Ambohimahasoa : fiara 4×4 latsaka tany anaty hantsana, olona iray maty

Olona iray maty, telo naratra mafy! Io no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ambohimahasoa, omaly. Fiara 4×4 iray latsaka tany anaty hantsana.

Nitrangana lozam-piarakodia nahatsiravina indray teny amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7), tao Ialatsara, fokontany Ampa­nidinana, kaominina ambanivohitra sy distrikan’ Ambo­hi­­ma­ha­soa; PK 345 +700, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, fiara 4×4 iray marika Mi­tsubishi avy any Antananarivo hihazo an’ Ihosy ity tra-doza tampoka ity ka nivarina tany anaty hantsana eo amin’ny 300 metatra eo ho eo. Voalaza fa tratran’ny torimaso fotsy teo ambony familiana ny mpamily ka tsy nahafehy intsony ny familiana. Vokany, nifatratra tany anaty hantsana. Olona dimy no tao anaty fiara. Ny iray maty tsy tra-drano (ankizilahy 14 taona) raha telo hafa naratra mafy. Ankizikely dimy taona kosa no avotra soa aman-tsara. Potipotika tanteraka ny vatan’ny fiara. Nan­dray an-ta­nana ny famonjena ireo niharam-boina avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohimahasoa. Nentin’ny zandary namonjy hopitaly CHU Tambohobe, Fianaran­tsoa ireo naratra. Na­terina ao amin’ny tranom-patin’ny Ho­pi­talibe Ambohi­mahasoa ny fatin’ilay namoy ny ainy, miandry ny havany haka azy. Mito­hy ny fanadihadiana ataon’ny zandary.

Jean Claude

Partager sur: