaza saron’ny polisy

Voasambotry ny polisy misahana ny vehivavy sy ny zaza tsy ampy taona, ny 6 septambra 2018 lasa teo, ireo tambajotrana mpangala-jaza (lehilahy iray sy vehivavy roa) tompon’antoka tamin’ny fangalarana zazakely vao telo volana monja teny amin’ny Petite Vitesse. Araka ny fanazavan’ny polisy, vehivavy roa no nametsifetsy ny renin-jaza nahazoan’ireo mpangala-jaza ity zazakely ity. Nilaza ireo […]

Tany misy fanjakana, hono…

Tany misy fanjakana, hono…

Tany misy fanjakana eto, raha ny nambaran’ny mpitondra mpisolo toerana. Tampohin-javatra? Fahefana raha ny marina… Na tahotra sy tsy fahatokisan-tena, ka ny an’ny tena no atao tonga aloha: fampitandremana, fampitahorana aza. Tsy nisy fanjakana, angaha, teto hatramin’izay, raha tsy hiteny afa-tsy izao Repoblika IV izao? Iaraha-mahita, iaraha-miaina… Manao ahoana? Fanjakana tsy tan-dalàna; amin’izao farany izao […]

“Wanted”, karohina fatratra: polisy mpanao asan-jiolahy mitam-piadiana

“Wanted”, karohina fatratra: polisy mpanao asan-jiolahy mitam-piadiana

Randrianajaina Tanteliniaina no anarany. 35 taona. Tena polisy am-perinasa fa tsy misoloky. Namoahan’ny Sampandraharahan’ny polisy misahana ny heloka bevava filazana fikarohana (avis de recherche), izy io, noho ny hoe ”fanaovana halatra mitam-piadiana, fikambanan-jiolahy…” Karohina fatratra, Randrianajaina Tanteliniana, mipetraka eny Analamihitsy, izay voarohirohy amin’ny fanafihana mitam-basy sy fikambanan-jiolahy. Tsy hita popoka izy io, ka izay mahita […]

Minisiteran’ny Fahasalamana: nisongadina ny vokatra

Minisiteran’ny Fahasalamana: nisongadina ny vokatra

Anisan’ny minisitera nahavita dingana eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena ny an’ny Fahasalamana (Min San). Nampisongadina ireo mpiasa eo anivon’ity minisitera ity sy ny atletany avokoa ireo fifaninanana nandraisany anjara, teto an-toerana na ny tany ivelany. Porofon’izany, voahosotra ho tompondakan’Analamanga ny savate boxe française (3FB), teo amin’ny fanatanjahantena eo anivon’ny mpiasam-panjakana (Asief), nandrombaka medaly volamena valo. […]

Kitra vehivavy – «Cosafa cup 2018»: lalaon’ny samy resy ny an’ny Barea sy i Malawi

Kitra vehivavy – «Cosafa cup 2018»: lalaon’ny samy resy ny an’ny Barea sy i Malawi

Hitohy, anio zoma ao amin’ny kianja Isaac Wolfson Stadium, Afrika Atsimo, ny andro faharoa eo amin’ny fiadiana ny “Cosafa cup 2018”, taranja baolina kitra vehivavy. Fihaonana, ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Lalaon’ny samy resy ny fihaonan’ny Barea de Madagascar sy i Malawi. Samy tojo tsy fahombiazana avokoa mantsy ny roa tonta, teo […]

Kitra – «Poule des As 2018»: hangotraka ny lalao amin’ny andro fahadimy

Kitra – «Poule des As 2018»: hangotraka ny lalao amin’ny andro fahadimy

Hitohy indray ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra, taorian’ny fifaninanana natrehin’ny Barea de Madagascar, farany teo iny. Hiditra amin’ny andro fahadimy ny “Poule des As”. Hanana ny lanjany ireo fihaonana roa, amin’izany. Hotanterahina, amin’ny alahady ho avy izao, ny andro mialoha ny farany, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Poule des As 2018”. Hangotraka […]

BFV-SG: manohana ny fambolena

BFV-SG: manohana ny fambolena

Manan-danja eto amintsika ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, miantoka ny 25%-n’ny harinkarena faobe (PIB). Araka ny tatitry ny EBDM, firenena azo antoka hampiasam-bola eto Madagasikara, amin’ny lafiny fandraharahana (agri-business), ho an’ny mpandraharaha eto an-toerana sy ny avy any ivelany satria ahitana ny otrikarena voajanahary maro sady tsara toerana aty amin’ny […]

Sehatry ny fambolena: manana ny toerany ny Malto

Sehatry ny fambolena: manana ny toerany ny Malto

Sampana iray ao amin’ny Star ny Matlo. Orinasa manana ny toerany eo amin’ny fampiroboroboana ny toekarena mifototra amin’ny fambolena any amin’ny faritra ambanivohitra izy ity. Fanindroany izao ny mandray anjara amin’ny hetsika iraisam-pirenena mikasika ny fambolena, tontosaina nanomboka omaly hatramin’ny alahady izao, eny amin’ny Forello Tanjombato, izy ireo. Fotoana iray hampahafantaran’ny Star ny tantarany sy […]

CGM Analakely: hiaka-tsehatra ry Ragasy Band

CGM Analakely: hiaka-tsehatra ry Ragasy Band

« Musique du monde » manana faka sy aingam-panahy malagasy. Io ny nanazavan-dRagasy ny hira hataony miaraka amin’ireo dimy mianadahy ao anaty tarika Ragasy Band. Rahampitso manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) tohatohabaton’Antaninarenina, no hanehoan’izy ireo izany ho an’ny mpitia zavakanto rehetra. Ankoatra io aingam-panahy hoenti-mamorona io, manana mpikambana teratany vahiny ihany koa […]

Taratry ny kanto

“Tôty sy ny mozikany” “Lalao iray izay tiany indrindra…” nalaina tamin’ny “Misy antony”, hiran’i Tôty nampihirainy an’i Lalatiana. Io koa ny lohahevitra entina hahatsiarovana ity andrarezin’ny mozika ity, mandritra ny fiarahana, anio manomboka amin’ny 9 ora alina, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. “Tôty sy ny mozikany” no indray hotsarovan’ireo tanora nandimby, ahitana an’i Antsiva, i […]

« Manonoke fanahy »: teatra hafakely, mampihomehy, mahavariana…

« Manonoke fanahy »: teatra hafakely, mampihomehy, mahavariana…

Mihamaro ny tanora tia manao teatra, araka ny hita amin’ireo tropy manan-daza eto an-dRenivohitra. Mihamivoatra ihany koa ny teatra, ny endrika anehoana ny tantara, ka mifanaraka kokoa amin’ny zava-misy ankehitriny. Anisan’ny mitrandraka izany ry Landy Volafotsy, tsy zovina amin’ny maro intsony, araka ny nambaran’i Doly Odeamson, mpitarika ity kaompania ity. Ahitana taratra izany, ohatra, ny […]

Tamin’ny taonjato faha-18: teto Imerina ny Zafimaniry manana razambe Merina

Tamin’ny taonjato faha-18: teto Imerina ny Zafimaniry manana razambe Merina

Ny taonjato faha-18, voasesitany tao Alasora ny foko Zafimaniry. Taorian’izay, nivelona tany anaty ala sy teny an-tendrombohitra izy ireo, nanomboka ny taona 1790. Efa niaina manodidina an’Ankitsika, tena mangatsiaka any Antsirabe, ny foko Zafimaniry… ary tonga amin’ny faritra misy azy ankehitriny. Araka ny lovantsofina, nipoitra avy amin’ny Andriatsimaniry ny Zafimaniry, nandositra an’Imerina noho ny raharahan-ketra […]

Fametrahana ny mangarahara: 6 000 ireo mpanara-maso fifidianana avy amin’ny Safidy

Fametrahana ny mangarahara: 6 000 ireo mpanara-maso fifidianana avy amin’ny Safidy

