Ambohimalaza… Jiolahy miisa sivy nidoboka am-ponja

Manampy isa ireo andian-jiolahy naiditra am-ponja vonjimaika ireo olon-dratsy voasambotra teny Ambohimalaza sy ny manodidina ny herinandro teo. 

Miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja avokoa ireo jiolahy voasambotra teny Ambohimalaza ny herinandro teo. Isan’izany ilay lehilahy voatondro ho nanolana ankizivavikely 12 taona. Ao koa ireo andian-jiolahy mpamaky trano eny amin’iny faritr’Alasora iny. Tsiahivina fa ny alarobia lasa teo, tonga teny amin’ny zandary ny ramatoa iray nitaraina fa nisy nanolana tao amin’ny trano fonenany  ao Antsarahasina ny zanany vavy. Tamin’io fotoana io, sendra irery tao an-tranony ilay ankizivavy ka nanamparan’ilay lehilahy ny filan-dratsiny. Ny alakamisy kosa vao namboraka ny zava-niseho tamin-dreniny izy. Nisokatra ny famotorana. Tsy teny amin’ny toeram-piasany teny Nanisana fokontany Ambohidray atsimo intsony anefa ilay voatondro ho nahavanon-doza. Tsy niato ny fitadiavana ka voasambotry ny zandary ny asabotsy teo teny Ampandrana fokontany Ambohidray izy. Etsy ankilany, voamarina taorian’ny fitsirihana fa voaolana ilay ankizivavikely. Ralehilahy kosa natao andrimaso sy natao fanadihadiana ary niakatra fampanoavana. Ankoatra ity, voasoroka ny vaky trano saika hataon’ireo fito lahy sy vehivavy iray teny Ambohipeno ambany, kaominina  Ambohimanambola ny herinandro teo. Tonga ara-potoana ny zandary ka nisambotra ireo jiolahy.

Henintsoa Hani

Partager sur: