Flash
Préc Suiv

Saro-piaro: Tsy mandray andraikitra

Manana kolontsaina sy zavakanto tsy ananan’ny firenen-kafa i Madagasikara. Na tsy mipoitra an-karihary aza ny hasarotam-piaro amin’ireny kolontsaina mampiavaka ny Malagasy ireny, tazana ihany rehefa misy dona na sedra mahazo. Main’ny afo ny vakoka sasany toy ny Rova sy ireo Vohitra masina sasany, taitra sy tezitra ny Malagasy. Very amin’ny ampahany na manontolo ny fomba, sorena ny Malagasy…. Saingy, toa mijanona hatreo amin’ny alahelo sy hatezerana ihany fa tsy tonga hatrany amin’ny fandraisana andraikitra. Tsy ho voatery any amin’ny sehatra goavana ny fanatanterahana izany.

Ireo rehetra mitana ny toeran’ny mpanabe, mila mandray andraikitra avokoa. Raha vitan’ny ray aman-dreny niteraka ny manazava sy mampita amin’ireo taranany fa Malagasy izy, tahaka izao ny maha Malagasy azy, ny kolontsainy, ny fombany, ny fiteniny, ny inoany sy ny atahorany, sns, hitoetra amin’ny zaza malagasy ary tsy ho azo hozongozonina ao aminy ny fitiavan-tanindrazana. Toraka izany koa ny mpampianatra any an-tsekoly.

… Saingy indrisy fa ny mifanohitra amin’izany no hita. Teny vahiny ny teny hoenti-mampianatra. Tsy iadian-kevitra, mihevi-tena ho vahiny ny zaza sy ny ankizy ary ireo tanora beazina ao anatin’izany. Tsy mandaitra aminy intsony ny fanazavana fa Malagasy izy. Inona ny manakana ny fahefana mahefa hamoaka lalàna na didy fa « ny teny malagasy no teny hoenti-mampianatra ». Efa fandraisana andraikitra goavana ny fanatanterahina izany.

Ray aman-dreny sy ny raiamandreny (mpitondra isan-tsikajiny…) ary ny mpanabe miampy ireo mpampianatra, samy mandray andraikitra avokoa, hiova ao anatin’ny fotoana fohy ny toe-tsain’ny Malagasy. Ho sahy andray andraikitra satria ahatsapa fa Malagasy izy ka manana adidy amin’i Madagasikara sy ny taranany.

Voky lainga sy fitaka ny Malagasy

Lainga, fitaka, hosoka, famahanan-dalitra, sns, ny filazana fa « tsy ampy hoenti-mampianatra ny fiteny malagasy satria tsy ampy voambolana ». Fomba fisainana naterak’ilay « kisarisarim-panagasiana » io. Tsy fandikan-teny na fandikana anaran-javatra vahiny amin’ny teny malagasy no maha maika fa ny fampiasana ny fiteny malagasy ho fiteny hoenti-mampianatra.

Satria nianatra sy nampianarina tamin’ny fiteny vahiny ny injeniera malagasy, rehefa tonga eny amin’ny tantsaha izy ireo, tsy mitohoka ny resaka. Mifanipaka ny foto-pisainana. Mifandrirotra ny fomba fihevitra. Manginy fotsiny, ny fomba fanao eny ambanivohitra aza tsy fantatry ny injeniera sasany akory ! Sanatria tsy ampy fahaizana sy fahalalana akory izy ireny, fa ilay fomba nanabeazana azy mihitsy no tsy mifanaraka amin’ny tena zava-misy marina any amin’ny tantsaha.

… Saika tratran’io seho endrika mifanohitra io ny ankamaroan’ny sehatra sy fototra tokony hiaingan’ny fampandrosoana ny firenena, hany ka tsy mitohoka ny olana sy ny vahaolana.

Jereo akaiky ny tahaka itony

Tany ambadik’Imanareza, tsy nampiasa teny vahiny ny Malagasy nentina nanabe ny taranany kanefa nampiaiky izao tontolo izao ny firindran’ny fiarahamonina nisy teto, raha ny hita sy voarakitra any anatin’ireny boky nosoratan’ny vahiny momba an’i Madagasikara sy ny Malagasy ireny. Fiarahamonina nanjakan’ny fihavanana (tsy misy dikan-teny vahiny mahadika azy io). Tahotra an’Andriamanitra, fanajana ny razana sy ny tany navelany, tahotra ny tsiny sy ny tody (tsy voadika amin’ny fiteny vahiny ireo), sns.

Tamin’ny alalan’ny fitantarana angano, fanaovana hainteny, fampiadiana ravina, fampitaha, filalaovana ny fanorona, sns, no nentina nampitam-pahalalana tamin’izany. Nandray ny andraikiny ny tao amin’ny ankohonana, ny fianakaviana, ny fiarahamonina, samy nampita ireny fahalalana ireny. Tafita ny tiana hampitaina. Tsara taiza ny Malagasy !

Ny soa fianatra, ny ratsy fanary ! Mila manabe sy mitaiza ary mampianatra ny zaza malagasy amin’ny fiteny malagasy, ny Malagasy mba hiverenan’ilay fahatsapan-tena fa Malagasy tompon’i Madagasikara… Fa raha tsy mbola io no atao, hanofy hiaina any an-tanin’olon-kafa ny Malagasy. Vokany, ho lasan’ny vahiny ambongadiny i Madagasikara satria izy ireny indray no zary mahatsapa fa Malagasy satria mandray andraikitra sy mitafy fahavononana mianatra ny fiteny malagasy!

HaRy Razafindrakoto

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique