Flash
Préc Suiv

Tao amin’ny distrika 13: tafakatra 17 ireo matin’ny pesta

Taorian’ny fitiliana natao teny anivon’ny Laboratoire central peste (LCP), 52 ireo olona voamarina fa nahitana trangan’aretina pesta. Pesta atoditarimo ny 41 raha pesta aretin-tratra kosa ny 11ambiny. Amin’ireo olona iraika ambin’ny efapolo (41) voan’ny pesta atoditarimo, 34 efa manaraka fitsaboana eny anivon’ny tobim-pahasalamana, namoy ny ainy kosa ny fito. Ho an’ny pesta aretin-tratra indray, iray no tsaboina fa 10 ireo olona izay voamarina fa nahitana ny trangan’aretina namoy ny ainy. Nanomboka ny 1 aogositra hatramin’ny 3 desambra lasa teo, 17 ireo namoy ny ainy noho ny trangana pesta amin’ny distrika 13 : Tsiroanomandidy, Befotaka, Manandriana, Ambalavao, Ambatofinandrahana, Miarinarivo, MidongyAtsimo, Anjozorobe, Ankazobe, Moramanga, Ambositra, Betafo ary Faratsiho.

Ho fitandroana ny fahadiovana tsy hiparitahan’ny valanaretina pesta eto an-dRenivohitra , efa nanao ezaka ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Samva, maka ny fako tsy tapaka, saingy tsy maharaka. Namboarina ary nasiana fitoeram-pako vita amin’ny biriky nasolo ny daba vy teo aloha efa harafesina nefa mbola ety ivelany ihany no arian’ny olona ny fako amn’ny toerana sasany. Nisy fandaminana manokana ihany koa ny fakana ny fako any an-tokantrano, nanomboka tamn’ity herinandro ity, ho an’ireo manana rafitra RF2.

Vonjy

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique