Auteur/autrice : Newsmada

Fifandonana mahery vaika : Zandary iray maty voatifitra, dahalo telo lavo

Zandary iray nanara-dia dahalo no maty voatifitra taorian’ny fifanjevona tao Beraketa Sakaraha, omaly. Nirefodrefotra ny basy tao Beraketa, kaominina sy distrikan’i Sakaraha faritra Atsimo Andrefana, omaly, tokony ho tamin’ny 03 maraina. Zandary iray, kilasy faharoa, isan’ireo nanara-dia dahalo no maty voatifitra rehefa avy nifandona mafy tamin’ireo malaso. Nitrangana fanafihan-dahalo nirongo […]

Varotra iraisam-pirenena – CCI :Voafidy hanondrana vokatra any Chine i Madagasikara

Hatevenina ny fanondranana entana avy aty Afrika mankany Chine. Tompon-kevitra amin’izany ny Centre du Commerce International (CCI) sy ny fitondram-panjakana sinoa. Firenena afrikanina valo no tohanana hanondrana vokatry ny fambolena any Chine sy hisarika mpampiasa vola sinoa amin’ireo tany afrikanina ireo.  Voafidy ao anatin’izany i Madagasikara, miampy an’i Ethiopie, Kenya, […]

QMM: havadika ho entona ny rano avy nampiasaina

Mitohy ny fanatsaran’ny orinasa QMM ny fitantanana ny rano avy nampiasainy amin’ny asa fitrandrahany any Taolagnaro. Misy ny tetikasa andrana, hananganana dobo manokana, hanadiovana ny rano avy nampiasaina amin’ny fitrandrahana. Haharitra enim-bolana ity tetikasa andrana ity, mamaly ny fepetra ara-dalàna napetraky ny Antokon-draharaha nasionaly  misahana ny rano (Andea), tsy hiantraika […]

4X4 nivadika teny amin’ny RN44: Profesora sy ny ramatoa vadiny namoy ny ainy

Loza nahatsiravina! Indray namoy ny ainy ny Profesora iray sy ny vadiny, niharan’ny fivadihan’ny fiara tampoka teny amin’ny lalam-pirenena faha-44, teo Andranokobaka-Andilanatoby, Ambatondrazaka, omaly. Tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka, fiara tsy mataho-dalana  iray marika “Rexton” no nivoaka ny  arabe ary nifatratra tany anaty kirihitra. Nikasa hihazo an’ Ambatondrazaka, hamonjy […]

Vahaolana ifotony

Avy any ambony ny ohatra fakan-tahaka? Any ifotony kosa ny olana mila vahana, indrindra amin’izao fahasahiranana diavina sy iainan’ny firenena izao: fidangan’ny vidim-piainana, tsy fandriampahalemana… Lazaina mandrakariva fa tsy azo ihodivirana izao krizy eran-tany  izao noho ny ady eo amin’i Ukraine sy i Rosia. Tsy fantatra be ihany izay mety […]