Efa vonona. Hahatratra 6 050 ireo mpanara-maso fifidianana avy amin’ny  ivontoerana Sampana hanaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy) hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena, ny 7 novambra ho avy izao. “Hitondra ny anjara birikiny izy ireo hahatongavana amin’ny fifidianana mangarahara, eken’ny rehetra ary ao anaty filaminana”, hoy ny tompon’andraikitra, Rakotobe Heriniaina,  tetsy Ambatonakanga, omaly. Hiasa amin’ny […]

KMF/Cnoe: « Ilaina matihanina ny politika »

« Ilaina ny tena maha matihanina amin’ny fanaovana politika. Fa tsy hirotsaka amin’ny fanaovana politika avokoa io olona rehetra tsy vonona io. », hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Andriamalazaray Andoniaina, manoloana ny famaroan’ny kandidà ho filohan’ny Repoblika. Tsy andraikitry ny fitondrana na ny olom-pirenena irery izany fa andraikitry ny antoko politika tsirairay avy indrindra koa: rehefa manao […]

Vokatry ny fiakaran’ny tosidra: 40%-n’ny vohoka, misy fahasarotany 

Vokatry ny fiakaran’ny tosidra: 40%-n’ny vohoka, misy fahasarotany 

40%-n’ny vohoka, misy fahasarotana avokoa, araka ny zava-misy hita eny amin’ny tobim-pahasalamana na hopitaly, amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny sampana fikarakarana ny vehivavy (gynécologie) sy ny fiterahana eny amin’ny Cenhosoa, ny dokotera Randriamahavonjy Romuald, omaly teny Anosy. Mandritra ny fitondrana vohoka, mety hanana olana amin’ny fahasalamana ilay reny na koa ny zaza […]

Fanadinana bakalorea: mitaintaina ireo mpiadina jamba sivy mianadahy 

Fanadinana bakalorea: mitaintaina ireo mpiadina jamba sivy mianadahy 

Sivy mianadahy ireo tanora sembana amin’ny fahitana na jamba hiatrika fanadinana bakalorea amin’ity taona ity. Avy ao an-tampon-tanànan’Antsirabe ny telo mirahalahy amin’izy ireo raha toa ka avy ao Antananarivo, saingy hiatrika ny adina ao Antsirabe, kosa ny telo. Avy ao Ambositra ny fahafito ary samy avy ao Farafangana ny roa mianadahy sisa. Telo andro mialoha […]

HEDM sy Airtel Madagascar: miara-miasa ho an’ny lalam-piofanana roa lehibe

HEDM sy Airtel Madagascar: miara-miasa ho an’ny lalam-piofanana roa lehibe

Taona faharoa izao ny andiany voalohany ao amin’ny sekoly ambony tsy miankina momba ny lalàna sy ny fitantanana na ny HEDM (Hautes études en droit et en management) eny Soanierana. Ahitana lesoka ny fampianarana lalàna sy fitantanana nefa tsy vitsy ny tanora misafidy miditra amin’ireo sampam-pianarana ireo. Noho izany, takina ny maha matihanina, indrindra amin’izao […]

Jerry Rand: “Mila hampiroboroboana ny harena ao anaty”

Jerry Rand: “Mila hampiroboroboana ny harena ao anaty”

Maro ny olona, indrindra ny tanora, manana faniriana tsara ao anaty, saingy tsy hain’izy ireo ny manatanteraka na ny mamoaka azy “Azo atao tsara ny mampiroborobo azy”, hoy i Jerry Rand, mpandraharaha sady manana fahalalana amin’ny lafiny fitarihana (leadership). Manome fiofanana maimaimpoana ny olon-drehetra, indrindra ny tanora, i Jerry Rand, tanora malagasy, manana fahalalana amin’ny […]

100 andro: nahavita dingana  ny Praiminisitra Ntsay

100 andro: nahavita dingana  ny Praiminisitra Ntsay

100 andro tamin’izao fiandohan’ny volana septambra izao ny nitantanan’ny Praiminisitra  Ntsay Christian ny governemanta. Anisan’ny asa vitany ny namerina amin’ny laoniny ny fitoniana taorian’ireny krizy, nanomboka ny 21 avrily teo, ireny ka nisehoan’ny fidinana an-dalambe. Tonga amin’izao hirosoana amin’ny fifidianana izao izany na teo aza ireo hetsika sy fitakiana ny tsy hanaovana izany amin’ity taona […]

Tsy fahamatoran’ireo kandidà sy mpanao politika: notebahin’Andrianainarivelo Hajo ireo mitsipaka ny fifidianana

Tsy fahamatoran’ireo kandidà sy mpanao politika: notebahin’Andrianainarivelo Hajo ireo mitsipaka ny fifidianana

Nahitsy ary tsy nitsitsy fitenenana manoloana ireo kandidà sy mpanao politika sasany. «Mamono ny firenena ireo mieritreritra ny tsy hisian’ ny fifidianana », hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, tamin’ny resaka nifanaovana taminy. Nanteriny fa miray feo amin’ireo rehetra efa nanao fanambarana amin’ny tokony hirosoana amin’ny fifidianana, araka ny voalazan’ny lalàna, ny […]

Kandidà… mpikarama an’ady

Kandidà… mpikarama an’ady

Tsy vaovao fa efa hita sy fantatra ary miharihary ny fisian’ny kandidà… mpikarama an’ady. Sarobabay: izay voa, aza tezitra. Ao ny manao fitadiavana ny firotsahan-kofidina: ny ampahany vola azo ihany no anaovana sarintsarina fampielezan-kevitra, tetehina hamidy amin’ny fihodinana faharoa ny taim-bato kely mba azo… Tsy vitan’izany, misy ny manao takalo sy tamby fotsiny izao ny […]

Fifandonana nahery vaika: zandary 5 indray voatifitry ny dahalo

Fifandonana nahery vaika: zandary 5 indray voatifitry ny dahalo

Zandary dimy lahy no fantatra fa naratra voatifitry ny dahalo, nandritra ny fifandonana nahery vaika, tao Isorana, kaominina ambanivohitra Matsiatra Ambony, omaly maraina. Voalaza fa voa mafy mihitsy ny iray amin’izy ireo. Nampiasa helikoptera mihitsy ny zandary nandritra ny fifandonana tamin’ireo dahalo tao amin’ity ala fanafenana omby halatra ity. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, […]

Kitra atsy Afrika Atsimo: nanome rariny an’i Dax ny Fifa

Kitra atsy Afrika Atsimo: nanome rariny an’i Dax ny Fifa

Namoaka lahatsoratra tao amin’ny tambajotra seraserany, omaly, ny klioba Kaizer Chiefs, Afrika Atsimo, mahakasika ny raharahan’Andriamirado Andrianarimanana Arohasina (Dax). Nambarany tamin’izany fa nanome rariny ity klioba afrikanina tatsimo ity ny komisiona misahana ny mpilalao, eo anivon’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa). Notapahina fa omena alalana ny federasiona baolina kitra ao Afrika Atsimo (Safa), hanoratra vonjimaika ny anaran’i […]

Rugby – Lalao fihantsiana: mpilalaon’ny Oxford University fito, milanja 100 kg

Rugby – Lalao fihantsiana: mpilalaon’ny Oxford University fito, milanja 100 kg

Tonga, ny talata lasa teo, ny ekipan’ny Oxford University avy any Angletera, taranja rugby. Tanora vaventy sady goavana ireo mpilalao ao aminy. Miisa fito ireo milanja 100 kg, ao amin’ity ekipa ity. Raikitra izany ny lalao. Efa tonga eto Madagasikara, ny talata lasa teo, ny ekipan’ny Oxford University avy any Angletera, taranja rugby, hifanandrina amin’ny […]

Socolait: 40 taona ho an’ny mpanjifa

Socolait: 40 taona ho an’ny mpanjifa

Anisan’ny tena amantarana ny orinasa Socolait ny famokarana ronono mandry mamy (LCS)  anaty boaty. Orinasa malagasy nanome fahafaham-po ny mpanjifa tato anatin’ny 40 taona, ary vonona hanome ny tolotra tsara indrindra indray ho an’ny 40 taona manaraka, araka ny fiteniny. Anisan’ny nanamarihana izany ny andron’ny asabotsy 8 septambra teo teny Besarety, nahitana hetsika maro samihafa. […]