Flash
Préc Suiv

Tselatra

Taorian’ilay raharaha teny Antanimena izay nanalana tamin’ny toerany ny lehiben’ny fiarovana ny Primatiora eny Mahazoarivo dia voatendry hisolo ilay Jeneraly teo aloha ny Jly André Roger Mahaziakely. Nandritra ny filankevitry ny minisitra no nanendrena ity tompon’andraikitra hisahana ny talen’ny fiarovana ny primatiora ity.

Notafihin’ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny Kioska iray mpandray sy fandefasana vola an’ny orinasan-tserasera iray ao Ambositra, omaly antoandro. Kioska ao an-tampon-tanànan’Ambositra ity niharan’ny fanafihan-jiolahy ity. Tao anatin’ny minitra vitsy monja no nanaovan’ireo jiolahy ity fanafihana ity. Tampoka ho an’ilay renim-pianakaviana niasa tao amin’ity kioska ity rahateo koa ny fahatongavan’ireo jiolahy satria ny vavabasy efa nanondro teo aminy no nahataitra azy

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique