Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filaminam-baovao

Filaminam-baovao

Vaovao ny taona, vaovao ny Filoham-pirenena, ho vaovao ny governemanta… Miandrandra zava-baovao amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy. Raha ny eo amin’ny fandriampahalemana fotsiny no horesahina, tena miandry mafy fomba fiasa vaovao, fepetra vaovao ny rehetra. Ekena fa vao manomboka ny taona, maro ny trangana tsy fandriampahalemana miseho na eto an-dRenivohitra na any ambanivohitra, na any […]

Saiky nanaraka hatramin’ny ainy: lehilahy nanolana zaza 4 taona niharan’ny fitsaram-bahoaka

Saiky nanaraka hatramin’ny ainy: lehilahy nanolana zaza 4 taona niharan’ny fitsaram-bahoaka

Daroka, vono, angaredona… Voasambotry ny fokonolona ity tovolahy iray nanolana zazavavikely vao efa-taona monja, tany Tsiroanomandidy, ny alahady teo. Niharan’ny fitsaram-bahoaka ny anao lahy, ka saiky nanaraka hatramin’ny ainy raha tsy nalady tong any mpitandro filaminana. Tratran’ny olona ny tovolahy iray nanolana zazavavikely vao 4 taona monja, tany Mangarivotra Tsiroanomandidy, ny alahady teo ka niharan’ny […]

Mihanaka tanteraka ao Toamasina: 14 matin’ny kitrotro, 53 mbola tsaboina

Mihanaka tanteraka ao Toamasina: 14 matin’ny kitrotro, 53 mbola tsaboina

Mihazakazaka be ny fahafatesana nateraky ny valan’ aretina kitrotro raha ny hita eto Toamasina. Mahatratra 30 isan’andro ireo zaza miditra hopitaly. Misy kosa ireo mahazo fizahana ary afaka mody fa miverimberina manao fanaraha-maso ny fizotran’ny fahasalamany. Mijanona ao amin’ny hopitaly kosa izay hita fa misy fahasarotany. Hatramin’ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana teny anivon’ny hopitalin-jaza tetsy […]

Indray mijery

Tanterahina manomboka anio ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny kitrotro  miaraka amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ary haharitra hadimiana. Eo anivon’ny distrika 25 ao anatin’ny faritra 13 eto Madagasikara no hanaovana ny asa noho ny fisian’ireo trangana aretina kitrotro tamin’ny toerana maro. Tohin’ny fanaovam-baksiny efa notontosaina teto Antananarivo sy ny manodidina, nandritra ny volana oktobra sy novambra izao […]

Andapa: miroborobo ny fiompiana trondro marakely

Andapa: miroborobo ny fiompiana trondro marakely

Karazan-trondro tsy hita raha tsy eto Madagasikara ny marakely, manana anarana siantifika hoe paratilapia polleni. Tena ahitana azy ny renirano rehetra any amin’ny faritra avaratr’i Madagasikara. Afaka miaina amin’ny toerana manana maripana manomboka 12°C sy ny mihoatra, manana haavo 1.500 m. Miloko mainty ity trondro ity, sady ahitana pentina mangirana toy ny manga, mahatonga azy […]

Mampiahiahy: voafehy tato anatin’ny telo volana ny vidin-tsolika

Mampiahiahy: voafehy tato anatin’ny telo volana ny vidin-tsolika

Toy ny isam-bolana, mitaintaina hatrany ny mpanjifa amin’ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika. Tsiahivina fa tsy nihetsika ny vidiny nandritra ny telo volana, fa tamin’ny desambra 2018 indray vao nisondrotra. Tsy marin-toerana! Manaraka ny fiovaovan’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam- pirenena ny eto Madagasikara. Na izany aza, maro ny singa jeren’ny fanjakana, fa tsy ampiharina ara-bakiteny, […]

Antananarivo: hiato ny orana, hiakatra ny maripana

Antananarivo: hiato ny orana, hiakatra ny maripana

Hiato mandritra ny roa andro ny orana eto amin’ny faritra afovoan-tany ary hiverina indray, manomboka ny alarobia, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro eny Ampandrianomby, omaly. Hiakatra kosa ny maripana ambony indrindra ka hahatratra 28° C eto afovoan-tany raha 32°C ho an’ny ilany atsinanana raha 34°C ho an’ny tapany andrefana. Ho an’ny […]

MaFB: vonona hanohana ny filoha vaovao

MaFB: vonona hanohana ny filoha vaovao

Nanao fanambarana ny Mpisehatra amin’ny fahasalaman-bahoaka (MaFB) ny faran’ny herinandro lasa teo, resy lahatra izy ireo fa hitondra antsika ho any amin’ny fampandrosoana mifanaraka amin’ny hetahetan’ny vahoaka ny safidin’ny vahoaka malagasy nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena. Anisan’ny nanao fampielezan-kevitra nanohana  ny kandida faha-13 sy nivoy ny paikady IEM ny MaFB, singanina amin’izany ny velirano faha-5 […]

Tenisy – Amboaran’i Afrika Aostraly: nafana ny andro fahatelo, isam-bondrona

Tenisy – Amboaran’i Afrika Aostraly: nafana ny andro fahatelo, isam-bondrona

Niditra tamin’ny andro fahatelo teo amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika Aostraly, omaly, ireo mpifaninana malagasy miatrika izany any Namibia. Fandresena 3 no teo am-pelatanan’ny Malagasy rehefa avy niady ny tsirairay, Fihaonana izay nifanandrinan’izy ireo tamin’ny ekipan’ny Lesotho sy Namibia ary Maorisy. Mitombo hatrany ny traikefa amin’izao andro alohan’ny farany izao, raha ny nambaran’ireo mpifaninana. Tsy […]

Kempo: mbola hitohy ny fiofanana ho an’ny mpitarika mpanampy

Kempo: mbola hitohy ny fiofanana ho an’ny mpitarika mpanampy

Na teo aza ny fihemorana, mbola hitohy ny fiofanana ho an’ny mpitarika mpanampy, amin’ny taranja MMA sy Kempo. Noho ny fisian’ilay fanomezam-pahefana ny filoha Rajoelina dia ahemotra ny asabotsy 26 janoary 2019 indray ny tapany faharoa amin’ilay “École de Cadre” izay saika hatao ny 19 janoary izao. Ao amin’ny efitrano laharana fahatelo, ao Mahamasina ihany […]

Volley-ball – «CCCOI 2019»: tsy mandray anjara i La Réunion

Volley-ball – «CCCOI 2019»: tsy mandray anjara i La Réunion

Horaisin’i Madagasikara, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe indianina, ho an’ny ekipa tompondaka (CCCOI 2019), taranja volley-ball. Hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izany, ny 3 ka hatramin’ny 10 febroary, ho avy izao. Tsy afaka mandray anjara, amin’ity ry zareo Reonioney. Antony, efa nanambara izy ireo fa tsy hifaninana amin’ity CCCOI ity intsony, ny taona […]

Kitra – Fanomanan-tena: tsy miakatra kianja ireo mpilalaon’ny Barea sasany any ivelany  

Kitra – Fanomanan-tena: tsy miakatra kianja ireo mpilalaon’ny Barea sasany any ivelany   

   Mampametra-panontaniana ny rehetra, amin’izao fotoana izao, ny fanomanan’ny Barea de Madagascar, ny lalao amin’i Sénegal sy ny «Can 2019». Ankoatra izay, tsy dia miakatra kianja firy ireo mpila ravinahitra malagasy. Mangina tanteraka ny amin’ny Barea de Madagascar, taorian’ny fahazoana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2019), taranja baolina kitra. Tsy […]

Minisitra toy ny ahoana no andrasana ?

Minisitra toy ny ahoana no andrasana ?

« Olona mahay sy mahalala ny resaka fanatanjahantena no tokony hipetraka eo amin’ny toeran’ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tsy tokony ho vaovao amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena izay hipetraka raha tena te hahita fahombiazana, eto an-toerana ary indrindra eo amin’ny lafiny iraisam-pirenena. Tsy vitan’ny mahalala fotsiny ny fanatanjahantena anefa fa mila tena manao sy mikatroka mihitsy […]

HITSY TORAKA: izay namana ihany!

Ao anatin’ny fotoana fandinihina lalina, izay hitantana ny minisitera, amin’izao fotoana izao, ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy. Samy mamadibadika, izay mety sy tena manana ny fahaiza-manao, amin’izany ireo tomponandraikitra isanisany. Jerena ambony, jerena ambany, sao diso fiantefa ny safidy ka ho toy izay efa lasa no hitranga, izay vao hanenina. Fomba iray efa mahazatra kosa anefa […]

Basikety  – “Afroleague”: miray vondrona amin’ny ekipan’i Angola ny CosPN

Basikety  – “Afroleague”: miray vondrona amin’ny ekipan’i Angola ny CosPN

Vita ny faran’ny herinandro teo ny fisarihana ireo ekipa isam-bondrona hiatrika ny lalao eo anivon’ny FIBA, antsoina hoe “Afroleague”. Fifaninanana andiany voalohany izay handraisan’ny ekipa malagasy, CosPN anjara. Araka ny valin’ny fisarihana, ao amin’ny vondrona D no misy an’i Madagasikara. Ho mafy ny adin’ny CosPN mandritra ity fifaninanana ity satria ekipa kalaza sy efa ambony […]

Karate: nizotra araka ny tokony ho izy ny fifaninanam-pirenena

Karate: nizotra araka ny tokony ho izy ny fifaninanam-pirenena

  Nifarana omaly, alahady, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly 2018, taranja karate, notontosaina teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Mpikatroka miisa 179 avy amin’ny ligy manerana ny nosy no nivondrona sy nifaninana nandritra ity fifaninanana ity. Nizotra araka ny tokony ho izy, ny fifaninanam-pirenena tamin’ity taom-pikatrohana 2018 ity, na dia teo aza ny fahatarana teo amin’ny […]

Andron’ny manamboninahitra: notolorana gisa ny praiminisitra

Andron’ny manamboninahitra: notolorana gisa ny praiminisitra

Nanome voninahitra ny andron’ny manamboninahitra ny Praiminisitra Ntsay Christian: Nanomboka tamin’ny fibaikoana ny fampiakarana ny sainam-pirenena ny hetsika ary narahina fanolorana gisa ho an’ny praiminisitra sy ireo lehiben’ny manamboninahitra. Fomba fanao, amin’ ny fotoana tahaka izao, izany. Nitarika ny fotoana ny manamboninahitra zandriny indrindra, ny lietna Rafenohasina Onintsoa Noro. Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Chrstian fa anisan’ny […]

Fimmar: “Miandrandra ny IEM ny tanora”

Fimmar: “Miandrandra ny IEM ny tanora”

« Nisedra olana momba ny asa ny tanora, indrindra ireo nahavita fianarana… Iandrandrana ny vahaolana entin’ny IEM, hialan’ny tanora tsy an’asa ao anatin’ny fahasahiranana lalina izao fahalanian’ny filoha Rajoelina hitondra ny firenena izao. Sambany teo amin’ny tantara ny nisy filoham-pirenena nahasahy nilaza fa hanao velirano amin’ny vahoaka, amin’ny fanatanterahana ny vinanasa hataony”, hoy ny mpitarika ny […]

Tompon’andraikitra: fanendrena tsy mitanila

Tsy ho ela ny fanendren’ny filoha Rajoelina Andry ny mpiara-miasa aminy, indrindra ny ho praiminisitra sy ny mpikambana ao anatin’ny governemanta. Maro ny feo mandeha etsy sy eroa, ny anarana mandehandeha, saingy izy irery ihany no hanamarina izany rehetra izany na tsia. Anisan’ny singa iray azo ijerana ny mety handehanan’ny safidiny ny voka-pifidianana azony isam-paritra […]

Fahalanian’ny filoha Rajoelina: nankasitraka ny vahoaka mpifidy ny « Groupe Berthin »

Fahalanian’ny filoha Rajoelina: nankasitraka ny vahoaka mpifidy ny « Groupe Berthin »

Nizara nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ireo vahoaka manamorona ny lalam-pirenena fahafito (RN7), ny faran’ny herinandro teo tetsy Andrefan’Ambohijanahary ny « Groupe Berthin » sy ny Tanora miandrandra ny ho avy (TMH) ary fikambanana maromaro. « Fisaorana ireo vahoaka nifidy ny filoha Rajoelina izao hetsika atao izao sady fifampiarahabana noho ny taona vaovao ary koa hiarahabana ny filoha vaovao… », hoy […]

Rasolo André: « Hamadika ny velirano ho asa ifarimbonana ny filoha »

Rasolo André: « Hamadika ny velirano ho asa ifarimbonana ny filoha »

Milamina izao ny fandraisana ny voka-pifidianana ofisialy. Hanao ahoana ny ho tohin’ny raharaham-pirenena? Maneho ny fijeriny ny mpampianatra sosiolojia politika eny amin’ny oniversite, Rasolo André: « Hamadika ny velirano ho asa ifarimbonana ny filoha vaovao. » Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitana ny fanambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny voka-pifidianana ofisialy farany teo?  Rasolo André (-): […]

Hiraitra: hisantatra ny kaonseritra klasika

Hiraitra: hisantatra ny kaonseritra klasika

Tsy niandry ela fa mitohy, avy hatrany, amin’izao fiandohan’ny taona izao, ireo hetsika tanterahin’ny fikambanana Madagascar Mozarteum ho fanomezan-danja sy fampiroboroboana ny mozika klasika, eto amintsika. Tonga amin’ny andiany faha-97, amin’ity volana janoary ity, ny “Kaonseritra klasika amin’ny mitataovovonana”. Toy ny mahazatra ireo mpanaraka izany, etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely, ny […]

Michel Randria: hoporofoiny fa « Ny sary no mitoetra »

Michel Randria: hoporofoiny fa « Ny sary no mitoetra »

Ny teny no mandalo fa « ny sary no mitoetra”. Izay ny lohahevitra voizin’i Michel Randria, mpanao hosodoko tsy zovina intsony, amin’ny varotra fampirantiana, hotanterahiny etsy amin’ny Is’Art galerie Ampasanimalo, manomboka ny 17 janoary izao. “Amin’ ny maha tontolon’ ny kanto ny hosodoko, misy andraikitra maro entiny: mitaiza, mitahiry, mizara hafaliana. Mitaiza ao anatin’ny tontolon’ny […]

Hetsika iarahana amin’ny Kolo TV/FM: nanaraka ny dian’ny reniny amin’ny fifaninanana Miss i Mirana

Hetsika iarahana amin’ny Kolo TV/FM: nanaraka ny dian’ny reniny amin’ny fifaninanana Miss i Mirana

Tarana-boanjo foto-boanemba…  Voahosotra ho “Miss jeunesse Madagascar” ho an’ny eto Antananarivo niarahana amin’ny Kolo TV/FM Ratsimbarison Miraniaina Diana.  Efa nandray anjara tamin’ny fifaninanana tahaka azy koa anefa ny reniny, Andrianiaina Farasoa Rosa. “Efa voafidy ho “Miss vacances” aho raha vao 14 taona monja. Nitohy indray izany teo amin’ny faha-16 taonako, nibata ny “Miss crown”.  Anisan’ny […]

Ceni – Fifidianana depiote: « Hahazo vahana ny antoko lehibe » 

Ceni – Fifidianana depiote: « Hahazo vahana ny antoko lehibe » 

« Tamin’ny teo aloha, amin’ireo depiote miasa amin’izao fotoana izao: fifidianana amin’ny alalan’ny lisitra ny teo aloha no nampiasaina. Mifanaraka amin’ny ampaham-bato azony no isan’ny depiote azon’ny tsirairay avy. » Izay ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny fiovana lehibe amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Ny lalàna mifehy ny solombavambahoaka amin’izao fotoana […]